Toliara Info-Line

Toliara Info-Line Toliara tea vaovao

Ny Fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana teto Toliara
20/02/2026

Ny Fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana teto Toliara

Manameloka tanteraka ny tsy fandraisana andraikitry ny fitondrana ny Mpanohitra,  manoloana ny fahapotehana misy,  vokat...
24/06/2025

Manameloka tanteraka ny tsy fandraisana andraikitry ny fitondrana ny Mpanohitra, manoloana ny fahapotehana misy, vokatry ny krizy ara-pahasalamana, ny tsy fisian’ny Zo fototra mahaolona (ny jiro sy ny rano fisotro madio) ankehitriny.
SG TIM

 📍Tsy milefitra amin'ny Base Toliara!"Nandray fitenenana tamin-kery sy fahasahiana i  , nanamafy indray ny fanoherany ny...
18/05/2025



📍Tsy milefitra amin'ny Base Toliara!"
Nandray fitenenana tamin-kery sy fahasahiana i , nanamafy indray ny fanoherany ny tetikasa Base Toliara.

❌Ny antony nahatongavany tany dia noho ny fanasana avy amin’ny Filoham-pirenena, nangataka azy hanazava mivantana amin’ny vahoaka ny antony maha-saropady sy maha-tsy ekeny ilay tetikasa.

⁉️Tamin’ny fanehoan-keviny tamin’ny lahateny, dia tsapa tokoa ny fitiavan-tanindrazana sy ny finiavana hiaro ny tombotsoam-bahoaka.

🙏Mirary fahasalamana ho azy isika rehetra, satria torana teo afovoan’ny lahateny nataony ny tenany – porofo fa tsy maivana ny adidy noraisiny.

✊Tsy kivy. Tsy mihemotra. Ho an’ny Tanindrazana‼️

✍️© Elia Rabevahiny




Siteny Randrianasoloniaiko
Siteny Thierry Randrianasoloniaiko
https://www.facebook.com/share/p/16DvU9QJTu/

18/05/2025

Fanambarana, Lahilahy no miteny

Base Toliara : Iangaviana ny olobe avao hitsena ny filoha, tsy mila zaza tsy nampiasana kapotyHo avy hizara vary sy mena...
16/05/2025

Base Toliara : Iangaviana ny olobe avao hitsena ny filoha, tsy mila zaza tsy nampiasana kapoty

Ho avy hizara vary sy menaka ny filoha, ka ilazana ianareo mpitsena, tsy hisy hitondra zaza, ahilio an-trano any anakanareo fa hejin'ny filoha mijery fahantrana, mampahory ny gasy ireny.

Misy camion karandal hitondra sy hitatitra anareo, misy saina kely ho zaraina, drala zaraina rehefa vita fitsenana, misy présence.

Ireo olom-boatendry rehetra, izay tsy tonga, jereo décret fanafoanana nomination amin'ny conseil des ministres manaraka.

Misaotra mialoha

Samia tsara
Patrick

15/05/2025

Hoy ny Filoha Rajoelina raha nanao DIRECT teny amin'ny RN13 teny " Be loatra ilay ankizy ary tokony... satria io ilay hoe fahantrana miteraka fahantrana ... "
Samia indray aloha maneho ny heviny etsy ambany na ny mpiaro na tsy mpiaro azy.
Potakizay moa ity video ity dia nofafain'ny Filoha tao amin'ny pejiny fa azo ihany anefa na izany na tsy izany aza.

15/05/2025

🛑 STOP BASE TOLIARA 🛑

"Tsy miditra polemika be isika 😌, fa indraindray misy zavatra tsy dia sarotra loatra ny manatanteraka azy manerana an’i ...
14/05/2025

"Tsy miditra polemika be isika 😌, fa indraindray misy zavatra tsy dia sarotra loatra ny manatanteraka azy manerana an’i Madagasikara, nefa tsy manana izay ‘reflexe’ izay isika. Mety hoe tsy fanahy iniana nefa mandratra ny hafa… ka mila tandremana ⚠️.
Raha ny resaka fifaninana ahazahoana 200 millions ariary ho an'ny fokontany madio indrindra izao, dia hevitra tena tsara 👍✨. Fa tsy aleo ve :
- Na atao mahenika ireo renivohim-parintany rehetra 🏙️🧹,
- Na asiana fifaninanana isaky ny renivohim-parintany 🏆,
- Na atao mahenika an’i Madagasikara mihitsy fa asiana sokajy…
Mankasitraka 🙏 dia Mirary Soa antsika rehetra ! 🌟💚
Rija ✍️😊

1968: ETSIAHAZOA (Mpanjaka Mahafaly tao amin'ny Fanjakana Linta) sy ireo vadiny fito mirahavavy. Sary nalaina tao Ankazo...
09/05/2025

1968: ETSIAHAZOA (Mpanjaka Mahafaly tao amin'ny Fanjakana Linta) sy ireo vadiny fito mirahavavy.
Sary nalaina tao Ankazotaha (na Ankazota), renivohitry ny Fanjakana Linta fahiny (ao anatin'ny Distrikan'i Ampanihy ankehitriny).
Ny Mpanjaka Etsiahazoa (eo afovoany eto amin'ny sary) dia zanaky ny Mpanjaka Tsiverenga, anakiray tamin'ireo Mpanjaka Mahafaly lehibe tamin'ny fotoana nahatongavan'ireo Mpampandry tany Frantsay.
Tahaka ny hita tamin'ireo faritra hafa maro manerana ny Nosy dia nanambady maro ny Mpanjaka Mahafaly sy ny Mahafaly amin'ny ankapobeny. Hatramin'izao vanimpotoana misy antsika izao dia mbola ahitana matetika io tranga io. Mazava ho azy fa "fanambadiana ara-drazana" no resaka eto fa tsy "ara-panjakana", satria ny lalàna velona malagasy dia tsy mamela ny "Fananana vady maro". Ny loharano izay nanome ity sary sy tantara ity dia milaza fa 64 no isan'ny zanaky ny Mpanjaka Etsiahazoa eto amin'ny sary tamin'ireo vadiny ireo.
***Ny Fanjakana Mahafaly talohan'ny Fanjanahantany dia voafaritra teo anelanelan'ny Reniranon'Ionilahy sỹ ny Reniranon'i Menarandra. Nizarazara ho Fanjakana madinika maromaro izy ka ireto dimy manaraka ireto no tena nisongadina: Ny Fanjakana Linta, Onilahy, Sakatovo, Menarandra sy Folanaombe. Ny Razamben'ireo Mpanjaka Mahafaly dia sampana anakiray avy amin'ny , izay nipoiran'ireo Mpanjaka Sakalava, Masikoro (Zafindravola),Bara , Antankarana (Zafimbolafotsy)ny Zafindravola (Masikoro), sns ihany koa. Rehefa tonga ny Fanjanahantany dia mbola voatazona ny Rafitra ara-drazana teo amin'ny ankamaroan'ireo Fanjakana mahafaly ireo***.

Sary nindramina
©Antipanahy Ramahery

08/05/2025

⏰ 18h 08 | La fumée est blanche… le 267e Pape est élu

Address

Toliara Madagasikara
Tulear
600

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Toliara Info-Line posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share