Mickaÿa

Mickaÿa Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mickaÿa, Antananarivo.

........teny a!!!-Teny!  Teny. I  Teny iii!!!...Tompo ô! Nahoana no tsy rehany.-Teny!Mitenena ianao,Nahoana no manginaTs...
09/07/2024

........teny a!!!

-Teny!
Teny. I Teny iii!!!...

Tompo ô!
Nahoana no tsy rehany.

-Teny!

Mitenena ianao,
Nahoana no mangina
Tsy loam_peo,sina
Eny atramin'izao?

-Teny , I Teny iii? Teny!

Lazao,
Miarena ianao teny a!!
Fahaizo,
Ireny manaratsy ireny...

Asehoy fa,,
Ianao no tena teny
Ianao no tenin_dreny
Tsy izany ihany anefa;

Teny? Teny,! Mitenena fa

Ianao no nitaiza,
Niady sy nitolona.
Atramin'ireo zaza
Nataonao olom-banona...

Teny iiii!!!

Mitraka ka mahereza
Ry teny ,Mitenena,
Mipetraha,io lahy ny seza
Takio ny fahaleovantena

Teny...
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"

Matahotra aho ny hamaly   Ny fitia natolotrao,       Sao ianao indray no ampihely              Ireo ratram_poko ao.Menat...
09/07/2024

Matahotra aho ny hamaly
Ny fitia natolotrao,
Sao ianao indray no ampihely
Ireo ratram_poko ao.

Menatra aho ny hiteny
Fa mahantra noho ianao.
Tsy vitako rahatr'izay
Ny hoe atositosikao!

Tiko tokoa enao kanefa
Miahotra ny vavako...
Vao hoe hifanojo isika d'efa
Mivarahotsana ny tavako!

Manahy mafy aho ny hilaza
Ny ato am_poko manontolo.
Fa mbola herotrero_jaza
Vao misarisary zoro...

Tiko lesy ialahy a!
Dia matahotra aho ny hiteny
Fitia mahery ny ahiahy
Ka aleoko mitia samirery!

Tia fa tsy miteny...
Ranosoratra(Espérence Fanyah)

Misy fo mifankatia anyFa tsy natao hifankahita.. Noho ny sompatry ny tanyMisy fo mifanembonaFa lavitr'olon_tiana..Isanan...
09/07/2024

Misy fo mifankatia any
Fa tsy natao hifankahita..
Noho ny sompatry ny tany

Misy fo mifanembona
Fa lavitr'olon_tiana..
Isanandro koa misaona

Misy fo samy tia,kanefa...
Tsy mba miara_dia
Mifampitsiky dia milefa

Misy fo iray tsy sahy mivaky
Na dia hita izao fa tia...
Ka Maniry ny ho tiana mafy

Misy koa mifankatia
Tsy afaka ny hiaona...
Mandrakizay doria

Misy....

....Ranosoratra....

(Fiainako) vakio🙃😊Aza omena tsiny aky malalaRaha nampirafy anao,Ka dia tsy nampahalalaNy ratram_poko rehetra tao.Mila ta...
22/04/2021

(Fiainako) vakio🙃😊

Aza omena tsiny aky malala
Raha nampirafy anao,
Ka dia tsy nampahalala
Ny ratram_poko rehetra tao.

Mila tambitamby aky ny foko aa,
Saingy tsitako aminao izany.
Dia nitady ny hafa loko
Mba amenoko ny banga ihany..

Masoko isanandro manganohano
Mitady ny endrikao ao andohako ao,
Niantso mafy aho hoe tohano
Ka nanaiky ireo mpandalo,,,

Ny tanako te amikotra ny tananao,
No tsy nahatanty ny hirifirin'ny ririnina
Nahita landy toa anao
Ka nivadim_pitokiana

Ny banga no nofenoiny ee
Aza omena tsiny,
Isaorako aza izy iny
Nankahery mampitony

Aza omena tsiny....

🤢🤢🤢😊🤢

Apinga tsara tefy Lefona maranitra,Fa rehefa injay tomefyDia matsiro fa maratraNy foko  vao nitia.Babon'ny fahatsoranyKa...
12/01/2021

Apinga tsara tefy
Lefona maranitra,
Fa rehefa injay tomefy
Dia matsiro fa maratra
Ny foko vao nitia.
Babon'ny fahatsorany
Ka maika ny halia,
Kinanjo vao natopany
Nanaiky resy mora foana...

Mafy ny onja netin_drivotra
Baka sasatry ny mita
Ka anio malaina ny hizotra
Any an_tany tsy fahita.

Voafitaka
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo" R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"

Miondàna eto an_tratrako, Matoria fotsiny ihanyDia mahaiza maka mamyNy fidoboky ny  foko     Makafy anao....Alaivo nofy ...
11/01/2021

Miondàna eto an_tratrako,
Matoria fotsiny ihany
Dia mahaiza maka mamy
Ny fidoboky ny foko
Makafy anao....

