26/02/2024
... ✍🏻
Dia ianao variana manao alina fotsy
Midongy mafy erý ny tsy hatory
Milaza fa hoe: mafy loatra ny ratra mampahory
Any anefa misy mivavaka mangiana, no sady mamelatra ny tsihy
Mahavita mitomany , fa leo ny mandry amin'ny tany
Tena leo ny mipetraka anaty tranon-drofia
Dia ianao aty mikomy milaza ny tsy hanoy intsony
Na ny sakafo aza zara raha hoanina ,
Fa minia manao an-tery ny manao karemy
Nefa any misy mifanjevo, mitady izay ho harapaka
mitady izay mba ho anjarany eny anaty lavaka
dia mitsimpona, mitsindroka ny latsaka ...
Ny marina!
Aza variana migentsana mitady ny lafatra sy tsara
Aza variana mandany lera mitomany, noho ny akason'ny tany
Fa any ho any mbola misy mizaka mafy noho io hatrehanao io.
Tsy manamaivana aho akory, fa tiako ianao mba ho tonga saina
Dia mba hankafia , hanomboka hamelona ny fanantenana
Hiaina, ho velona arak'izay tratra...
Herman✍