25/06/2025
FANAMBARANA AVY AMIN’NY DIOSEZIN’AMBOSITRA
Ny Eveka sy ny Pretra rehetra ato amin’ny Diosezin’Ambositra,
Manoloana ny trangan’aretina niteraka fatiolona maro mahazo ny Malagasy mpiray tanindrazana izao, indrindra tamin’ity herinandro ity teto amin’ny Diosezin’Ambositra, dia mitondra izao teny fankaherezana ho an'ireo fianankaviana tratr'izao fahampoizinana ara tsakafo izao.
Tato anatin’ny herinandro vitsvitsy izay, dia nifanesisesy ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo teto Madagasikara Fahasoavana no nifanasan’ny mpianakavy hiara-misakafo sy hiara-paly, kanefa fahafatesana vokatry ny fahapozinana ara-tsakafo no nitranga; tsy tamin’ny toerana iray fa nitranga tamin’ny toerana samihafa. ary nahafaty olona am-polony maro manerana ny Nosy, ka mahalasa eritreritra sy nampivarahontsana ny sain’ny maro.
Ontsa ny fo, mandre ny fitombon’ny namoy ny ainy isan’andro. Indrindra, fahatairana lehibe ny nandrenesana ny vaovao hatramin’ny omaly talata 24 Jiona 2025 fa nisy tranga fahapoizinana ara-tsakafo koa teto amin’ny Diôsezintsika. Maro ireo olona naiditra hôpitaly maika. Maro tamin’izy ireo no namoy ny ainy. Hatreto dia 11 no namoy ny ainyny teto Ambositra.
Amin’ny maha raiamandreny anay, dia mitodika voalohany indrindra aminareo fianakaviana mana-manjo izahay : Miondrika amim-panajana manoloana ireo nindaosin’ny fahafatesana izahay, miombom-bavaka aminareo ho fialantsasatry ny fanahin’ireo nodimandry sy ho fankaherezana anareo namoy havana aman-tsakaiza. Ary mivavaka ho an’ireo izay mbola miady amin’ny aretina manohy ny fitsaboana, mba hahazo fahasalamana haingana.
Mankasitraka sy mankahery anareo mpitsabo izay mandray andraikitra sy miezaka mafy miasa mangina mikarakara ny marary izahay.
Ankoatr’izany dia angatahanay ny fandraisana andraikitra avy aminareo mpitondra Fanjakana isan’ambaratongany, na ny eto amin’ny Faritra Amoron’i Mania na ny amin’ny foibe, manoloana izao zava-misy izao. Koa mangataka izahay ny mba hanafainganana ny fanadihadiana nahatonga ity fanapoizinana ara-tsakafo ity izao ka hampahafantarana ny antony marina mahatonga izao fahafatesana mikararana izao, mba hahafahana mitandrina sy misoroka ny loza toy izao, ary hamoahana haingana ny zava-misy marina mahatonga izao voina izao mba tsy hitarika fikorontanana eny anivon'ny fiaraha-monina.
Izahay Eveka sy Pretra dia manamafy fa akaiky sy miombona fo sy fanahy amintsika vahoakan’Ambositra. Raha mitranga izao loza izao, tsy sanatria akory mandao na mahafoy antsika Andriamanitra, fa ny zava-mitranga dia lakolosy manaitra ny mpitondra fanjakana sy ny isam-batan’olona, handray andraikitra.manandrify azy.
Ambositra, anio 25 Jona 2025
Ny Eveka sy ny Pretra