Mon Vady

Mon Vady Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mon Vady, Digital creator, Mandritsara.

🔵Manampy anao hiala amin’ny ratram-po sy hanarina ny fiainanao aho amin’ny alalan’ny fomba tsotra sy mahomby:
🚀"PROGRAMME REBOND 5D"✅
Araho ny pejy na manorata amiko 📩

💔 NY TENA OLANA TSY HITA AMIN’NY FIFANKATIAVANA…Nisy tovovavy iray antsoina hoe Nosoavina. Tena tia izy, tena nanome fo....
06/05/2026

💔 NY TENA OLANA TSY HITA AMIN’NY FIFANKATIAVANA…

Nisy tovovavy iray antsoina hoe Nosoavina. Tena tia izy, tena nanome fo. Fa isaky ny misy olana kely, dia miandry foana izy hoe ilay sipany no hanitsy azy, hanazava, hanarina ny toe-po.

Rehefa tsy mahazo valiny izy dia tezitra, malahelo, very fanantenana… 😔

Indray andro anefa, nandao ilay sipany.
Tsy hoe tsy tia intsony… fa sasatra.

👉Sasatra mitondra olona iray tsy mbola mahay mitondra ny tenany.

💡 Eto no fahamarinana mafy:
👉 Ny olona tsy manana autodiscipline dia mila olona hanitsy azy foana…
👉 Mila olona hampahery azy foana…
👉 Mila olona hanarina azy foana…

Fa rehefa lasa ilay olona? ➡️ Lasa very ianao.

🔥 Fa ny olona manana autodiscipline kosa:
👉 Mahay mitantana ny fihetseham-pony
👉 Mahay manarina ny tenany rehefa lavo
👉 Tsy miankina amin’olona iray vao mahatsapa hoe “milamina”

Ary izany no mahatonga azy…
👉 Tsy very na dia misy mandao aza
👉 Tsy miankina amin’ny fitiavana hahavelona azy 👉 Fa izy mihitsy no manangana ny fiainany 💪

❤️ Raha tianao haharitra ny fifankatiavana:
Ataovy matanjaka aloha ny tenanao.
Aza miandry olona hanarina anao foana.
Ianaro ny mitondra ny fonao.

✨ Fanontaniana ho anao: Ianao ve ankehitriny…
👉 Miankina amin’olona hanitsy anao? sa
👉 Efa mianatra manangana ny tenanao?

💬 Valio amin’ny commentaire: “AIDE” raha mbola miankina amin'olona na “ENY” raha efa mianatra manangana ny tenanao.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





🔥 "RAHA TSY MIRESAKA IANAO… DIA MAMONO TSY HITA MASO, NY FAHORIANAO."😭Indray andro, nisy Mp tsy hohadinoiko mihitsy.Hoy ...
06/05/2026

🔥 "RAHA TSY MIRESAKA IANAO… DIA MAMONO TSY HITA MASO, NY FAHORIANAO."😭

Indray andro, nisy Mp tsy hohadinoiko mihitsy.

Hoy izy tamiko:
"Raha tsy teo ianao tamin’io andro io… efa namono tena aho." 🥺

Nangina aho… tsy satria tsy nisy holazaina,
fa satria tsapako hoe kay misy aina tena voavonjy… tamin’ny fihainoana fotsiny💔

Ny marina?
Tsy “héros” aho. Tsy “sauveur”.
Fa olona tsotra… nanolo-tena hihaino anao.

🧠 Fa ity no tsy lazain’olona aminao:
Tsy ny fahoriana no mamono anao voalohany…
fa ilay tsy fitenenanao azy.

Mitahiry ao anatinao ianao,
mitelina ny alahelo,
manao hoe “zakaiko io”…
kanefa ao anatinao ao… miangona tsikelikely ny fahasimbana🌪️

👉 Ny siansa aza milaza fa:
Rehefa miteny na manoratra ianao,
rehefa mamoaka izay ao am-ponao…
dia mihena ny enta-mavesatra, milamina ny saina, mazava ny eritreritra.

💬 Ny marina tsotra:
Tsy izay vakinao no manasitrana anao…
fa izay sahinao avoaka.

Ary indraindray…
olona iray mihaino anao am-pahatsorana
dia ampy hanavotra anao.

