22/08/2025
TOGNIN’ANTENOSY
Ny Fikambanana tsy miankina Amerikanina, Center for Historic Shipwreck Preservation dia nanohana ny lanonana lehibe famerenan-kasina « TOGNIN’ANTENOSY ». Fanajàna ny Kolontsaina sy ny Vakoka. Nisitraka ny tsodrano ary vonona hatrany amin’ny fiaraha-mientana ho Fampandrosoana ny tanànan’i Nosy Boraha sy ny mponina eo aminy. Famerenana ny Hasin’ny Zanahary, ny Hasin’ny Tany, ny Hasin’ny Razana ary ny Hasin’ny Olombelona, ho an’ireo izay rehetra manampanariana hanasoa ny Nosy Boraha, tamin’ny alàlan’ny Rombon-drazana, ny Tsangambaton’ny Dinabe Fifampitokisana ary indrindra ny Tognin’Antenosy.
Miarahaba sy misaotra ireo Tangalamena amin’ny ankolafiny avy. Ny vahoakan’ny Nosy Boraha tsy ankanavaka izay tarihin’ny Ben’ny Tanàna sy ireo mpiaramiasa aminy.
The American NGO Center for Historic Shipwreck Preservation supported the large traditional sanctification ceremony called TOGNIN’ANTENOSY, respectfull of the culture and the heritage, Received the blessing and always ready to contribute to the development of Boraha Island alongside the population, ceremony honouring the creator ZANAHARY, the nourishing earth, the ancestors and Humanity, for all those who want to contribute to the good of Boraha Island. Through the ancestors sacred rhythm “rombon-drazana”, the stele of solidarity “Dinabe” and the stele of worship “TOGNY".
Congratulations and thanks to the Tangalamena in their rank and honour. To the entire population of Nosy Boraha led by the mayor and his colleagues.
Crédit photo: Karim R-COM Commune Urbaine Sainte-Marie – Totou Mickael Aime Donovan - Donovan- Nelson