Laki Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Laki, Digital creator, Toamasina.

Formateur/Ghostwriter/conseil

Mila mianatra hatrany isika raha te handroso aminy fahombiazana

Aza mora kivy fa mijoroa hatrany
Tohizo ny ezaka efa misy satria izay mamafy no mijinja vokatra

TOE-TSAINA MAVESATRA MANIMBA NY HOAVY.Simba vé ny hoaviko ny hoavinao ny hoavintsika?Ireto misy hevitra 03 manimba ny ho...
23/08/2025

TOE-TSAINA MAVESATRA MANIMBA NY HOAVY.

Simba vé ny hoaviko ny hoavinao ny hoavintsika?

Ireto misy hevitra 03 manimba ny hoavy raha raikitra ao an-tsaina :

1. Miantehatra @ vintana

Tsy miezaka, tsy manomana, miandry fotsiny hoe ho tonga ny fahombiazana. Io dia manakana ny ezaka sy fandrosoana satria mpiandry lava , manary fotona fotsiny ka voatsindry Dara (draps) ozy fomba fiteny Zay.

2. Tsy vitako mihitsy

Finoana ratsy manakana ny fahasahiana hanandrana zavatra vaovao, manakana ny fahaiza-manao ary miteraka fanahin’olona ho kivy. Mamboly fahalemena satria tsisy fanantenana, tsy misy zotom-po ka very andalana ny fahasoavana.

3. Mitady ny androany ihany

Fomba fisainana mitarazoka (procrastination) izay mampanjavona fotoana sarobidy sy fahafahana tokony ho noraisina androany. Aza manao fisainana otrany akoho izay mitady ny androany ihany fa tsy mitsinjo ny hoavy.

FEHINY :

Tsy natao hoany malemy saina ny fampivoarana ny fiainana fa ho an'izay milefo fatratra andro aman'alina ny fampandrosoana ny tanjony. Ka mila ezaka sy faharetana lalina indrindra ny fanaraha-maso fatratra ny asa aman-draharaha .

Raha misy mahakasika ano ireo dia ialao🙏

Partageo, suiveo , likeo ny pagetsika

Fa mahasoa ny hafa koa

FEHEZIKO NY VAVAKOManaova ketrika mangina Ireto misy hevitra 03 mikasika ny fanaovana ketrika mangina (na stratégie mang...
22/08/2025

FEHEZIKO NY VAVAKO

Manaova ketrika mangina

Ireto misy hevitra 03 mikasika ny fanaovana ketrika mangina (na stratégie mangingina):

1- Mampiasa Tetikady "Observation sy Fanangonana Fampahalalana"

Alohan’ny hanombohana hetsika, miezaha tsy haneho fihetsika tafahoatra. Diniho tsara ny toe-javatra, ny olona ary ny zava-misy manodidina. Ny olona mahay manao ketrika mangina dia manangona vaovao alohan’ny miteny na manao fihetsika, mba hahafantarana ny fotoana sy fomba mety indrindra hanaovana hetsika.

Ohatra:
Amin’ny fandraharahana, mijery ny hetsiky ny mpifaninana aloha ianao, manangona antontan’isa, ary avy eo manao hetsika tsy ampoizina.

2- Tetikady "Fihetsika Tsy Mitranga" (Passive Strategy)

Ny fahanginana dia fitaovam-piadiana. Indraindray, ny tsy fanehoana hevitra na ny tsy miditra amin’ny adihevitra dia mahery vaika kokoa noho ny fiteny. Ampiasao ny fahanginana mba hifehezana ny toe-draharaha, indrindra rehefa mila mahatakatra ny fahamarinana ianao na manery ny hafa hiteny bebe kokoa.

Ohatra:
Amin’ny fifampiraharahana, mankato amin’ny alalan’ny fitoniana sy tsy miteny vetivety, dia mety hiteraka fahasahiranana ho an’ny mpiara-mifanakalo hevitra, ka hanokatra varavarana amin’ny fepetra tsara kokoa ho anao.

3- Mitondra harena

Tsy ny olon-drehetra no mankasitraka ny fahombiazanao ka rehefa misy ketrika atao jerevo tsara aloha ny namana tsy manary sarotra vao miresak projenao ianao. Satria ny fahavalonao volohany dia tsy ny olona lavitra na tsy mahay momba anao fa mety ambadiky ny tranonao io aza fa tsy hainao akory. Ka ny fahanginana dia harembe raha ohatra ka voafehinao alohany vokatra.

