07/07/2026
⚫️ 🕊️🔥❗ URGENT ❗ HITA FATY TSY NISY FILAHIANA INTSONY I JOHARY REHEFA NANJAVONA OMALY.
Johary Tovolahy 19 taona nanaovana ombay mitady omaly hita faty androany maraina, novonoina tamin’ny fomba feno habibina, tsy nisy filahiana intsony, teny Ambatomaro Carrière 🕊️⚫️
🚩 Tovolahy iray 19 taona i Johary no anarany, mirefy 1m 60. Toerana nahitana azy farany Super U Analakely omaly 06 Jolay 2026, avy nanao visite pedagogique, tamin’ny 03 ora sy sasany no nisarahany tamin'ny namany teo farany dia tsy hita nody intsony izy.
🚩 Androany maraina Talata 07 Jolay 2026 no hita faty teny Ambatomaro Carrière izy. Miforotra ny razana, tsy nisy filahiana intsony ihany koa, ary heverina ho tapaka ny taola-tongony.
đźš© Olona nandeha hiasa vao maraina no nahita azy ka nampandre ireo manodidina. Nifampiantso sy niezaka nitady izay mety hahafantatra azy ireo olona tonga teny an-toerana, saingy tsy nisy nahalala ny mombamomba azy na ny fianakaviany hatreto.
🕊️ Mirary fihononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo
🕊️
Antsiva Radio 97.6 FM đź“»