22/07/2025
Mistery #12
Miarahaba tompoko,
Roa volana mahery izao no nivontosan'ny fivaviako ka mba mangataka fanampiana raha misy afaka manoro anie azafady indrindra fa tena very hevitra tanteraka.
Tovovavy 21 taona aho ary mipetra-drery fa lavitra ray aman-dreny. Ety amin'ny faritra misy anay moa be olona mifamezivezy kanefa ny tokotany misy ny fanahazan-damba tsy mifefy ka tsy tsikaritro mihitsy hoe nisy naka teo ny silipoko iray, maromaro no teo fa iray no tsy hita ka tsy tsikaritro akory, raha tsy izao tratran'ny fivontosana izao.
Mamoaka fofona mahery sy masiso be ilay izy ary misy tsiranoka manopy maitso tsindraindray. Izaho mihevitra hoe poritra kanefa efa zavatra hafa no mitete tsikelikely ao.
Tena mahatsiaro menatra aho satria na lavidavitra aza mahare io fofona io rehefa mitete hany ka simba tanteraka ny fianarako sy ny fifandraisako amin'ny namana sy ny sisa tsy voatanisa.
Ilay olon-tiako irery ihany no mba nampahafantariko io nahazo ahy io fa tsy mbola nilaza tamin'iza na iza aho, indrindra moa ireo ray aman-dreny satria tsy te anahiran-tsaina azy ireo aho. Izy moa rehefa nahatsapa fa tsy nahasahy niray taminy intsony aho no nahatonga azy nanontany kanefa rehefa nolazaiko azy ny marina dia lazainy fa mandainga aho fa olona misy aretina hono ka nisarahany manta be.
Marary ny fo, marary ny taovam-pananahana kanefa tsy manana an'iza ianteherana aho aty an-tanin'olona aty ka izany no angatahiko torohevitra aminareo, mpitsabo moa raha ny marina.
Ekeko fa fahadisoako no namela azy teo, raha iny izaho lasa nandeha nianatra maraina iny, ka aoka re mba tsy hanameloka ahy intsony ianareo fa torohevitra no ilaiko. Anatra ho amin'ny sisa izao ho an'ny rehetra. Tandremo dia tandremo fa tsy vitsy ireo mpialona.
Miala tsiny fa somary lava dia misaotra indrindra amin'izay torohevitrareo fa raisina am-pitiavana tompoko.