Radio & Télévision Akon'i Befandriana

Radio & Télévision Akon'i Befandriana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio & Télévision Akon'i Befandriana, Befandriana Nord.

BEFANDRIANA-AVARATRA : FANABEAZANA, FANADINANA BAKALOREA 2025Mpiadina miisa 1600 no voasoratra anarana hiatrika ny fanad...
21/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA : FANABEAZANA, FANADINANA BAKALOREA 2025

Mpiadina miisa 1600 no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana Bakalorea ao amin'ny foibem-panadinana roa dia ny CEG sy LYCÉE JEAN VAIN PAUL ato amin'ny CISCO Befandriagna-Avaratra, mitsinjara amin'ny efitrano fanadinana 22 ny ao amin'ny CEG ary 17 kosa ny Lycée Jean Vain Paul.

897 no tonga namaly ny antso tao amin'ny foibem-panadinana CEG raha toa ka 16 kosa no tsy tonga niatrika izany.

Raha ny tao amin'ny foibem-panadinana Lycée Jean Vain Paul kosa , 679 no tonga namonjy ny fanadinana, ary 08 kosa no tsy tonga niatrika izany.

Tamin'ny 7ora maraina ny fiantsoana ny anaran'ny mpiadina, tamin'ny 7ora 30 kosa no nanomboka ny laza adina, taranja Philosophie no nisantarana izany.

Tonga nitsodrano ireo mpiadina ireo ny lehiben'ny District ZARANIVO Ernestine no sady nirarisoa ho Azy ireo. Tazana teo ihany koa ny solontena avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa avy any Antananarivo.

Manao ny asany kosa ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny Polisy sy Zandary.

BEFANDRIANA-AVARATRA : TAMIN'NY 16:35 TEO NO NIGADONA NY ANGIDIMBY NITONDRA NY LAZA ADINA BAKALOREA 2025Efa tonga eto Be...
19/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA : TAMIN'NY 16:35 TEO NO NIGADONA NY ANGIDIMBY NITONDRA NY LAZA ADINA BAKALOREA 2025

Efa tonga eto Befandriana-Avaratra ny laza adina fanadinana Bakalorea androany sabotsy 19 Jolay tamin'ny 4 ora sy 35 minitra tolok'andro teo ny angidimby nitondra ny laza adina bakalaorea ho an'ny Distrikan'i Befandriana-Avaratra.

Tonga nitsena izany ireo OMC izay tarihin'ny Rtoa lehiben'ny District ZARANIVO Ernestine sy Proviseur Lycée Jean vain Paul ary Proviseur Lycée Technique Agricole et Professionnel.

Nohentina avy hatrany any amin'ny tobin'ny Gendarmerie izay toerana voatokana hametrahana ny laza adina.

Rahampitso Alahady 20 Jolay 2025 amin'ny 10 ora maraina kosa no hivory ireo OMC miaraka amin'ny Chef de Centre roa avy amin'ny CEG sy Lycée Jean Vain Paul.

BEFANDRIANA-AVARATRA:  TONTOSA NY ALAROBIA 16 JOLAY 2025 NY FITOKANANA NY EFITRANO SEKOLY ROA EFITRA AO AMIN'NY NY EPP T...
16/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA: TONTOSA NY ALAROBIA 16 JOLAY 2025 NY FITOKANANA NY EFITRANO SEKOLY ROA EFITRA AO AMIN'NY NY EPP TSARARIVOTRA AVY TAMIN'NY ONG AMITIÉ PICARDIE

Hofanampiana ny efi-trano fianarana sy ho fanatsarana ny kalitaony fampianarana ato amin'ny CISCO Befandriana-Avaratra dia nanolotra efitrano fianarana mirefy 7 metatra ny sakany ary 14 metatra ny halavany ao amin'ny EPP Tsararivotra.

Mpiara miombonantoka tamin'ny fanatanterahana izany ny tetikasa Association Amitié Picardie Madagascar.

Dabilio mïsa 50 kosa no natolotra ny Famille MARTIAL sy boky maro ho entina manampy ny fianaran'ny ankizy.

Tonga nanolotra izany taty antoerana PDG - Ste any Frantsa sady CA ONG Amitié - Picardie Madagascar , solontenam-panjakana maro izay notarihin’ny lehibeny District aty an-toerana sy ireo lehiben'ny sampandraharaha maro izay misy aty an-toerana.

Afa-pasahiranana ireo ray aman-drenin'ny mpianatra ao amin'ny EPP TSARARIVOTRA nohony fisitrahana ity trano sekoly ity.

