Mickaÿa

Mickaÿa ⚽👟👕🥅

........teny a!!!-Teny!  Teny. I  Teny iii!!!...Tompo ô! Nahoana no tsy rehany.-Teny!Mitenena ianao,Nahoana no manginaTs...
09/07/2024

........teny a!!!

-Teny!
Teny. I Teny iii!!!...

Tompo ô!
Nahoana no tsy rehany.

-Teny!

Mitenena ianao,
Nahoana no mangina
Tsy loam_peo,sina
Eny atramin'izao?

-Teny , I Teny iii? Teny!

Lazao,
Miarena ianao teny a!!
Fahaizo,
Ireny manaratsy ireny...

Asehoy fa,,
Ianao no tena teny
Ianao no tenin_dreny
Tsy izany ihany anefa;

Teny? Teny,! Mitenena fa

Ianao no nitaiza,
Niady sy nitolona.
Atramin'ireo zaza
Nataonao olom-banona...

Teny iiii!!!

Mitraka ka mahereza
Ry teny ,Mitenena,
Mipetraha,io lahy ny seza
Takio ny fahaleovantena

Teny...
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"

Matahotra aho ny hamaly   Ny fitia natolotrao,       Sao ianao indray no ampihely              Ireo ratram_poko ao.Menat...
09/07/2024

Matahotra aho ny hamaly
Ny fitia natolotrao,
Sao ianao indray no ampihely
Ireo ratram_poko ao.

Menatra aho ny hiteny
Fa mahantra noho ianao.
Tsy vitako rahatr'izay
Ny hoe atositosikao!

Tiko tokoa enao kanefa
Miahotra ny vavako...
Vao hoe hifanojo isika d'efa
Mivarahotsana ny tavako!

Manahy mafy aho ny hilaza
Ny ato am_poko manontolo.
Fa mbola herotrero_jaza
Vao misarisary zoro...

Tiko lesy ialahy a!
Dia matahotra aho ny hiteny
Fitia mahery ny ahiahy
Ka aleoko mitia samirery!

Tia fa tsy miteny...
Ranosoratra(Espérence Fanyah)

Misy fo mifankatia anyFa tsy natao hifankahita.. Noho ny sompatry ny tanyMisy fo mifanembonaFa lavitr'olon_tiana..Isanan...
09/07/2024

Misy fo mifankatia any
Fa tsy natao hifankahita..
Noho ny sompatry ny tany

Misy fo mifanembona
Fa lavitr'olon_tiana..
Isanandro koa misaona

Misy fo samy tia,kanefa...
Tsy mba miara_dia
Mifampitsiky dia milefa

Misy fo iray tsy sahy mivaky
Na dia hita izao fa tia...
Ka Maniry ny ho tiana mafy

Misy koa mifankatia
Tsy afaka ny hiaona...
Mandrakizay doria

Misy....

....Ranosoratra....

Address

Antananarivo

Telephone

+261342213365

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mickaÿa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share