💛 Izay no antompisian'ity pejy ity: “Mon Vady.”🙏
Tsy hitsara anao. Tsy hanome tsiny anao.
Fa hihaino anao… tena hihaino.

👇 Raha mila olona hiresahana ianao…
na mahatsiaro ho irery, na kivy, na very lalana…

Soraty ao anaty commentaire hoe “AIDE”
Dia hiresaka aminao aho. 🤝

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





💔 “TSY NY FANAMBADIANA NO NAMONO NY FITIAVANA… FA NY TSY FIKARAKARANA AZY INTSONY.” 🔥Nisy vehivavy iray nanoratra tamiko...
06/05/2026

💔 “TSY NY FANAMBADIANA NO NAMONO NY FITIAVANA… FA NY TSY FIKARAKARANA AZY INTSONY.” 🔥

Nisy vehivavy iray nanoratra tamiko alina…

Hoy izy:
“Talohan’ny fanambadiana, izy no lehilahy tsara fanahy indrindra hitako.”

Niantso foana.
Nikarakara.
Natahotra sao very aho.

Fa ankehitriny…
Mangina.
Mangatsiaka.

Toy ny tsy miraharaha intsony. 😔

😶 Ary fantatrao ve ny marina?
❗Tsy hoe niova tampoka izy…
👉 Fa nijanona ny ezaka.

💥 Io no zavatra tsy lazain’ny olona:
👉 Ny fitiavana tsy maty tampoka.
👉 Fa miha-mangatsiaka tsikelikely… rehefa tsy karakaraina.

Rehefa lasa “azo antoka” ilay olona…
❌ Mihena ny attention
❌ Mihena ny respect
❌ Mihena ny effort

Ary amin’izay…
👉 Lasa adidy ny relation
👉 Lasa vesatra
👉 Ary farany… lasa fanaintainana 💔

⚠️ Fa mbola misy zavatra mafy kokoa:
👉 Raha tsy mahafehy ny tenanao ianao
👉 Raha mila olona vao mahatsapa ho misy lanja ianao
👉 Raha tsy manana limite sy valeur ianao

❗Dia mety ho FONJA ny fanambadiana fa tsy FITIAVANA.

😤 Aza atao tanjona ny manambady…
👉 Fa ataovy tanjona ny misafidy olona mety.

✔️ Satria tsy ny halavan’ny relation no zava-dehibe…
👉 Fa ny kalitaony.

💬 Raha mahatsapa ianao fa miha-mangatsiaka ny relation-nao…
👉 Aza miandry ho tapitra vao mihetsika.

🔥 Manorata “AIDE” ao commentaire
👇 Dia hanampy anao aho hahatakatra sy hanarina ny fitiavanao.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





🚨 “RAHA MITIA AHO DIA TOKONY HIARITRA FANITSAKITSAHANA VE?”.😭Nisy vehivavy iray nanoratra tamiko…Hoy izy:“Tiako izy… fa ...
05/05/2026

🚨 “RAHA MITIA AHO DIA TOKONY HIARITRA FANITSAKITSAHANA VE?”.😭

Nisy vehivavy iray nanoratra tamiko…
Hoy izy:
“Tiako izy… fa isaky ny tezitra izy dia manambany ahy. Indraindray aza mahatsiaro ho tsy misy lanjany mihitsy aho.
Fa mbola mijanona aho… satria tiako izy.”

Ary fantatrao ve ny tena mampalahelo?
👉 Tsy izy irery no miaina izany.
👉 Maro no mihevitra fa “fitiavana” ny fiaretana fanaintainana.

Fa aleo hazava tsara:
❌ Ny fitiavana tsy midika hoe miaritra fampijaliana.
❌ Ny fitiavana tsy midika hoe manaiky tsinontsinona.
❌ Ny fitiavana tsy manala ny hasinao.

Raha vao mila manambany anao izy mba hahatsapany fa ambony izy,
Raha vao mila mandratra anao izy mba hijanonanao,

👉 Tsy Fitiavana izany… fa fahazarana manimba anao.

Ary indraindray…
👉 Ny fanapahan-kevitra henjana no hany vahaolana.