BEFANDRIANA-AVARATRA: KAOMININA ANKARONGANA ,FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN'NY VONDRON'OLONA IFOTINY (VOI) SY FAMETAHANA...
15/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA: KAOMININA ANKARONGANA ,FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN'NY VONDRON'OLONA IFOTINY (VOI) SY FAMETAHANA SAMBOADIN'IREO LEFITRAN'NY BEN'NY TANANA TANY AN-TOERANA

Tontosa soamantsara ny lanonana sy fanaovan-tsonia ny bokin'andraikitra amin'ny famindram-pitantanana ny atiala amin'ireo VOI (Vondron'Olona Ifotony) izay ampaham-pahefana ananany lehiben'ala, amin'ireto tanàna Ankiakasoa-Ambibaka izay Fokontany Ankijanilava sy Fokontany Andilambe. Izay nokarakarain'ny
WCS Makira, ary natrhin'ny lehiben'ny District Rtoa ZARANIVO Ernestine sy ireo teknisianina fiarovana ny tontolo iainana.

Fokontany 07 amin'ireo Fokontany 25 anatiny Kaominina ambanivohitra Ankarongana no voatsidika nandritra izany. Ary tamin'izany ihany koa no nitondrasan'ny lehiben'ny District fanazavana ny mahakasika ny politikam-panjakana amin'ny ankapobeny no sady nanentanany ny mponina ny mahaza-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nofaranana tamin'ny fametahana ny samboadin'ireo lefitran'ny ben'ny tanàna roa mirahalahy izay voafidy tao amin'ny kaominina Ankarongana ity lanonana ity.

Sources: Maire kaominina Ankarongana

BEFANDRIANA-AVARATRA : MPIANATRA 58 EO NO NAHAZO MARI-PAHAIZA AVY TAMIN'NY I3SEGNotanterahina tamin'ny Zoma 11 Juillet 2...
11/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA : MPIANATRA 58 EO NO NAHAZO MARI-PAHAIZA AVY TAMIN'NY I3SEG

Notanterahina tamin'ny Zoma 11 Juillet 2025 ny famoahana mpianatra andian'ny Faha roa izay nitondra anarana "KINTANA" izay nanaraka sampam-piofanana Sciences de la Sociétés de l'Education izay nahitana Bac Pro 13, BTS 32, LICENCE : 10, MASTER I : 01
MASTER II: 03.

Tonga niatrika sy nanome vononahitra izany ireo Lehibeny sampandraharaha aty an-toerana sy ireo solontena avy any amin'ny Faritra Sofia izay nahitana Talem-paritra ny rano fidiovana sy fandiovana ary ny solontenan'ny Talem-paritra Fampianarana Technique.

Ankoatrany izay dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho any andiany faharoa, ao amin'ny I3SEG akaikin'ny Pambabe Manongarivo. Ary hanomboka amin'ny herin'andro ho avy io kosa ny taom-pianarana manaraka.

DREN SOFIA : CISCO BEFANDRIANA-AVARATRA , VOKA-PANADINANA BEPC 2025Nahitana fidinana 57,41 % ny taham-pahavitrihan'ny mp...
10/07/2025

DREN SOFIA : CISCO BEFANDRIANA-AVARATRA
, VOKA-PANADINANA BEPC 2025

Nahitana fidinana 57,41 % ny taham-pahavitrihan'ny mpiadina afaka fanadinana BEPC tamin'ity taona 2025 ity raha oharina tamin'ny taon-dasa.

Mpiadina miisa 2280 no afaka tamin'ny fanadinana BEPC tam'ireo mpianatra 4081voasoratra anarana niatrika izany raha tato amin'ny CISCO Befandriana-Avaratra.

Afaka jerena ao amin'ny CEG sy LYCÉE JEAN VAIN PAUL eto an-toerana ireo ny voka-panadinana BEPC 2025.

Niarahaba ireo afa-panadinana BEPC 2025 ny lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana eto Befandriana-Avaratra , ary nampahery kosa Izy ho an'ireo izay tsy afaka.

BEFANDRIANA-AVARATRA : JIRAMA , MITOKONA TSY MIASA NY MPIASAN'NY JIRAMA MANERANA NY NOSYMiroso amin'ny fitakiana ny fano...
09/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA : JIRAMA , MITOKONA TSY MIASA NY MPIASAN'NY JIRAMA MANERANA NY NOSY

Miroso amin'ny fitakiana ny fanovana ny "STATUT VAOVAO" ny mpiasa ao amin'ny Orinasa JIRAMA . Isan'ny nandray anjara tamin'izany ireo mpiasa ao amin'ny Orinasa JIRAMA eto Befandriana-Avaratra.