Ohatra :
Hoy Ntaolo ''Izay mangina volamena"

Ho lasa lavitra ianao 🙏

Aza adino manao 👍 ny page sy mi-partage fa maro ny zavatra mahasoa ho zaraiko ato

TSY NY VOLA NO OLANA FA FOMBA FISAINANAIto misy torohevitra 4 mikasika izany :1- Mila miova ianaoTsy tsapanao mihitsy ny...
20/08/2025

TSY NY VOLA NO OLANA FA FOMBA FISAINANA

Ito misy torohevitra 4 mikasika izany :

1- Mila miova ianao

Tsy tsapanao mihitsy ny lesoka goavana ataonao io ka mahatonga fiainana tsy lavorary.

Mila ajanona ny fahazaran-dratsy

Ohatra : Hakamoana , Toromaso fona, Mamo lava, sns nefa farany izay tia misakafo be .

2- Fahafinaretana

Mieritreritra hoe fandalovana ny fiainana ka manararaotra.

Aza adino fa mila mametraka tsara ny hoavin'ny taranaka faramadimby isika mba fahatsiarovana ny fandalovatsika teto an-tany.

Ohatra : Trano , Asa, Toetra, sns

3- Fanambaniana namana

Aza mba manenjika namana mbola resy na mpiara-miasa ambany noho ianao fa ny zavatra kely lanja iny mety lasa tsy zakanao rehefa tonga fotonany.

Ohatra : Goliath dia matanjaka Sady ngeza nefa vato kely aza , izay noheveriny tsisy lanjany iny no nahafaty azy.

4- Mila manana fasahiana

Vitanolo vé tsy vitanao? Tena ilaina io hery miafina io satria manomboka ianao ka tsy votery mandeha tsara fa izay manao ihany no tafita

FEHINY : Ovao dieny izao io toetranao io fa mahatonga jaly tsy mety afaka ary mitarika @ fahantrana.

Olona mpandresy ianao 🙏

TE HAMPANDROSO FIDIRAM-BOLA HAFA VÉ ?Ireto misy torohevitra 3 hanampy anao hampitombo ny vola miditra 💡:1. Ampitomboy ny...
18/08/2025

TE HAMPANDROSO FIDIRAM-BOLA HAFA VÉ ?

Ireto misy torohevitra 3 hanampy anao hampitombo ny vola miditra 💡:

1. Ampitomboy ny loharanon-karena

Aza miankina amin’ny fidiram-bola tokana (oh: asa). Ataovy fanampiny ny fidiram-bola hafa toy ny varotra kely, asa an-tserasera, na fanofana zavatra.

2. Ampiasao amin’ny fampiasam-bola

Aza avela hitoetra fotsiny ny vola fa asio fampiasam-bola (oh: tahiry, trano, fiompiana, na orinasa kely) mba hiteraka tombombarotra.

3. Ampitomboy ny fahaiza-manao

Raha vao mahay bebe kokoa ianao (oh: fahaiza-mitantana, teknika vaovao, na fiteny vahiny), afaka mahazo asa tsara kokoa na manokatra varotra mahomby kokoa izay mitondra vola bebe kokoa.

FEHINY :

Aza miandry fotsiny fa izay kely misy no afaka hanombohana fidiram-bola hafa , ataovy araka ny zava-misy tsy midika bé vao hafaka hanomboka satria avy aminy kely vao mahay be.

ARAHO HATRANY NY PEJY 🙏

06/08/2025

SAROTRA MAMPANDEHA ORINASA

Ahona ary tokony atao ?

Tsy mora ny mampandeha orinasa.

Misy torohevitra 2 ho antsika :

1- AZA MIHEMOTRA

Tadiavo fona aloha ny olana fa rehefa hita ny antony tsy mampandeha azy vao afaka mijery vahaolana aminze. Tohizo hatrany rehefa hita ny olana fa ny fahombiazana dia tsy maintsy mandalo olana mavesatra.

2- MATOKISA HERY ANATY

Isika olombelona dia misy hery tsy azo ivalozana ao anatintsika izay azo ampiasaina tsara rehefa sendra olana na hafaliana koa. Ianao no nanana hevitra nanangana orinasa ka aza manaiky ho resin'ny olana tsy maintsy ho avy fa ambadiky ny olana misesy dia fahombiazana.