Eny, sarotra.
Eny, mampatahotra.

Fa fantaro:
💔 Aleo fo marary vetivety
toy izay aina manontolo very hasina.

Ary raha manana zanaka ianao…
👉 Tsy ny fijanonanao no hiaro azy
👉 Fa ny fanapahan-kevitrao hanaja ny tenanao no hampianatra azy hoe inona ny tena fitiavana.

🔥 Tsarovy: sarobidy ianao. Tsy natao hiaritra fahoriana mandrakizay.

💬 Fanontaniana ho anao:
👉 Efa nijanona tamin’ny toerana nandratra anao ve ianao satria “tia”?
👉 Sa efa sahy nandray fanapahan-kevitra ho an’ny tenanao ianao?

🗣️ Soraty ao commentaire ny “ENY” raha efa niaritra satria tia, na "AIDE" raha vonona hiverina hanaja ny tenanao ianao.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





🔥 “TSY AMPY NY MITIA… RAHA TSY MAHAY MANDRAY!”🤔Nisy vehivavy iray nilaza tamiko…💔 “Izaho manome fitiavana be… fa toa tsy...
05/05/2026

🔥 “TSY AMPY NY MITIA… RAHA TSY MAHAY MANDRAY!”🤔

Nisy vehivavy iray nilaza tamiko…
💔 “Izaho manome fitiavana be… fa toa tsy mahazo mihitsy.”

Fa rehefa nanontany aho hoe:
👉 “Rehefa omeny fitiavana ianao… raisinao ve sa lavinao amin’ny tahotra sy ahiahy?”

Nangina izy.
Izay no olana mahazo olona maro…
❌ Te ho tiana… fa tsy mahay mandray
❌ Manome be… fa tsy mahay mamela ny hafa hanome
❌ Mihevitra fa fitiavana = fijaliana sy fanolorantena tanteraka

🚫 TSY IZANY NY FITIAVANA.
Ny marina dia izao:
💡 Ny fitiavana tsy varotra
💡 Tsy mila tambiny
💡 Fa mila fifandanjana

👉 Raha manome foana ianao nefa tsy mandray… ho reraka
👉 Raha mandray foana ianao nefa tsy manome… ho foana

❤️ Ny fitiavana tena izy dia:
FANOMEZANA + FANDRAISANA = FIFANDANJANA

Fa raha tsy hainao mandray…
⚠️ Dia na olona tsara aza no tonga eo amin’ny fiainanao…
👉 ianao ihany no hanosika azy hiala
Satria matahotra ianao…
Satria tsy mino fa mendrika hotiavina Ianao…

🔥 Ary izany no mahatonga anao mijaly hatrany.
💬 Lazao amiko:
👉 Ianao ve manome be loatra sa sarotra aminao ny mandray fitiavana?

Soraty ao amin’ny commentaire:
"AIDE" Dia homeko anao ny lalana hianaranao mitia nefa tsy very tena ❤️

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





🔥TSY NY FITIAVANA REHETRA NO METY AMINAO… 💔👉misy mampitombo anao, misy kosa mandrava anao tsikelikely.📖 Nisy vehivavy ir...
05/05/2026

🔥TSY NY FITIAVANA REHETRA NO METY AMINAO… 💔

👉misy mampitombo anao, misy kosa mandrava anao tsikelikely.

📖 Nisy vehivavy iray tia mafy. Nanome ny fony manontolo izy, nihevitra fa izany no tena fitiavana.
Saingy isaky ny miaraka izy roa, vao mainka izy very tena, lany hery, ary nitomany matetika irery.
Niezaka nijanona izy satria “tia”, nefa isaky ny mijanona dia vao mainka marary kokoa.
Tsy nahatsapa izy tamin’ny voalohany fa tsy fitiavana nanasitrana no azony, fa fitiavana nanimba azy.

💡Tsy ny fitiavana rehetra no natao hampiadana anao.
Ny fitiavana marina mampitombo ny fahasambaranao, ny fahatokisan-tenanao, ary ny fiadananao.
Fa raha lasa fihenjanana, tahotra, ary ranomaso foana… dia tsy fitiavana manasitrana izany, fa fifandraisana mandrava.

