05/09/2026
🌟 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 🌟
♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : Mahaiza mifankatia fa tsy hananana fahefana ny fotoana. Araraoty ny tontolo andronao anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 10
♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : Ary raha mamorona drafitra kely indray ho an’ny anio…? Ho tsara izany raha tanteraka.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 3
♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : Rehefa tsy eo foana ny zavatra iray vao hahatsiaro azy ianao. Aaraoty dieny mbola eo aminao daholo ny rehetra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 4, 21
♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : Mety hiteraka zavatra hafa raha tsy hajainao ny fotoana rehetra efa napetraka anio. Tandremo ny fahatarana fa tsy hahafaly ny akaiky anao izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 6
♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : Aza anariana ny akoho tamana an-trano raha mbola zavatra mandalo fotsiny.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 9, 12
♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : Asio tanjona amin’izay ilay fiarahana. Aza avela handeha fotsiny fa mitadiava amin’izay fomba hahazoana vokatra tsara.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 10
♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : Tambitamby, resaka, fanatonana ary fahalinana avy aminao no ilainy. Efa voalaza taminao izay ka dia hampiharo anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 19
♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : Ny marina amin’ny hafa tsy voatery ho marina aminao, samy manana izay inoany ary ianao no mahafantatra izay tena mety aminao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 1, 23
♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : Mpifankatia tsy mifamarafara hono, ady no hiafarany. Mahaiza miresaka, mahaiza mifanakalo hevitra ary mahaiza mizara.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Volontany
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 7
♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : Inona no tena tianao? Io fanontaniana io no apetraho anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 2, 50
♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : Izay mbola tsy hita aleo ho any fa hiaino aloha ny anio. Tadidio fa miserana ihany ny fotoana fa tsy maharitra ela akory.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 13
♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : Safidy ny fiainana! Io vokatra azonao io dia vokatry ny safidinao tany ho any ihany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 20, 4
…………………
🚀 Zarao ary araho hatrany ny pejintsika.