FEHINY : Tsy mora ny mampandeha orinasa dia midika hoe tsy ny olon-drehetra no ho tafita fa izay miezaka mampihatra torohevitra tsara rehetra hitany sy henony ary hianarany ihany no vahaolana mampahomby.

Araho hatrany ny pejy 🙏❤️

SAROTRA MARINA NY FIAINANAMIEZAKA KARA TSY MISY VOKANYAIZA MARINA MBA AHITANA FIVOARANA ITY RY OLONA ?Teny matetika mive...
27/07/2025

SAROTRA MARINA NY FIAINANA

MIEZAKA KARA TSY MISY VOKANY

AIZA MARINA MBA AHITANA FIVOARANA ITY RY OLONA ?

Teny matetika miverimberina fona rehefa tojo olana sy tsy ampy ny ampelatanana

Torohevitra 2 ho antsika :

1- Tsarovy ny mahaolombelona anao

Isika olombelona dia avy aminy taranaka nifandimby.

Izany hoe mandalo isika ka rehefa tojo olana dia tsarovy fa mpandresy anao izay satria mbola mañana fofon'aina ka afaka manarina.

Ny olana tsy mety voavahatsika olombelona dia ny fahafatesana.

Anao koa mbol velona na misedra olana maro dia mañàna fanantenana fa mbola hahita fasambarana anao aloha akao. Courage 💪

2- Mivavaha

Atsika olombelona dia misy zavatra tsy mety ho takatry ny saitsika mitsy satria nofo aman-drà.

Ny hery miafina dia tsy haitsika ialana satria tsy nahazoatsika alalana avy amin' Andriamanitra satria misy herin'Andriamanitra ary misy herin'ny demony.

Ka miezaha mivavaka mba mivaha ilay gejan'ny demony

Zarao amin'ny hafa Raha mba mahaliana anao fa mahasoa ny hafa koa

ARAHO HATRANY NY PEJY 🙏

TE HANANGANA ORINASA VE ?Vahaolana ho anao ito :1- Tsy mila miasa mafy bé na manao sacrifice 2- Tsy mila minomino zavatr...
27/07/2025

TE HANANGANA ORINASA VE ?

Vahaolana ho anao ito :

1- Tsy mila miasa mafy bé na manao sacrifice
2- Tsy mila minomino zavatra be fahatany
3- Tsy mila manampahaizana be zany

FA SAINGY IZAO :

1- Mila manana nofinofy aloha

Tsara fantatra aloha zavatra tianao atao aminy eritreritrao rehetra

2- Mila manana fanantenana

Aveo arahana fatokisantena fa vitako io satria za mba olombelona afaka misaina tsara

3- Mila manana faniriana fatratra

Zavatra tianao no ajoro fa tsy mitsapatsapa satria Raha tojo olana tsy mihemotra

4- Mila manana Plan matipaika

Io fanaovana plan io no hanamora fisorohana olana mety hitranga

Fantaro aloha hoe ino mety ajoro aminy toerana ty ka voafehiko tsara vao ajoro amin'izay.

Misaotra atsika mpanaraka ny pejy 🙏

Zarao fa mety hahasoa ny hafa koa🇲🇬

MALAMATRA NY VOLA Tena zany vé ?Maro no milaza fa mora lany ny vola ary tena mahamay rehefa tsy azo tamin'ny hatsembohan...
22/07/2025

MALAMATRA NY VOLA

Tena zany vé ?

Maro no milaza fa mora lany ny vola ary tena mahamay rehefa tsy azo tamin'ny hatsembohana.

Ity dia misy torohevitra 4 mahakasika izany :

1- Aza miandry tolorana fotsiny

Rehefa tsy ianao no mikaroka dia tsy misy lanjany lay vola satria tsy nisy jaly kely tao , tsy nisy dignitra nivoka ka mora lany satria maivandanja.

2- Aza manaiky atao fitaovana

Ny vola dia fitaovana entina hanamoramora ny fiainan'ny zanak'olombelona.

Ohatra : Fifandraisana, fividianan-javatra, Fianarana , asa , Fialamboly , Kojakoja rehetra, sns

Ka ny vola no fitaovana fa tsy ny olombelona ka anjaratsika no mibaiko sy mifehy azy MBA tsy hanaonao fona.

3- Tandremo ny mifantoka lotra amin'ny vola.

