Hajaniaina Patrick: Maître de cérémonie

Hajaniaina Patrick: Maître de cérémonie Ny tsara vitako niany ifagnoezako amaray

29/09/2025
12/09/2025

12/09/2025

NY EZAKA VITA NIANY ATSARAIGNY AMARAY

19/08/2025

Sombintsombiny hely ta Digô tagny

Ity no laha-teny nataon'ny HAJANIAINA Patrick tamin'ny famindram-pahefana natao tamin'ny délégué au Maire vaovao tao Dza...
17/04/2025

Ity no laha-teny nataon'ny HAJANIAINA Patrick tamin'ny famindram-pahefana natao tamin'ny délégué au Maire vaovao tao Dzamandzar izay nalaina tao amin'ny pejiny.

"Tanteraka iny ny famindrako fahefana tamin’ny maha délégué au Maire d’arrondissement Dzamandzar ny tenako amin’ny délégué vaovao
Koa isaorako erampo erantsaina ny vahoaka ny boriborin-tany Dzamandzar tamin’ny fiarahana sy fanajana ireo lamina rehetra napetrako izay nahatsara ny tananantsika nandritrany izay 04 efatra taona nitondrako zay.

Ampitiavana ihany Koa no isaorako an’i Ben’tanana teo aloha Atoa VITA Gilbert izay natoky ahy ka nanendry ny tenako tamin’ny maha délégué. Tsy ho voavaliko izany fitiavanao zany zoky be fa Tompo anie hamaly fitia.
Isaorana ihany Koa ianareo mpiaramiasa tamiko rehetra na tao amin’ny Birao na ivelany, indrindra i Stephanie Hanitriniaina izay teo fona nanohana anahy

Mitsodrano ny délégué au Maire vaovao ny tenako mba hahavita soa ny andraikitra makadiry izay napetraky ny fanjakana taminy.

Koa dia mametraka veloma mandrapihaona vetivety aminareo , satria hanohy fianarana kely momba ny administration FITANTANANDRAHARAM-PANJAKA ny tenako mba hafahafa hitondra ezaka mafimafy ho an’ ity firenenantsika ity eny amin’ny sehatra ambonimbony.
Na izany aza raha misy ny ilany koaminina sy arrondissement ny tenako indrindra fa ny ara-tsosokevitra dia vonona hanome ny tsara rehetra avy aty amiko aho.

Mankasitraka tompoko!

Nisokafana omaly 16 Janoary ny  fotoam-pitsarana vaovao ho amin’ity taona 2025 ity, natao tetsy  amin’ny Fitsarana Tampo...
17/01/2025

Nisokafana omaly 16 Janoary ny fotoam-pitsarana vaovao ho amin’ity taona 2025 ity, natao tetsy amin’ny Fitsarana Tampony,Anosy.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Atoa Rakotomandimby Benjamin Alexis, niaraka tamin’ireo lehiben’andrimpanjakana sy ny olo-manankaja maro eto amin’ny firenena.

Nitohy tamin'ny fametrahana sy fianianana nataon’ny mpikambana avy amin’ny Antenimierampirenena izay handrafitra ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice).

Marihina fa miisa 11 ny mpikambana anatin’ny Fitsarana Avo ka anatin’izany ny solombavambahoaka roa tompon-toerana sy solombavambahoaka roa mpisolo toerana. Ireto avy izy ireo:
- Andriamatoa ANDRIANIRINA Narcis voafidy tao Mahabo
- Andriamatoa MAMINIRINA Jolce Emilien voafidy tao Manakara
- Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco voafidy tao Lalangina
- Ramatoa RABY SAVATSARAH Ain'Harimanga Gabrielle voafidy tao Farafangana.

Nanome voninahitra izany fotoana izany niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena Andriamatoa Filohan'ny Antenimierampirenena TOKELY Justin.

Fanamafisana ny maha-tany tan-dàlana an'i Madagasikara ny fisian’ ny Fitsarana Avo, koa na ny mpitondra fanjakana na ny vahoaka dia samy hitovy zo eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana mahaleo tena

Fanadihadina: Nosy Actualité
Sary:

"AIZA NY ANJARANAY NOSY BE? io no fanontanian'ny mpanarabavao rehetra avy eto  Nosy Bé Hell Ville raha nahita ny hetsika...
16/01/2025

"AIZA NY ANJARANAY NOSY BE?

io no fanontanian'ny mpanarabavao rehetra avy eto Nosy Bé Hell Ville raha nahita ny hetsika fanampina ireo Traboina tamin'ny fandalovan'ny rivodoza DIKELEDI izay nataon'ny Fanjakana tany amin'ny faraitra sasany aty avaratra ny Nosy.