💬 Raha mahatsapa ianao fa efa tao anatin’io situation io na mbola ao, soraty eto ambany “AIDE”.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





❗TANDREMO… MARO NO DISO HEVITRA AMIN’ITY!Nisy vehivavy iray nandefa hafatra tamiko: “Coach… hoy izy tamiko hoe tia tena ...
04/05/2026

❗TANDREMO… MARO NO DISO HEVITRA AMIN’ITY!

Nisy vehivavy iray nandefa hafatra tamiko: “Coach… hoy izy tamiko hoe tia tena aho… satria nisafidy ny handao azy aho.
Fa izaho kosa reraka… marary… very tanteraka…”

Ary fantatrao ve ny marina?
👉 Tsy tia tena izy… fa vao manomboka mitia ny tenany.

💔 Nijanona ela loatra izy…
Nilefitra…
Nandeha tamin’ny zavatra tsy nahasoa azy… Nampandefitra foana ny fiainany mba hitazonana olona iray…

Fa tamin’ny andro iray…

💥 Nifidy ny tenany izy.

Ary dia nantsoina hoe:
❌ “tia tena”
❌ “niova”
❌ “tsy tia intsony”

NEFA…
👉 Ny mitia ny tena dia:
✔️ Mahalala hoe rahoviana no “ampy izay”
✔️ Tsy manaiky ho voahitsakitsaka intsony
✔️ Misafidy fiadanam-po fa tsy fijaliana

Fa ny tia tena kosa:
❌ Tsy miraharaha ny hafa mihitsy
❌ Mandratra olona mba hahazoany izay tiany
❌ Manao ny tenany ho ambony foana

⚠️ Aza afangaro ireo.
Indraindray…
Rehefa manomboka manaja ny tenanao ianao… 👉 Dia misy olona tsy mahazaka izany intsony.

Satria zatra anao mangina
Zatra anao manaiky ny ratsy
Zatra anao mijaly nefa tsy miteny

💡 Fa rehefa miova ianao…
Dia lasa “olona ratsy” tampoka eo imason’izy ireo.

👉 Fa aleo ve ho “ratsy” amin’ny mason’olona… toy izay ho very tanteraka ao anatinao?

🔥 Ny marina tsy tian’ny maro ho re:
Tsy maintsy misy olona ho diso fanantenana… rehefa manomboka misafidy ny tenanao ianao.

💬 Ankehitriny, valio am-pahatsorana:
Efa nisy ve fotoana nantsoina hoe “tia tena” ianao… nefa ny marina dia niaro ny fonao fotsiny Ianao?

👇 Soraty hoe:
“ENY” raha manomboka misafidy ny tenanao ianao.
❤️ Ary aza adino…
Indraindray,
👉 Ny fanapahan-kevitra mamonjy anao… no tsy takatry ny hafa.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





🔥 “TSY TE HO SITRANA AKORY IANAO… FA TE HO FANTATRA FOTSINY HOE MIJALY!”😡😭Misy zavatra mila lazaina mivantana…Misy olona...
04/05/2026

🔥 “TSY TE HO SITRANA AKORY IANAO… FA TE HO FANTATRA FOTSINY HOE MIJALY!”😡😭

Misy zavatra mila lazaina mivantana…

Misy olona milaza hoe :
💔 “Coach, tena mijaly aho… tsy zakako intsony… potika aho…”

Fa rehefa omena fotoana sy vahaolana…
👉 TSY TONGA.
👉 TSY MAMPANDRE.
👉 MANJAVONA.

Dia avy eo miverina indray : 😭 “Coach, mbola mijaly aho…”😡

❗ Fa aiza ny fahavononanao hiova?
Ny fahasitranana tsy vitan’ny fitarainana.
Tsy vitan’ny hoe mitady “fampiononana” fotsiny.

👉 Mitaky fanajana fotoana
👉 Mitaky fanapahan-kevitra hentitra
👉 Mitaky andraikitra amin’ny fiainanao

Tsy afaka hanampy anao aho… raha ianao aza tsy manampy ny tenanao.

Aza adino :
👉 Tsy misy olona hanaja anao, raha ianao aza tsy manaja ny hafa, ny fotoana sy ny teny nomenao.

