05/04/2023
NY ZAVATRA TSARA HO FANTATRA AMINY TSY FANANA ASA.
Tsy voatery ny manana DIPLÔME no Tafita
Tsy voatery manana DIPLÔME vao manana asa
Amin'izao vanim-potoana izao dia betsaka ny tanora tsy mahita asa ka misedra fasahiranana.
Ka mahatonga ahy hametraka fanotaniana hoe: inona famaritana ny atao hoe tafita? Mhavita fianarana ve sa manam-bola sa betsaka Diplôme ?
Diso tanteraka raha toa ka ny fananana diplôme no amaritana izany.
Misy olona mantsy dia miezaka mafy mihitsy ny manenjika ny mba hananana diplôme maro karazany.
Ok ! Tsy maninona izany fa ity no aoka ho tsaroana lalandava. Ny diplôme dia taratasy fotsiny ihany, hoentina hanaporofoana fa nanaraka ilay fianarana mahakasika taranja iray tao amin'ilay sekoly ilay olona.
Na manana diplôme 10 ianao kanefa tsy misy miasa izy ireo dia tsy misy dikany izany satria tsy ny diplôme anananao no hamaritra ny fidiram-bolanao fa ny hetsika sy ny zavatra ataonao irery ihany.
Ka io diplôme anananao io tompoko dia tsy hisy dikany raha toa ka tsy hisy asa mampi-bola ianao. Satria nahoana ? Satria dia ny asa irery ihany no hahazoanao vola hahafahanao mihinana, vola ahafahanao mividy fitafiana ary dia mbola ny vola hatrany no ahafahanao manefa ireo facture-nao isankarazany.
Tsara ny manana diplôme fa kosa tsy ny hanana diplôme no tanjona amin'ny fiainana, satria tena maro mantsy ny olona no manana diplôme ka nefa dia toa mipetra-potsiny tsy misy hatao.
Ka manombok'izao rehefa mianatra sy mikendry diplôme dia aza hadino mihitsy ny mametraka ity fanontanina ity amin'ny tenanao: "ahoana ny fiainako aorian'ny fazahoako ity diplôme ity?"
Isika Ray aman-dreny koa dia tsy tokony ho variana hanosika ny zana-tsika hianatra fotsiny fa tokony indrindra hanampy azy ireo hivelatra hatrany.
Ary ahoana ny hevitrao amizay ? Ary inona no tokony ho vahaolana
Toamasina Miray Saina