01/08/2026
🔴 RAHA MANAO IRETO ZAVATRA 10 IRETO IZY, DIA METY TE HISARAKA AMINAO.💔
Nisy vehivavy iray nilaza hoe: "Hitako fa niova izy, nefa mbola nanantena aho hoe hiverina ho toy ny taloha."
Isan'andro dia nihamangina izy, tsy liana hiresaka intsony, ary toa tsy niraharaha ny fihetseham-pony. Rehefa tonga ny fisarahana dia vao tsapany fa efa ela no nampiseho famantarana ilay olon-tiany.
🚩 Ireto misy famantarana 10 mety manondro fa te hisaraka izy:
1️⃣Tsy mifandray aminao intsony.
2️⃣Tsy te hiara-handany fotoana.
3️⃣Mora tezitra amin'ny zavatra madinika.
4️⃣Tsy liana amin'ny fiainanao.
5️⃣Tsy misy fikasana momba ny ho avy miaraka.
6️⃣Tsy miraharaha ny alahelonao.
7️⃣Mitady antony hialana aminao foana.
8️⃣Mihena be ny fitiavana asehony.
9️⃣Tsy te hamaha olana intsony.
1️⃣0️⃣Toa sambatra kokoa rehefa lavitra anao.
Tadidio anefa fa tsy ireo irery no porofo famantarana. Mety hisy antony hafa koa, toy ny adin-tsaina, olana manokana, na fahasahiranana eo amin'ny fiainana. Ny fifampiresahana am-pahatsorana no fomba tsara indrindra hahafantarana ny tena zava-misy.
Raha matahotra mafy ny ho very ianao ka manaiky zavatra rehetra mba tsy hialan'ilay olona, dia mety misy ratra ara-pihetseham-po mbola mila sitranina ao anatinao. Tsy ny fotoana irery no manasitrana izany, fa ny fahavononana hiatrika sy hanarina ny tenanao.
💬 Efa niaina toe-javatra tahaka izao ve ianao?
Soraty "ENY" na tonga de zarao ny traikefa niainanao.
❤️ Araho sy Abonné-o hatrany ny pejintsika.👍
Andry TSARAHITA ✍️