Cla.DS

Cla.DS 🫂👀💖L'echec donne des leçons qui mènent à la reussite💖

Raha nisafidy anao ny fonyRaha nisafidy anao ny fony dia mba hajao tsaraTsy hoe ianao akory no tonga lafatra fa...Nomeny...
10/06/2026

Raha nisafidy anao ny fony

Raha nisafidy anao ny fony dia mba hajao tsara
Tsy hoe ianao akory no tonga lafatra fa...
Nomeny ho soratanao ilay tantara
Tadidio anefa fa tsy gisitra izy akory ka...
Hanome anao tanteraka ireo takelaka sy penina..
Raha tsy hahay hanoratra ianao mety ovainy ka ho adinoany tanteraka😏

Raha nisafidy anao ny fony dia tadidio fa ianao lay mba notiaviny
Nomeny sehatra mba tsy hilalao ny fitiavany
Dia ny hany faniriny ny anareo ho doria
Fa tsy ilay laka-kely mora rendriky ny onjan'ny fitia

Tano ny azo fa sarotra ny mila
Lay fitiavana omeo fa aza hafilafila
Ianao lay mba hantenainy ho tohana sy hery
Raha sendra mba lavo izy aza avela ho irery
Meteza mba ho modely ho reherehany
Satria raha nisafidy anao ny fony,..!?
Izany rehetra izany no antenainy

R.Cla.DS✍️✍️10.06.26 -> 9h24

Menarana 🐍Raha samy biby dia fetsy dia fetsyMiolakoladia no misoko mora foanaMakamaka tandrify njay tsy fantatra fisinaM...
20/01/2026

Menarana 🐍

Raha samy biby dia fetsy dia fetsy
Miolakoladia no misoko mora foana
Makamaka tandrify njay tsy fantatra fisina
Mandrapaka tampoka no manempotra izay hazany....de izay hatrany ny fiainany...🥱😒

Moa biby ihany va?lay menarana 🥺🐍

Ankehitriny dia aleo mihaona am tena menarana
Lay biby dia hita ho fiarovana
Fa ny amin'izao fotoana mantsy hiaraha-malala
Hoe maro ilay manana fo-menarana💔😩
Mody manakaiky mampiseho fitiavana
Mandangolango milaza ho tena namana
Sahy mifampizara ny manta sy ny masaka
Poizina bé iny,fa tandremo rahavana🥶🤓

Menarana.....

R.Clavis.DS✍️✍️

Mon amour 🥺🥰Mon bbey🌹💓Je veux que tu t'en souviennes 🥺 Que chaque jour et chaque matin🤩Tu es la première que je veux voi...
06/01/2026

Mon amour 🥺🥰Mon bbey🌹💓

Je veux que tu t'en souviennes 🥺
Que chaque jour et chaque matin🤩
Tu es la première que je veux voir 🙈
Avant de me lever sur ce lit🥰🥹
Tu es cette force qui me pousse en avant 🙃☺️
D'affronter même l'impossible 💪
Tout ça pour la joie🤹🏄
Pour toi et nos enfants à l'avenir 🥳🥳🥰

Oh mon bbey..je veux que tu t'en souviennes
Que malgré cette distance
Mon amour est immense
Pour supporter la souffrance
D'y voir les autres amoureux
Chaque jour/semaine/mois à côté des siens
C'est pourquoi cela me fait le grand bien
D'entendre ta douce voix

Aucune chose ne me fait le plus grand bien
Que d'être dans tes bras 🫂🔥
De sentir tes caresses 🤩🥰
De ton baisé de tendresse 🥹🙈

Ma chérie 🥺 je veux que tu me fasses confiance..
De ce que je fais d'ici
Car jamais je ne change guère ta place
Même pour une seule nuit
Car toi tu mérites le respect
D'une bonne amour et fidélité
Et c'est pourquoi j'y refuserais
Une rencontre à des tentations

Ma futur 🤩💓gravé ça dans ton di.co
Que t'es la seule qui fait vibrer mon cœur
Qui la fait battre la chamade
D'un seul regard de tes yeux
Alors bbey,je veux que tu t'en souviennes
Qu'un jours viendra
Je me stopperai un peu pour demander ta main
Vers notre bonheur que j'imaginerai sans fin

R.Clavis.DS✍️✍️- 6/01/26 05h49min

Kamboty🥺Raha ny sitrapony dia teo anilan'izany DadaHo hery fiankinana sy hiantahantanaFa notakonan-drahona lay masoandro...
28/10/2025

Kamboty🥺

Raha ny sitrapony dia teo anilan'izany Dada
Ho hery fiankinana sy hiantahantana
Fa notakonan-drahona lay masoandro ka nidify
Dia dada tsy hita mandrak'ankehitriny