💡 Raha tena leo mijaly ianao, dia mifohaza, mandray andraikitra, ary mijanòna ho matotra amin’ny dingana raisinao.

👇 Lazao amiko : Te hiova ve ianao sa mbola hiandry “rahampitso” foana?

Soraty "ENY" raha mbola hiandry rahampitso, na "AIDE" raha tena vonona ny hiova😥

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





💥 “NANINONA NO TSY NAMBARA TAMIKO IZAO TALOHANY?....” 💔Nisy vehivavy iray nandefa hafatra tamiko… Hoy izy:“Coach… tiako ...
04/05/2026

💥 “NANINONA NO TSY NAMBARA TAMIKO IZAO TALOHANY?....” 💔

Nisy vehivavy iray nandefa hafatra tamiko… Hoy izy:
“Coach… tiako izy. Tena tiako. Fa isaky ny miresaka izahay dia toa misy olona fahatelo foana eo anelanelanay…”

Fantatrao ve ilay marina mampangirifiry?
👉 Tsy hoe olona fahatelo… fa “zaza efa misy” ao amin’ny fiainany.

Ary teo aho vao nilaza taminy hoe:
“Raha miditra amin’ny lehilahy efa manan-janaka ianao… dia tsy miditra amin’ny fitiavana fotsiny.

Miditra amin’ny fiainana efa natomboka.”

⚠️ Ireto no zavatra maro tsy lazaina mialoha… fa mahatonga ratram-po rehefa tara loatra:
👉 1. Tsy ianao no ho laharana voalohany
Na dia tia anao aza izy… ny zanany no voalohany.
Ary raha tsy ekenao izany… dia ianao no ho marary.

👉 2. Tsy tapaka ilay rohy amin’ny renin-janany
Mety tsy mifankatia intsony izy ireo…
fa mbola mifandray foana noho ny zanaka.
👉 Mahazaka izany ve ianao? Sa ho lasa fialonana sy ady isan’andro?

👉 3. Tsy ho “sipa” fotsiny ianao… fa mety ho “reny fanampiny”
Tsy mora ny mitia zaza tsy naterakao.
Indraindray aza ianao no tsy ho ekeny avy hatrany.
👉 Vonona hiatrika izany ve ianao?

👉 4. Tsy fitiavana tsotra… fa adidy sy fahamatorana
Tsy ampy intsony ny hoe “tiako izy”.
👉 Mila faharetana, fahendrena, ary fo mafy.

👉 5. Fanontaniana iray tsy azo ialàna:
✔️ Vonona hizara azy amin’ny zanany ve ianao?
✔️ Mahazaka ny lasany ve ianao… tsy hanameloka azy?
✔️ Afaka mitia tsy misy fepetra ve ianao?

💡 Ny marina:
Ny fitiavana matotra tsy mifidy toe-javatra tonga lafatra…
fa manaiky ny zava-misy, na dia sarotra aza.

❤️ Fehiny:
Tsy ratsy ny mitia lehilahy efa manan-janaka…
fa tsy ho an’ny olona mbola mitady “fitiavana mora”.

👉 Raha tsy vonona ianao… dia ho ratra no ho azonao.
👉 Fa raha matotra ianao… mety hahita fitiavana lalina kokoa noho izay noeritreretinao.

🔥 Fanontaniana ho anao:
👉 Afaka mitia lehilahy efa manan-janaka ve ianao? Sa tsy ho zakanao mihitsy?

💬 Valio amin’ny commentaire: “ENY” na “TSIA” + antony
👇 Andao hifanakalo hevitra… satria maro no miaina izany mangina.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





03/05/2026

Une de mes publications a obtenu plus de 700 réactions la semaine dernière. Merci à tout le monde pour votre soutien ! 🎉





💭 “BETSAKA NY TORO-HEVITRA MAIMAIM-POANA… MITONDRA FIOVANA VE? ...NEFA🤔.”Indray andro, nisy vehivavy iray nanoratra tami...
03/05/2026

💭 “BETSAKA NY TORO-HEVITRA MAIMAIM-POANA… MITONDRA FIOVANA VE? ...NEFA🤔.”

