09/05/2025
1968: ETSIAHAZOA (Mpanjaka Mahafaly tao amin'ny Fanjakana Linta) sy ireo vadiny fito mirahavavy.
Sary nalaina tao Ankazotaha (na Ankazota), renivohitry ny Fanjakana Linta fahiny (ao anatin'ny Distrikan'i Ampanihy ankehitriny).
Ny Mpanjaka Etsiahazoa (eo afovoany eto amin'ny sary) dia zanaky ny Mpanjaka Tsiverenga, anakiray tamin'ireo Mpanjaka Mahafaly lehibe tamin'ny fotoana nahatongavan'ireo Mpampandry tany Frantsay.
Tahaka ny hita tamin'ireo faritra hafa maro manerana ny Nosy dia nanambady maro ny Mpanjaka Mahafaly sy ny Mahafaly amin'ny ankapobeny. Hatramin'izao vanimpotoana misy antsika izao dia mbola ahitana matetika io tranga io. Mazava ho azy fa "fanambadiana ara-drazana" no resaka eto fa tsy "ara-panjakana", satria ny lalàna velona malagasy dia tsy mamela ny "Fananana vady maro". Ny loharano izay nanome ity sary sy tantara ity dia milaza fa 64 no isan'ny zanaky ny Mpanjaka Etsiahazoa eto amin'ny sary tamin'ireo vadiny ireo.
***Ny Fanjakana Mahafaly talohan'ny Fanjanahantany dia voafaritra teo anelanelan'ny Reniranon'Ionilahy sỹ ny Reniranon'i Menarandra. Nizarazara ho Fanjakana madinika maromaro izy ka ireto dimy manaraka ireto no tena nisongadina: Ny Fanjakana Linta, Onilahy, Sakatovo, Menarandra sy Folanaombe. Ny Razamben'ireo Mpanjaka Mahafaly dia sampana anakiray avy amin'ny , izay nipoiran'ireo Mpanjaka Sakalava, Masikoro (Zafindravola),Bara , Antankarana (Zafimbolafotsy)ny Zafindravola (Masikoro), sns ihany koa. Rehefa tonga ny Fanjanahantany dia mbola voatazona ny Rafitra ara-drazana teo amin'ny ankamaroan'ireo Fanjakana mahafaly ireo***.
Sary nindramina
©Antipanahy Ramahery