Raha ny faniriny dia ankilan'ilay hoe Neny
Mpaneho fitiavana tsy misy fetra izy ireny
Manoro hevitra sy hany fitarainanana
Kanefa indrisy nosomaparan'ny fiainana

Dia nantenainy Ilay mba nisy mpiahy
Indrisy fa tantely afa-drakotra kay
Voahilikilika fa hoe vatolampy mifatotra ambozonana
Mirenireny tsy mba amin'ny ankohonana

Noekeny ny toerany hoe hatreo
Fa hiadiany hiovan'ny ampitso
Ka hoy izy hoe:"izao no kamboty tsy misy mpiahy"
Fa lay hahilika tsy haharitra mandrakizay

R.Clavis.DS

Fitaka🥺😅Tsy jamba aho akory na koa hoe adala🥺Ka tsy mahita ilay endrikao ivelany ry malala😥Aodikodinao ny resaka toa hoe...
27/10/2025

Fitaka🥺😅

Tsy jamba aho akory na koa hoe adala🥺
Ka tsy mahita ilay endrikao ivelany ry malala😥
Aodikodinao ny resaka toa hoe hanabado🙄😒
Fa zaho koa mba teny Ambohitsaina nandrato fa tsy teny Ankatso👀

Malaindai-miteny ianao tsy dia be resaka😤
Tsy tia kasikasiana manisy elan'elana😔
Milaza foana ny tsy afaka,tsy manana fotoana😭
Hay any aminy no mazoto mihaona💔❤️‍🩹

Milaza Tia ahy,tsy mahafoy sy ny sisa...
Izany no hasetry fa Léo ny disadisa
Toa gaga aho hoe angaha tsy za no taloha
No aty no hanjaitra lay ratra anareo roa?

Mifona aki a,mifona bé dia be
Fa izaho koa mba Léo,Léo ny fitak'ise
Tsy mba misy angamba ny olona atao takotra ihany
Tsy hihaino fofona fa hanana ny anjarany any ho any

R.Clavis.DS✍️✍️🥂

Malala...🥺Aza tsiny raha mby toa zaza👶🤽Njay notaizaina ka lasa tamana💆Naharay mamy kely ka ity toa nifikitra❤️😻Tsy te hi...
17/09/2025

Malala...🥺
Aza tsiny raha mby toa zaza👶🤽
Njay notaizaina ka lasa tamana💆
Naharay mamy kely ka ity toa nifikitra❤️😻
Tsy te hiala eo na dia ho ahilika😤😒😂

Malala o!🥺🤒
Raha ny tsy fahatomombanana olona👀
Aza hitsarana fa ny fo tsy mba mamorona🙈
Ety antany mantsy bé ny maha solafaka🙍
Kanefa ny ao am-po dia ianao no tonga lafatra😍

Malalako😍🥰
Raha ny faniriko moa tsy miafina aminao 😘
N'inon'inona mianjady sanatria lay hoe handao🙄
Na paradisa🥰🤩na helo no mandalo amitsika🥺😭
Hiaraha-mamaha ankoatr'lay fifamantoran-tsika👫👩‍❤️‍👨

Ka 'lay voalaza tsy anteny fotsiny ihany🤫
Fa mety tsapanao manara-pihetsika eny🙈
Mijeijery ihany no ataoko fa bé ny te hiserana😁
Kanefa eo aminao aho ilay voro-manga tapak'elatra🥰😂

R.Clavis.DS✍️✍️🥂 17/09/25 17h28

💔😭NENINA😭💔Raha mba nisy fandinihako kely mantsyNa koa nanaja ilay voady tany aloha Dia mety tsy nisy an'izao velively Na...
04/03/2025

💔😭NENINA😭💔

Raha mba nisy fandinihako kely mantsy
Na koa nanaja ilay voady tany aloha
Dia mety tsy nisy an'izao velively
Na ilay ferapara anao no mipetraka etsy aloha

Raha nanopy ny masoko lalan-kafa aho
Ka nibanjina ny hoavin-tsika hatrany
Dia mety tsy hividy lamba izao aho
Ilay hamono anao ambanin'ny tany

Raha nisy fiverenan-kevitra
Nanosika ahy ny handà
Dia tsy namositra ilay mba nanomé
Fitia tsy ho voavaly ho ahy

Fa izao mantsy dia tara loatra
Ilay fifonako tsy ho réhinao
Na Ilay feoko izay misento misen-drotra
Miantsoantso ny anaranao
"Hoe mifoaza Malala 🥺 mifoaza
Fa efa niova ilay maditranao
Tsy hamerina na intsony ireny adalana
Satria miavaka ny anilanao
Saingy tara loatra mantsy e😢
Ilay fatongavan-tsaiko izao
Dia ho neniko mandra-pahafaty
Ny hoe :"noho ny amiko ny nahalasa anao"

Ampy Zay ka,,sao ataonareo nis Inona eo😂😂
----"inspiration avy tamle sary e""...