Alaivo nofy ao aho,
Tsarovy indray mitopy
Ao anatin'ny masonao mikipy
Ny lasantsika roa
Mahaiza mahatsiaro

Asio vavaka miredareda
Mba tsy ho nofy fotsiny ihany,
Dia ho samy sambatra eto an_tany
Ilay fitia kisendrasendra
Raha toa ka sitrakao

Etsy matoria ...II
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"

Azafady aky rahavakoRaha niantso anao t@ izany,Izao vao tena tsapakoFa ambim-bava fotsiny ihany!☺Diso aky zaho nafantatr...
04/01/2021

Azafady aky rahavako
Raha niantso anao t@ izany,
Izao vao tena tsapako
Fa ambim-bava fotsiny ihany!☺

Diso aky zaho nafantatra anao
Tsy mba nampozoko akory
Hoe isika anie ka hifandao
Fa hay mbola sairintsariny

Mamelaha ahy ianao rahavako
Raha nanolotra fitia taminao,
nampitondra alahelo sy toloko.
Hiangaviko enao mba fafao!😉

Ankehitriny aky vao tsapako aa
Fa efitra fitia no nomeko anao.
Adaladala ihany ny foko,
Nianatra nitia,nianatra nandao!

Azafady aky rahavako❕
Ranosoratra .M

Mifona aky malala a Raha tsy nampahalala Ny marina nokobonikoTamiko ,ela tao anatikoSaingy tsy vatrako ho tazominaNy  ta...
04/01/2021

Mifona aky malala a
Raha tsy nampahalala
Ny marina nokoboniko
Tamiko ,ela tao anatiko

Saingy tsy vatrako ho tazomina
Ny tantarako rehetra.
Fa sarotra tolomina e,
Voagejan' ny fehipetra.
Nisy taminay.

Lalina dia lalina izy ireny,
Sombitsombin_dresaka
No hita sy rè teny ho eny
Fa hay izay nisaraka!

Tsy nolazaiko anao izany
Satria noheviko ho toa inona
Ny fihotsaky ny tany
Raha sendra hamandoana
Handemy indray lay antsana

Mifono aky malala!!

Ny lasako

R.M

Noëly fahatsiarovana...Asa mba tsaroany ny alina manginaNiarahanay nihira sy nikaloNibitsihany ny foko raha sendra ka so...
24/12/2020

Noëly fahatsiarovana...

Asa mba tsaroany ny alina mangina
Niarahanay nihira sy nikalo
Nibitsihany ny foko raha sendra ka sondriana,
Navadibadiky ny taona maika himalo...
Fa mitsingerina anio ny fotoana,


Noely ny andro tamin'izay...
Kisendrasendra raha tsarona
No nifankafataranay...
Ny sasak'alina iny
No nitsirian'ny fo mitempo
Raha tojo anao fahiny,
Ankehitriny zary lasa sento
Ny mahita ireo miventso
Fa teraka ny Tompo.

Saingy anio dia teraka ny tsiaron'
Ny teny maminao tamin'izany..
Ny feonao malefaka kobonin'
Ny feon_kira mifangaroharo...

R.M

Izaho ilay notiavinyIzaho ilay nitokianyIzaho ilay nankahalaIzaho ilay tsy nahalala          ...izay tena tao an_dohanyA...
21/12/2020

Izaho ilay notiaviny
Izaho ilay nitokiany
Izaho ilay nankahala
Izaho ilay tsy nahalala
...izay tena tao an_dohany

Ankehitriny kosa..;

Izaho nataony tohatra
Fa mihezaka mizaka;
Rehefa injay izy potraka
Mbola izao no mampitraka
...mapifaly mampitony

Les oiseaux

Raha...Raha mba nisaina kely izao indry tamin'irenyKa mba nitsinjo ny fiainana aorianaOhatran'izay iny zaza inyMba niana...
20/12/2020

Raha...

Raha mba nisaina kely
izao indry tamin'ireny
Ka mba nitsinjo ny fiainana aoriana
Ohatran'izay iny zaza iny
Mba nianatra niteny
Dia niara nisangy teo ambony fandriana...

Raha mba nandinika kely
Izao 'ndry tamin'ireny..
Tsy niraharaha 'zay fanaratsiana
Ohatran'izay iny zaza iny niantso hoe Neny!

Raha nandinika kely
Izao 'ndry tamin'ireny
Vonon_kizaka ny valin'ny ditra
Otran'izay mba kambaka kely
Dia Nahavita namabo ny rehetra nahita..

Saingy, 'ndry tsy misaina,
Zavatra vita no nalàna
Tsy navela nahita ny andro maraina
Tsy norarahiana satria tsy mitaraina
Izao 'ty 'ndry zary mangaina

Nefa raha niaritra kely
Izao 'ndry tamin'ireny...
Iny zaza iny efa miteny:
Tsy ahoako raha i dada
Fa tiko be *Neny*...

Ny avana
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"

Address

Antananarivo

Telephone

+261342213365

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mickaÿa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share