Efa fantatsika fa fitaovana ny vola ka mifantoha amin' ny zavatra tokony hampidi-bola mba hiasany ho antsika fa tsy isika no miasa ho azy, isika no mpifehy azy fa tsy ho feheziny

Raha izy no mifehy atsika tsy olombelona atsika izay satria fehezin'ny fitaovana

4- Avereno in-telo ity raha te hamoaka vola hividy zavatra hianao

a) Ilaiko vé ity zavatra ho vidiko ity?
b) Tena ilaiko vé zavatra ho vidiko ity ?
c) Tena ilaiko androany vé zavatra ho vidiko ity?

Aveo rehefa tena tapakevitra ianao vao mamoaka vola .

Torohevitra vitsivitsy ho antsika mpanaraka ny pejy misaotra antsika jiaby 🙏

ARAHO HATRANY NY PAGE FA MARO ZAVATRA HO ZARAIKO ATO

AHONA TOKONY ATAOKO MBA HAHOMBY AMINY FIAINANA ?MISY TOROHEVITRA 5 HO ANAO ITY:1. Fantaro mazava ny tanjonao sy ny nofin...
20/07/2025

AHONA TOKONY ATAOKO MBA HAHOMBY AMINY FIAINANA ?

MISY TOROHEVITRA 5 HO ANAO ITY:

1. Fantaro mazava ny tanjonao sy ny nofinofinao

Soraty hoe inona no tianao ho tratrarina: asa? vola? fianarana? fiainana milamina?

Ataovy mazava ny antony mahatonga anao haniry an'izany (motivations).

📌 Ohatra: Raha tianao ho lasa mpandraharaha, dia mila mahay mitantana vola sy olona.

2. Manao ezaka sy miasa mafy isan’andro

Tsy misy fahombiazana tonga ho azy. Mila mifoha maraina, mandamina ny fotoana, miasa amin’ny tanjonao.

Fadio ny fahazarana mandany fotoana amin’ny zava-poana (ex: miresaka foana, miandry vintana).

📌 Ohatra: Mianara zavatra vaovao isaky ny andro 1, na dia 30min fotsiny aza.

3. Mampivelatra ny tenanao (fahaiza-manao sy fitondran-tena)

Mianara miresaka tsara amin’ny olona, mifehy ny fihetseham-po, ary miaro tena amin’ny zava-dratsy.

Ampitomboy ny fahaiza-manao ilainao amin’ny sehatra tianao hiditra.

📌 Raha te ho mpitondra, mianara mitarika sy mandray andraikitra.

4. Mifidy olona tsara hanodidina anao

Mifandray amin’olona mitovy tanjona aminao, na ireo efa nahomby ka afaka manoro hevitra.

Esory amin’ny fiainanao ireo olona manakana anao tsy handroso.

5. Mivavaha sy matokia tena

Ny finoana sy fitokisana amin’Andriamanitra na amin’ny tenanao dia manome hery sy fanantenana.

Mianara mandray lesona amin’ny lesoka fa mila tsy kivy.

aboneo pagetsika de mirary fahombiazana ho atsika rehetra 🙏

Fantatrao vé ny atao hoe administration ?Inona no andraikitra sahaniny ?Ireto avy ny andraikitra sahanin’ny administrati...
07/07/2025

Fantatrao vé ny atao hoe administration ?

Inona no andraikitra sahaniny ?

Ireto avy ny andraikitra sahanin’ny administration:

1. Mikarakara sy mandamina ny asa rehetra ao amin’ny fikambanana na orinasa.

2. Manao fandrindrana amin’ny loharanon-karena (olona, vola, fitaovana).

3. Manapaka hevitra amin’ny fanatanterahana asa sy fanatsarana ny rafitra.

4. Manaramaso sy mandrefy ny asa vita mba hahitana fahombiazana.

5. Mikarakara antontan-taratasy sy fitantanana ara-panjakana (toa ny taratasy, tatitra).

6. Miandraikitra fifandraisana anatiny sy ivelany, toy ny amin’ny mpiara-miasa sy mpanjifa.

Likeo ny pagetsika

Araho hatrany ny pejy fa misy fizarana mety hampiova ny fiainanao ato

VAHAOLANA MOMBA NY FATIANTOKA ARA-BAROTRARaha lafiny ara-barotra no resahina, dia tena zava-dehibe ny misoroka sy mitant...
02/07/2025

VAHAOLANA MOMBA NY FATIANTOKA ARA-BAROTRA

Raha lafiny ara-barotra no resahina, dia tena zava-dehibe ny misoroka sy mitantana ny fatiantoka satria mety hisy fiantraikany mivantana amin’ny fahaveloman’ny orinasa. Ireto avy àry ny vahaolana 5 manan-danja indrindra amin’ny fatiantoka ara-barotra:

1. Famakafakana sy fanaraha-maso ny entana (gestion de stock)

Tsy mitantana stock tsara dia mahatonga:

Fatiantoka avy amin’ny entana lany daty.