Nikatona sy tsy niasa Izy ireo ny Alorobia 09 Jolay 2025.
Ary nahitana sora-baventy ihany koa ny teo amin'ny vavahady ny biraon'ny Jirama taty an-toerana, ho fanehoana ny firaisan-kina amin'ireo mpiasa JIRAMA rehetra, manoloanan'ny fitakiana ny fanovana ny STATUT VAOVAO JIRAMA no antony izao fihetsiketsehana izao.

BEFANDRIANA-AVARATRA : FANABEAZANA (FANADINANA BEP)Mpiadina miisa 26 no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjaka...
01/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA : FANABEAZANA (FANADINANA BEP)

Mpiadina miisa 26 no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakana BEP Technique teto amin'ny Distrikan'ny Befandriana, ka ny iray ihany no tsy tonga namonjy ny fadadinana.

Tamin'ny 07 ora sy sasany maraina no nanomboka ny fiantsoana anaran'ireo kandinda ary tamin'ny 08 ora maraina kosa ny fanombohana.
Taranja Malagasy no nisantarana izany.

BEFANDRIANA-AVARATRA : FANABEAZANA(BEPC) Nizotra tampilaminana ny fanadinam-panjakana BEPC ny taona 2025 teto amin'ny Di...
01/07/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA : FANABEAZANA(BEPC)

Nizotra tampilaminana ny fanadinam-panjakana BEPC ny taona 2025 teto amin'ny Distrikan'ny Befandriana Avaratra.

Mpiadina miisa 4081 no voasoratra anarana tato amin'ny CISCO Befandriana Avaratra, ka ny 132 no tsy tonga niatrika izany.

Ny 228 no option A, ary ny 3853 kosa ny option B.
Zaza lahy 10 taona no zandriny indrindra, ary 41 taona kosa zokiny indrindra.

Raha amin'ny ivon-toerana eto Befandriana Avaratra manokana dia mpiadina miisa 888 no voasoratra anarana, izay nozaraina ivon-toerana roa, ny ivon-toerana ao amin'ny CEG Befandriana Avaratra dia ahitana mpianatra 405, ka ny 22 no option A, ary 383 ny option B.
Ny ivon-toerana Lycée Jean Vain Paul Befandriana Avaratra kosa ahitana 483, ka ny 36 option A ary 447 kosa ny option B.

Tamin'ny 07 ora sy sasany maraina no fiantsoana ireo kandinda ary tamin'ny 08 ora kosa ny fanombohana.

Tonga nitsodrano ireto mpanala fanadinana ny lehiben'ny farimpiadidiana ny fampianarana eto amin'ny CISCO Befandriana avaratra ny Dr RAZAFITONIJARA Marcellin.
Ary nahitana solontenam-panjakana roa ihany koa avy ao amin'ny DREN SOFIA Antsohihy izay hanara-maso ny fanadinana.

27/06/2025

Befandriana-Avaratra: Akon'ny 26 Jona 2025

BEFANDRIANA-AVARATRA: FANKALAZANA NY ANDRON'NY 26 JONA 2025Niavaka ny fankalazana ny andron'ny 26 jona teto amin'ny Dist...
26/06/2025

BEFANDRIANA-AVARATRA: FANKALAZANA NY ANDRON'NY 26 JONA 2025

Niavaka ny fankalazana ny andron'ny 26 jona teto amin'ny Distrikan'ny Befandriana-Avaratra tamin'ity taona 2025 ity.
Ny Olom-pirenena maro no tonga teo anoloan'ny Kaominina Ambonivohitra ny Befandriana-Avaratra.
Hetsika maro Samy hafa no hita nandritran' izany, ka tsy latsa-danja tamin'izany ireo kolontsaina Malagasy izay anisan'ny mampiavaka ny Tsimihety, amin'ny dihy Bawejy sy malesa ary ny antosy.

Nandritran'izao fankalazana ny faha 65 taonany niverenan'ny Fahaleovan-tena izao ihany koa no nahazahoan'ireo 6 mianadahy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National.

Nofaranana tamin'ny matso lehibe izay notarihin'ny Foloalindahy avy ao amin'ny Zandarmerim-pirenena ary narahan'ny Fikambanana maro samihafa avy eto an-toerana.

Sary vitsitsy nandritrany Marathon vehivavy sy lehilahy tamin'ny Alarobia 25 Jona ho fanamarihana ny fankalazana ny hets...
25/06/2025

Sary vitsitsy nandritrany Marathon vehivavy sy lehilahy tamin'ny Alarobia 25 Jona ho fanamarihana ny fankalazana ny hetsika 26 Jona taty amin'ny District Befandriana-Avaratra.

Address

Befandriana Nord

Telephone

+261348780770

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio & Télévision Akon'i Befandriana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio & Télévision Akon'i Befandriana:

Share