16/10/2025
MISTERY MIAFINA AO ANKARATRA
Fanahin'ny Ancestrô sy ilay vavahady ho any amin'ny tontolo hafa. Ao amin'io tendrombohitra Ankaratra io, misy vavahady miafina mankany amin'ny tontolo hafa, tontolon'ny maty, tontolon'ny fanahy avo, sy ireo zava-miafiana tsy takitrin'ny sain'olombelona.
Misy lohasaha sy lavaka zay ao anaty tendrombohitra ao, ary
Manjavona izay olona miditra ao na tonga dia tsy miverina intsony .
Misy tafaverina ihany, fa tsy mahatsiaro izay zavatra rehetra niseho tao.
Fady tanteraka ao ny miteny ratsy sy mijery masiaka an'ireo toerana toy ny vato mendrika ho biby.
Rehefa miditra amin'ny toerana masina, dia tsy maintsy manadio tena ara-pomba.
Misy faritra izay ao tanin'Andriamanitra, ka rehefa manitsakitsaka tsy ham-pahendrena.
Mety hiharan-doza, hahita zavatra matsiravana sy fisehon-javatra tsy azo hazavaina.
Ao amin'ny faritra manodidina ny Ambohimandroso sy Andranomafana, misy lohasaha sy lavaka feno rano izay, otrany fitaratra manjavona io rehefa jerena.
Raha manakaiky azy amin'ny alina, dia mahita tarehy an'olona hafa sy feon'olona miantso avy ao anatin'io rano io.
Misy vato sy hazo manana fanahy koa ao.
Mihetsika ireo rehefa amin'ny alina, manome famantarana rehefa misy loza ho avy, mitondra hafatra ho any mpanazava sy ireo mpanandro.
Misy toerana miafina kely zay ao, rehefa Alarobia sy zoma alina ao ireo mpamosavy sy fanahy ratsy no mivory.
Misy endrika biby tsy mazatra ny maso ao, maheno feo mitaraina avy ao anaty zavona zany enao, fanahy tsy hita maso fa tsapanao hoe misy.(manempotra, mampivarilala sy mankaleo tampoka).
Fa afa indray ilay ary amin'ny afo tsy mety maty, afo matory no fiantsony Ntaolo azy.
Anaty vato misy aina, anaty tany misy fanahy.
Rehefa eo an-tampony eo ianao, dia mahatsapa hery manokana izany.
Tsy hitany maso, anefa tena manafosafo izany.
Raha mitomany am-panetretena eo ianao, tsy mivery miaina intsony, mety manjavona tampoka mihitsy aza.
Brayan jay ✍️