13/06/2026
REHEFA BE LOATRA NY FIAFINA...
Misy olona mitsitsy ka lasa manimba ny fiainany mihitsy.
Ny hafa mandro in-3 isan'andro, ianao aza zara raha indray mandeha satria "te hitsitsy savony".
Ny hafa mihinana sakafo mahavelona matetika, ianao indray manery tena amin'ny tsy ampy satria "te hiafy".
Ny hafa mametraka vola ho tahiry sy fampiasam-bola, ianao kosa tsy sahy manao na inona na inona fa matahotra handany vola.
Ny hafa mizara amin'ny sahirana araka izay vitany, ianao mijery fotsiny satria mieritreritra foana hoe "mbola tsy ampy ny ahy".
Dia lasa: Mitsitsy... mitsitsy... mitsitsy... Miafy... miafy... miafy...
Nefa ny fotoana mandalo, ny fiainana mandeha, ary indraindray tsy misy zava-bita hita akory amin'ilay fiafina tafahoatra.
Anatra:
Tsara ny mitsitsy.
Tsara ny miahy ny hoavy.
Saingy atao amim-pahendrena izany.
✔️ Karakarao ny vatanao.
✔️ Omeo sakafo ny fanahinao.
✔️ Mianara mizara amin'ny hafa.
✔️ Tehirizo ny vola, fa aza atao gadra ny fiainanao.
FEHINY:
Tsy misy mahalala ny andro na ny ora hialany eto an-tany.
-Koa mitsitsia, fa aza manadino miaina. -Miafia, fa aza manadino manao ny tsara.
-Manomàna ny hoavy, fa aza very ny ankehitriny.
Ataovy amim-pahendrena ny fiafina, dia hahita vokatra ianao.
"Ny tanjon'ny fiafina dia tsy ny hijaly anio, fa ny hanatsara ny rahampitso."
Vitanao, vitantsika io 🌾
✍️