Tsara ho fantatra mantsy fa manomboka midina ifotony ny fitondram-panjakana,mijery sy mitondra fanampiana ireo Traboina tamin’ny rivodoza Dikeledi.

Anisany efa nahazo anjara tamin’izany ny tao amin’ny Distrikan’i Vohémar, Ambilobe, Antsiranana II ary Antsiranana I.

Nanolotra sakafo sy fampitaovana azy ireo ny fitondram-panjakana miampy kojakoja ilaina andavan’andro. Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo nozaraina vary, menaka, voamaina sy ny siramamy, tafo fanitso…sns.

Tanjona hapetraka ny hamerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny mponina,izay tra-pahavoazana nandritra ny fandalovan’iny rivodoza iny, indrindra fa ny any amin'ny Faritra SAVA sy DIANA, izay nitondra takaitra mafy.

Ho jerena ihany koa ny hametrahana vahaolana maharitra sy izay mety ho vonjimaika kanefa hanala fasahiranana ny mponina .

Arak'izany rehetra izany dia andrasana ny mety ho anjaran'ny Mponina eto Nosy Be amin'ny ity vohin-kava mahatratra ity.

Fanadihadina: Nosy Actualité
Sary: Bebel Betombo

SANATRIA METY HISY FIFANDONANY SAMY MITAM-BASY VE ? ⛔⛔⛔⛔___________&&&&&&___________taorian'ny fanambarana nataon'ny Col...
16/01/2025

SANATRIA METY HISY FIFANDONANY SAMY MITAM-BASY VE ? ⛔⛔⛔⛔
___________&&&&&&___________
taorian'ny fanambarana nataon'ny Colonel Charles ANDRIANASOAVINA tao amin'ny Tambazotra serasera omaly 15 Janoary atoandro izay nilaza sy nanakiana mafy ny fitondra dia ny ariva iny ihany no nanao fanambarana ny avy amin'ny Fanjakana

Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin,Minisitry ny Foloalindahy, nanao fanambarana fa:
"Tsy handefitra manoloana ny fihetsika miharo fihantsiana ataon’ity manambonahitra ambony izay efa nitsoaka an-daharana teo anivon’ny Tafika malagasy ity, hoy ny Minisitra (MFA) , raha nanao fanambarana,tetsy amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy, Ampahibe io hariva io.

Tsy maintsy hametraka fitoriana an’i kolonely Andrianasoavina Charles amin’ny fitsarana mahefa ny Foloalindahy malagasy,hoy izy.

« Miendrika fanakorontanana sy fampisavorovoroana saim-bahoaka ary firaisana tsikombakomba amin’ny fiantsoana fikomiana ary faniratsirana ny filohan’ny repoblika,izay lehibe faratampon’ny Foloalindahy sy ny Foloalindahy, ireo voalazany ireo ka tsy ekena ary tsy maintsy handraisana fepetra hentitra, satria manohintohina ny filaminam-bahoaka ary mifanapaka amin’ny lalàna misy eto Madagasikara » : hoy ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy.

Mampitandrina ihany koa ho an’ireo rehetra izay mbola manam-pikasana hanao fanehoan-kevitra mitondra fanakorontanana

Fanadihadina: Nosy Actualité
Sary: indrana

Tontosa omaly 15 Janoary  tany Nairobi Kenya ny atsapaka fizaram-bondrona ho an'ireo hiatrika ny « CHAN 2024 ». Tamin'iz...
16/01/2025

Tontosa omaly 15 Janoary tany Nairobi Kenya ny atsapaka fizaram-bondrona ho an'ireo hiatrika ny « CHAN 2024 ».

Tamin'izany no nahafantarana fa ao amin'ny vondrona "B" no misy ny Barean'i Madagasikara, izay miaraka amin'i Tanzanie, Mauritanie, Burkina Faso ary Centrafrique.

Tombanana ho vondrona fahafatesana kosa ny "A", ahitana an'i Kenya, Maroc, Angola, Zambie ary République démocratique du Congo

Reportage Nosy Actualité
Photo

Address

Route D'Andilana
Nosy-Be
207

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hajaniaina Patrick: Maître de cérémonie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share