11/06/2025
ZAZAVAVY 4 TAONA - MATY NOHO NY FANARARAOTANA ARA-NOFO tao amin'ny KAOMININA ANTOBY EST DISTRIKA MIARINARIVO :
Zanak’olona monina ao amin’ny tanànan’i Maromanana Kaominina Antoby est ity zazavavy kely efatra taona ity ary tovolahy 23 taona, mpiara-monina aminy ihany no nanao herisetra taminy.
Ankizy mianadahy, mitovitovy taona izy ireo no niara-nilalao teo an-tokontany, ny tolakandron’ny alahady 08 Jona teo. Nanatona ilay tovolahy 23 taona ary nitondra azy mianadahy nankany an-tsaha, tsy lavitra ny tanàna . Tany no nanamparany ny filany tamin’ilay zazavavy kely.
Ora vitsy taty aoriana vao taitra ny renin’ilay zazalahy kely mpiara-milalao rehefa tsy nahita ilay zazavavy. Io zazalahy kely io no nanoro ny toerana sy nanonona ny anaran’ilay tovolahy nanao herisetra. Vatana mangatsiaka sy nivoa-dra ary niboridana no hita teny an-tsaha ary nisy ratra ahiana ho nokendaina teo amin’ny tendan’ilay zaza. Nentina namonjy tobim-pahasalamana tany amin’ny renivohitry ny kaominina Antoby izy ary naverina ao amin’ny fianakaviany nony avy eo. Nandositra kosa ilay tovolahy nanao herisetra ka tany amin’ny FKT Soanierana, làlana tokony ho an-tsasakadiny no tratra. Saiky niharan’ny hatezeram-bahoaka izy tamin’io fotoana io, saingy efa tonga ireo zandary avy ao Miarinarivo, nisambotra sy nanao ny fanadihadiana.
Notanana tao amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena ary hatolotra ny fitsarana Miarinarivo anio Alarobia 11 Jona 2025