R.Cla.DS✍️✍️✍️

🥺Eto ihany mantsy Aho🥺Eto ihany mantsy Aho no hitazatazana Anareo roa 'lay migoka hamamianaEto ihany mantsy aho no mamin...
17/12/2024

🥺Eto ihany mantsy Aho🥺

Eto ihany mantsy Aho no hitazatazana
Anareo roa 'lay migoka hamamiana
Eto ihany mantsy aho no maminavina
Hoe hahoana raha isika roa no hiaina ilay fifaliana

Fa 'lay toerako mantsy no mby nomenao azy iny
Ilay nofikirino mafy nefa noesorinao tamin-kery Aho ka tafiala....
ENY e....eto ihany mantsy Aho...😢
De mitazana ilay angolam-pitiavanao🥺💔

De akory atào mo izy ity fa...
'lay tantarantsika ity de nivalona sahady
Lay hoe hafeno boky kanefa toa takelaka Fotsy😢
Sa ve we mba tsy fototra koa Aho fa MBA ravaka ihany ka...niserana fotsiny😱😭
De eto ihany mantsy Aho, miantsahantsa ilay vinavinako fahiny

R.Cla.DS🤗✍️✍️

12/11/2024

😍🥺ETO AMPIANDRASANA🥺😍

Eto ampiandrasana ilay vahiny kely Aho
No mitaintaina
Manontany tena hoe aiza ihany na amin'ny firy any🥺

Miodikodina atsy mantsy tsy mandrimandry atao
Miasa saina mafy ny amin'ny hitongavanao🤔😤

Fa ny heriko manontolo aza tsy matohana ahy
Izy izay alohako mou mitaintaina hatrany
Fa tsy mahatsirambin-javatra aho fa miasa saina anao
Mieritreritra ny hiainako amin'ny hatongavanao😍

Fa indro fa tonga ianao no raisiko antanan-droa
Ho fifalian'ny aiko sy reherehan'ny fiainako
Hoe tonga ihany mantsy Ilay niandrasako hatry ny ela
Tonga ihany Ilay hiantso ahy hoe:"mon père"🥰

Fa ilay naika nitsoahako ilay ora iray izay
Kiakiaka mafy rehy hatrany ambadika any
Misy akiray miantso2 ny anarako
Hoe ampio aho nefa tsitako hisarongotana
Ampio aho hoy izy fa tonga ilay fotoana😱

Fa ref Tonga Ilay ora a,taraina ihan ny azy
Kanefa tsy naharitra niova fifaliana hatrany
Ilay antso2 ny anarako sy ilay ampio Aho Jesoa
No indro niova hoe Tonga Soa ny malalako🥰
Fa ilay omeko fitiavana tsisy tambiny
Ilay ho arovako amin'ny loza rehetra hitranga
Ilay ho reharehako sy atao hoe silaky ny aiko
Dia tsy iza izany fa ianao,ry Sombin'ny Aiko😍😍

R.Cla.DS✍️✍️

ANTSA ROA TOHINY      "ATY ANTANILAVITRA" Ilay masoandro takariva izay tazan-davitra inyMampatsiahy ahy anao ry vonikazo...
13/08/2024

ANTSA ROA TOHINY
"ATY ANTANILAVITRA"

Ilay masoandro takariva izay tazan-davitra iny
Mampatsiahy ahy anao ry vonikazon'ny foko
Ilay fitia izay niserana tsy maintsy nialàna
Noho ilay fodiana tsy maintsy novohizina

Asa mba ahoana re ianao any izay?
Ho toa ahy ihany ve sa mby dia nanadino😢
Raha ny ato ampoko mantsy no hiainanao any e!
Mino marimarina aho fa tsy ho faty anio sy rampitso 🥰

Fa ny hoe hiverenako mantsy tsy mbola anio na atoato
Ka tsy aiko mandram-pa oviana no hanembonako anao
Fa raha vao miainga aho ka hoe hiverina any
Ny hitady anao no ataoko masaka ao antsaiko

Ka mandram-pa tonga ilay fotoana anie
Dia mivavaka isan'andro aho amin'ilay nahary ao
Ho mba tsy ho faty na hiova ilay fitiavako anao
Ka hitovy toy Izan ny anao Ilay hiriko 🥰

R.Clavis.DS✍️✍️
Ilay Diapeniko Horaitra(tohiny a😅😅) ->any aminy

Mbola hitohy 😁😁😁

Address

Nosy Varika

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cla.DS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share