MICKAEL-Page

MICKAEL-Page Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from MICKAEL-Page, Toamasina.

AZA MANARA-DRENIRANO...Rehefa mifandrombaka mitrandraka volamena ny olona rehetra dia tadidio fa tsy ny mpitrandraka vol...
09/09/2023

AZA MANARA-DRENIRANO...

Rehefa mifandrombaka mitrandraka volamena ny olona rehetra dia tadidio fa tsy ny mpitrandraka volamena no manankarena voalohany fa ny mpivarotra angady...
Ny ankamaroan'ny olombelona dia toy ny ganagana, rehefa misy mandeha iray dia lasa any avokoa ny olona rehetra...

Tiava mandinika ny zavatra " ho ilain'ny olona"
Tiava maminany ny zavatra "ho ilain'ny olona"
Tiava mitsinjo lavitra nohon'ny olona.

Ry mpandray vahiny eny amoron-dranomasina namana, averinay foana fa tsy bonbon coco irery no ilainay rehefa eny amin'ny plage izahay, aza manao ganagana

Ry mpivarotra eo am-bavahadin'ny bazary, tsy mbola "ovy" tompoko no ilainay rehefa miditra tsena, fa harona na sachet, aza manao ganagana

Ry mpivarotra mpiteny hoe vidio ity fa mora be, averinay foana fa tsy ny "produit" anao mora no hahatonga anay hividy: fa ilay hoe: mitondra inona amin'ny fiainako kay iny zavatra amidinao iny, aza ganagana

Ry mpandraharaha mpangalatahaka rehetra, aza ganagana, aza manara-drenirano be fahatany!!

Asio lojika ny fandraharahanao

: Mianatra mahomby

Ny fahantrana dia "antso"Ny fananan-karena dia "antso"Fantatrao ve ny nahatonga an'i Lazarosy nahantra?Lioka 16-19Ny Bai...
08/09/2023

Ny fahantrana dia "antso"
Ny fananan-karena dia "antso"

Fantatrao ve ny nahatonga an'i Lazarosy nahantra?
Lioka 16-19

Ny Baiboly dia milaza fa I Lazarosy dia mpanompon'Andriamanitra
Fa ny olan'i Lazarosy dia diso niandrandra sombi-tsakafo latsaka teo ambony latabatr'ilay mpanankarena foana izy!
Eny fa na dia tany an-danitra aza izy dia mbola niandrandra ny tratran'i Abrahama ihany satria diso niantehitra tamin'olona foana.

Maro ny olona tsy zatra mampiasa ny tanany: fa miandrandra tanan'olona foana!
Maro ny olona tsy miasa fa miandry feo manakoako avy an-danitra hiantso azy hody amin'izay satria tsy mahita mangirana mihitsy eto an-tany!

Joba, Davida, Abrahama ihany koa anie mpanompon'Andriamanitra e ...

Inona no mahasamihafa an'i Joba, Davida, Abrahama amin'ny Lazarosy?

Nampiasa ny tanany ry zareo, nampiasa ny coco-ny ry zareo

Hey, ny antsonao anie dia mpampitrosa fa tsy mpitrosa e
Hey, ny antsonao anie dia tsy vesatra ho an'ny hafa: fa fitahiana ho an'ny hafa e
Hey, ny mission anao anie: mpampahery fa tsy hampaherezina foana e

Hey, samy afakin'ny ho tonga any an-danitra izao ihany na mahantra na mpanankarenaaaaaaa: fa maninona ianao no mifidy ny hahantra?

Na mahantra na mpanankaaaaaarrreeeeeeennnnnaaaaa oa dia afakin'ny ho tonga any an-danitra.

Hey, inona izao no excuse-nao ao?
Mbola ilay hoe: Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra foana ve? Te ho Lazarosy nga ianao?

Aza miasa ary raha hamaly an'izany antso iray izany ianao e!!

Te ho sady tonga any an-danitra no sady tahiana sy fitahiana eto an-tany ve ianao?

Tiava miasà.
Ampiasao ny tananao.
Ampiasao ny coco-anao.

Source : Mianatra Mahomby

Address

Toamasina

Telephone

+261342624688

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MICKAEL-Page posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to MICKAEL-Page:

Share