Entana tsy mivily vola mipetraka ela.

Vahaolana:

Ampiasao logiciel (na Excel) hanaraha-maso.

Ataovy stock rotatif: mivarotra izay efa ela mialoha.

2. Fifantenana tsara ny mpamatsy sy mpanjifa

Mpamatsy tsy matotra → entana ratsy kalitao = fatiantoka.

Mpanjifa tsy mandoa → volam-panjakana tsy miverina.

Vahaolana:

Manaova fifanarahana an-tsoratra.

Mifidiana mpanjifa/partenaire azo itokisana.

Ampiharo paiement partiel na mialoha rehefa ilaina.

3. Fampiroboroboana ara-barotra manan-tsaina (marketing intelligent)

Fampiasam-bola amin'ny dokam-barotra nefa tsy mitondra vokatra = fatiantoka.

Vahaolana:

Andramo (test A/B) dokambarotra samihafa.

Mahazoa feedback avy amin’ny mpanjifa.

Mifantoha amin’ny mpanjifa tena mety (client cible).

4. Fifehezana ny vidin’entana sy fanjifana (coûts de revient)

Raha tsy fantatra tsara ny vidin’entana dia mety hivarotra ambany loatra → fatiantoka.

Vahaolana:

Fantaro mazava tsara ny vidim-pamokarana, fandaniana, sy tombony.

Atao kajy mialoha ny maridrefy tombom-barotra (marge bénéficiaire).

5. Fanofanana ny ekipa sy fitantanana tsara ny olona

Mpiasa tsy mahay na tsy matoky → enta-mavesatra amin’ny fandraharahana.

Vahaolana:

Manaova fanofanana.

Omeo tanjona mazava sy fanaraha-maso.

Velomy hatrany ny fahaiza-mamorona sy fiaraha-miasa.

TSY MITSAHATRA AHO MIZARA NY MAHASOA ATSIKA

Aboneo ny page tsika 🙏

TE HO TAFITA AMIN'NY FIAINANA VE ?Ireto misy torohevitra 4 momba ny toetra tokony hananana mba hahombiazana sy ho tafita...
29/06/2025

TE HO TAFITA AMIN'NY FIAINANA VE ?

Ireto misy torohevitra 4 momba ny toetra tokony hananana mba hahombiazana sy ho tafita amin’ny fiainana:

1. Faharetana sy fandeferana (Persévérance)

➡️ Tsy miala amin'ny tanjona, na dia misy olana aza. Olona mahavita zavatra lehibe matetika no nandalo sedra maro fa tsy nivadika tamin'ny faniriany.

Ohatra: Raha tsy tafita fanadinana ianao, miezaha indray miaraka amin’ny fanomanana tsara kokoa.

2. Fahaizana mandray andraikitra (Responsabilité)

➡️ Aza manome tsiny olona na toe-javatra rehefa tsy mandeha araka ny nampoizina ny zavatra. Olona mandray andraikitra no matoky tena sy mahay mitarika fiainany.

Ohatra: Raha very asa ianao, mba jereo izay lesona azo sy drafitra vaovao ho amin'ny manaraka.

3. Fahavononana hianatra sy hihatsara (Volonté d’apprendre)

➡️ Ny fiainana dia fianarana mitohy. Mila mazoto mianatra, mankaty amin’ny vaovao, ary manaiky fanitsiana.

Ohatra: Mianara fahaiza-manao vaovao (toy ny fitantanam-bola, fiteny, na teknolojia) izay mety hahasoa anao amin’ny ho avy.

4. Fahatsoram-po sy fahamendrehana (Intégrité)

➡️ Toetra tsy azo vidiana, tsy manaiky hala-tahaka, ary mijoro amin’ny marina. Mampitombo fitokisana sy fifandraisana tsara amin’ny hafa.

Ohatra: Manao raharaham-barotra amin’ny fomba marina na dia misy tombony vetivety amin’ny hala aza dia aleo manao ny marina fona.

Aza adinoko ny mizara ny pejy sy manao like fa manampy ahy amin'ny fizarana manaraka.🙏

Address

Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Laki posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share