Indray andro, nisy vehivavy iray nanoratra tamiko:
👉Coach! “Vitako tsianjery ireo publication não sy ireo conseil nomen'ny namako ahy, fa mbola mijaly foana aho… nahoana?”

Ary io no tena marina mahakasika olona maro ankehitriny.

📌 Ny conseils gratuits dia toy ny boky misokatra:
Mahafantatra ianao fa “tsy tokony hiankina amin’olona”
Mahafantatra ianao fa “tokony handroso”
Mahafantatra ianao fa “tokony hiala amin’ny relation toxique”

Fa rehefa tonga ny alina…
👉 mbola mitomany ianao
👉 mbola miverina mi-text an'ilay olona
👉 mbola very lalana ianao

Satria ny conseil maimaim-poana dia manome fahalalana, fa tsy manala ny fanaintainana ao anatinao.

💡 Ny accompagnement payant kosa dia tsy resaka “fandoavam-bola fotsiny”.
Fa:
olona miaraka aminao amin’ny dingana tsirairay
manampy anao handrava ny firaiketana tsy hita maso
manampy anao tsy hiverina amin’ilay cycle mampijaly anao
manara-maso ny fandrosoanao tena izy

⚖️ Ny fanontaniana lehibe dia izao: Te hahafantatra fotsiny ve ianao… sa te hiova marina?

Satria ny fahalalana tsy ampiharina dia lasa enta-mavesatra fotsiny.

💬 Soraty ao amin'ny commentaire ny hoe: "ENY" raha tehafantatra fotsiny na "AIDE" raha te hiova.

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





🔥 “TSY NY FOTOANA NO OLANA… FA IANAO MBOLA MANANTENA OLONA EFA NANDRATRA ANAO!”💔Nisy olona iray nandefa hafatra tamiko i...
03/05/2026

🔥 “TSY NY FOTOANA NO OLANA… FA IANAO MBOLA MANANTENA OLONA EFA NANDRATRA ANAO!”💔

Nisy olona iray nandefa hafatra tamiko indray andro:

“Coach… efa ela no nisarahanay… fa mbola marary fo foana aho… nahoana?”

Fantatrao ve ny valiny tena maharary?
👉 Satria tsy mbola nanapa-kevitra ianao.

Tsy hoe tsy te ho sitrana ianao… Fa mbola misy ampahany ao anatinao mifikitra mangina.

Mifikitra amin’ny:
fahatsiarovana mamy taloha 🥲
resaka efa nifarana
fanantenana tsy hiverina intsony

Ary indraindray aza…
👉 Tianao hiverina ilay olona, na dia efa nandratra anao aza.

💥 Ary eto no olana:
Tsy ny ratram-po no tsy mety miala…
👉 Fa ianao no mbola tsy mamela azy hiala.

Eny, mafy io. Fa marina.
Satria:
mbola miverimberina jerena ny conversation taloha 📱
mbola manaraka azy any anaty réseaux 👀
mbola miandry “message iray” hanova ny zava-drehetra 💔

👉 Dia ahoana no hanasitrananao tena… raha mbola misokatra foana ilay ratra?

⚠️ Henoy tsara:
Ny fanasitranana tsy miandry fotoana.
👉 FA mitaky fanapahan-kevitra hentitra.

Ilay hoe:
❗ “AMPY IZAY!”
❗ “Tsy hiverina amin’ny maharary ahy intsony aho.”
❗ “MISAFIDY NY HI-AINA INDRAY AHO.”

Satria:
👉 Tsy ny fotoana no manasitrana anao…
👉 Fa ny SAFIDY raisinao isan’andro.
Na dia miadana aza… Na dia mbola marary aza… 👉 Rehefa manapa-kevitra ianao, dia manomboka miala tsikelikely ny ratram-po.

💬 Fanontaniana ho anao: Inona ilay zavatra mbola tsy sahinao avela hatramin’izao?

👉 Soraty amin’ny commentaire hoe:
“AIDE” raha te hanomboka hiala amin’izay maharary anao ianao.

Na raha mbola sarotra aminao…
👉 Zarao eto ambany ny zavatra tsapanao.
Tsy irery ianao. ❤️

❤️ Araho hatrany ny pejintsika.👍

Andry TSARAHITA ✍️





Address

Mandritsara
415

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mon Vady posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share