Tily 40ème Soavinandriana Itasy

Tily 40ème Soavinandriana Itasy 🇲🇬Fa izahay kosa ho :

❖Vavolombelon'i Jesoa Kristy
❖Olom-pirenena vanona
❖Andrin'ny fianakaviana

🇲🇬Tily indray andro, Tily mandrakizay!

03/09/2026

🇲🇬 Izany ny vaovao tsara ôhh 🎉🥰

🇲🇬 Mpirahalahy daholo ny tily 🙏Mangataka izay mety ho azon'ise hatao, fa indrindra ny fitondràna am-bavaka 🙏
31/08/2026

🇲🇬 Mpirahalahy daholo ny tily 🙏
Mangataka izay mety ho azon'ise hatao, fa indrindra ny fitondràna am-bavaka 🙏

31/08/2026

🙏

🇲🇬 Miarahaba ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara nahatratra izao faha-58 taonany izao 🥰Amin'ny maha sampana eto...
18/08/2026

🇲🇬 Miarahaba ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara nahatratra izao faha-58 taonany izao 🥰
Amin'ny maha sampana eto anivon'ny FJKM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy ny moa dia miarahaba ny SAMPATI ihany koa izay anisan'ny mpino eo anivon'ny FJKM rahateo 🥰
Miarahaba ny SAMPATI rehetra manerana an'i Madagasikara sy ny any am-pitan-dranomasina ihany koa ary ireo mpino FJKM rehetra 🥰




,



Fankalazana :
Faha-58 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)
18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2026

FIARAHABANA SY FIRARIAN-TSOA

Ry Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara malala,
“Arahabaina! Arahabaina! Arahabaina avokoa!”

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia miarahaba sy mirary ny fiadanan’Andriamanitra ho an’ny FJKM manontolo isika amin’izao fankalazana izao.

Feno 58 taona androany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, izay nitondra tamin’ny fomba ofisialy izany anarana izany rehefa nitambatra ireo Misiona Protestanta telo: LMS, FFMA ary MPF, ny 18 Aogositra 1968.

Koa tsy fankalazana taona fotsiny izao, fa fotoana hahatsiarovana ny fitarihan’Andriamanitra, hankasitrahana ny fahasoavany, ary hijerena ny andraikitra mbola miandry antsika.

Arahabaina indrindra:
Ny Filohan’ny FJKM;
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe;
Ireo Mpiandraikitra Foibe FJKM rehetra;
Ny Sekretera Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonian’ny Departemanta sy ny mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonia sy Tale rehetra, samy amin’ny andraikiny avy;
Ireo Prezida Synodaly sy ny mpiara-miasa aminy rehetra;
Ny Tale sy ireo mpampianatra sy mpanabe eo amin'ny sekoly FJKM
Ireo Mpitandrina mivady amin’ny Fitandremana rehetra, manerana an’i Madagasikara sy maneran-tany;
Ireo Katekista Delege;
Ireo Katekista;
Ireo Mpiandry;
Ireo Mpitoriteny;
Ireo Mpiandraikitra isaky ny Sampana;
Ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo;
Ireo Katekomena;
Ary ny Kristiana rehetra, isan-tokantrano sy isam-batan’olona, na zokiolona na zandriolona.

Arahabaina avokoa!
Ho an’izay rehetra efa nitondra ny FJKM tamin’ny fotoan-tsarotra sy tamin’ny fotoam-pifaliana, ho an’izay mbola mitondra azy ankehitriny, ary ho an’izay hanohy hitondra azy rahatrizay:
Mankasitraka anareo!

Mampahery anareo! Ary mirary ny fahasoavan’Andriamanitra ho aminareo!

"mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" I Kor 15, 58b

🇲🇬 Anisan'ny miatrika ny FIFITI 2026 atao any Toamasina ihany koa ireo filoha antsika anh 🥰🤗.Mirary soa be dia be hoazy ...
09/08/2026

🇲🇬 Anisan'ny miatrika ny FIFITI 2026 atao any Toamasina ihany koa ireo filoha antsika anh 🥰🤗.

Mirary soa be dia be hoazy ireo noho ny fitondràn'izy ireo avo ny anaran'ny Tily Faritany Itasy izao☺️ ary mitondra am-bavaka ny fotoana rehetra izay hotanterahana any koa isika manoloana izany rehetra izany 🥰




,



02/08/2026
🇲🇬 Efa paré ve ny   ôh 🫣🥰 ?J- firy moa isika izao? Efa tsindrian-daona tokoa ny zandrikely ato hihaona amin'ireo Sampana...
23/07/2026

🇲🇬 Efa paré ve ny ôh 🫣🥰 ?

J- firy moa isika izao? Efa tsindrian-daona tokoa ny zandrikely ato hihaona amin'ireo Sampana Mavo maro be anh😊!

Anatin'ny fanomanana feno sy tanteraka ny dia hoany Moramanga tokoa izao ny Tily Sampana Mavo (Lovitao) manerana an'i Madagasikara anh 😀.

Somebiseby erÿ ry sefotenina amin'ny fanomanana rehetra hahatonga lafatra ny dia ka ho tsara handroso, hotsara hiverina tokoa izy ireo☺️.

Fa misy inona tokoa moa izany any Moramanga amin'izany e?

Ny 01 hatramin'ny 05 Aogositra izao mantsy dia
hiatrika ny FAHA-90 TAONA ny TILY SAMPANA MAVO manerana an'i Madagasikara izay hotanterahana any Moramanga 🤗.

Isaorana ny Tompo sy ireo mpikarakara ny lasy moa fa dia hisy ny mandritra ny Lasy hanampy amin'ny fifehezana io fotoana io mba hotena handry fahalemana ny mpilasintsika 🥰.

Samia mivonona ary ny rehetra ary samia mitondra am-bavaka izany fotoan-dehibe rehetra izany hoan'ny mpitarika ny lasy, ny mpilasy rehetra fa indrindra hoan'ny avy eto anivon'ny 40ème Soavinandriana Itasy mba ho feno fahasalamana sy fahavitrihana hatrany izy ireo mandritran'ny fiatrehana izany lasy izany😍.



,



Address

Soavinandriana
118

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily 40ème Soavinandriana Itasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share