KOLO TV/FM Tamatave

  • Home
  • KOLO TV/FM Tamatave

KOLO TV/FM Tamatave Kolo Tv Canal 38 ou 607.25 MHz
Kolo Fm 88.8 MHz
La Télé autrement... La Radio active.

✨𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗭𝗼𝗺𝗮✨♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : aza mora mandray an-tendrony loatra ary fakafakao tsara ny tiany hahatongavana izay vao mandr...
17/10/2025

✨𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗭𝗼𝗺𝗮✨

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : aza mora mandray an-tendrony loatra ary fakafakao tsara ny tiany hahatongavana izay vao mandray fepetra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 12

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : fidifidio tsara ny teny sy ny fihetsika atao mba tsy handratra na hanafintohina ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 5

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : hihaino anao ny hafa anio ka mahaiza manararoatra mamoaka ny ao am-po rehetra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 7

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : miravona foana io disadisa io raha toa ka mahay mifampihaino sy mifampiresaka mivantana am-pitoniana ianareo.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga antitra
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 4

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : aza atao sakana tsy hifaneraserana ny tsy fitoviana, na ara-pari-piainana izany na ara-piaviana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 9

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : izay mangina volamena! Mangina eo foana ny mpanaratsy rehefa tsy hainoinao sy tsy valianao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 8

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : mifalia fa hanampy anao anio ilay tena namana sy tia anao amin'ny fo madio iny.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 3

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : raha misy azo atao dia tohano amin'izao olana sedrainy izao izy. Izany rahateo no tena porofom-pitiavana lehibe indrindra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 6

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : hitarika olona ianao ato ho ato ka tsarovy foana fa mitaky toetra azo alain-tahaka izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomparasy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 4

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : alohan'ny hanakianana ny hafa dia miezaha aloha mipetraka amin'ny toerana misy azy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 3

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : fotoana tsara hiarahana amin'ny namana anio mba hanamaivana sy hialana kely amin'ny rotorotom-piainana mahazatra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 6

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : lanjalanjao ihany ny fampanantenana atao amin'ny hafa satria mora ny miteny fa sarotra ny manatanteraka.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Scorpion
𝐈𝐬𝐚 : 9.....................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

✨𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆✨♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : mila manao drafitra handrindrana ny fandaniana ara-bola mihitsy ianao mba hitsinjovana n...
16/10/2025

✨𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆✨

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : mila manao drafitra handrindrana ny fandaniana ara-bola mihitsy ianao mba hitsinjovana ny fiainana ho avy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 4, 8

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : mety hahita tolotra tsy mifanaraka amin'ny fahaiza-manaonao ianao anio! Aza misalasala fa ny fahasahiana sy ny fahavononana hiroso no hanampy anao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 3, 12

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : io fananana ahiahy be loatra amin'ny zavatra rehetra kasaiana hatao io no sakana tsy mampandroso anao!
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Scorpion
𝐈𝐬𝐚 : 7, 9

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : aza mbola manary toky aloha fa sedra mandalo fotsiny io ary efa tsy lavitra ny fandresena.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Gémeaux
𝐈𝐬𝐚 : 3, 19

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : raiso ary diniho tsara ihany aloha ny torohevitry ny hafa sao izany no hahasoa anao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 5, 23

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : aza miseho ho mahavita tena fa tsy vitanao io raha tsy misy fanohanana kely avy amin'ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 4, 8

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : aza misisika intsony fa mitadiava vahaolana hafa indray rehefa hita fa tsy nahomby ilay teo aloha.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomparasy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 8, 18

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : manana ny fahaiza-manaonao ianao, saingy ilaina hatrany ny fihainoana ireo efa andrarezina tamin'io sehatra misy anao io.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 5, 9

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : mba tsy hanenenana dia aza maika fa makà bahana tsara aloha ary diniho tsara mandritra izany ny tokony hizorana indray.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 8, 22

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : aza ny hafa no hifaninanana fa ny tsara vitanao omaly.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 4, 11

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : azy miandry ny hafa foana fa meteza ho tompon'andraikitra ary sahia mandray fanapahan-kevitra matotra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 3, 16

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : ataovy an-tsaina fa fianarana ny fiainana. Noho izany, tsy natao hahakivy ny tsy fahombiazana fa natao hakana lesona.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 1, 11...........................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟 𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : karakarao tsara ny endrika ivelany sy ny toetra anaty ary asehoy ny tsara rehetra any a...
15/10/2025

🌟 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : karakarao tsara ny endrika ivelany sy ny toetra anaty ary asehoy ny tsara rehetra any aminao raha tianao ny hanintona sy hisarika ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy botsiaka
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Scorpion
𝐈𝐬𝐚 : 6

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : miomàna fa mety hahita olona vaovao ho lasa akaiky anao ianao anio ary mahaiza manokatra ny fonao ho azy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 7

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : mandania fotoana hifaneraserana amin’ny fianakaviana fa izany hahazoanao hafaliana sy fiadanam-po anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 4

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : ilaina ny mahaleo tena, saingy tena tsara ary hampivelatra anao kokoa ny fahaizana misokatra amin'ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 3

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : hirindra tsara ny fifandraisanao amin'ny namana na fianakaviana anio ary aoka tsy ho ianao no hanakorontana izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 2

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : ampandefero aloha ny hevitrao fa ny fahaizana mihaino ny hafa no ilainao anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : Volomparasy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 1

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : ataovy mazava sy mahitsy tsara ny fanehoan-kevitrao mba hanova ny fandraisan'ny hafa azy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 4

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : mandehana mivoaka anio ary zarao amin'ny olona akaiky ny olanao mba hanamaivana azy sy hisorohana ny rarin-tsaina.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volontany
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 6

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : raha mbola tianao hitohy ny fihavanana dia manaova dingana voalohany mifampiresaka aminy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : cancer
𝐈𝐬𝐚 : 7

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : variana amin'ny any ivelany loatra ianao ka lasa mangatsiaka ny fihavanana ao an-tokantrano. Mba manokàna fotoana ho azy ireo!
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 8

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : ny fahasahianao manitsy ny tsy mety ataon'io olona akaiky anao io no tena porofom-pitiavana lehibe.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomparasy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 6

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : ho hainao amin'izao fotoan-tsarotra lalovanao izao ny atao hoe tena namana sy ny namanamana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 2.........................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗧𝗮𝗹𝗮𝘁𝗮🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : aza atao ambanin-javatra ny sakafo, indrindra fa ny maraina, izay azo lazaina fa miantoka n...
14/10/2025

🌟𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗧𝗮𝗹𝗮𝘁𝗮🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : aza atao ambanin-javatra ny sakafo, indrindra fa ny maraina, izay azo lazaina fa miantoka ny tontolo andronao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 13

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : hahatsapa havizanana kely ianao anio, ka ny fialan-tsasatra sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalama no hampisinda izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 28

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : ny fitsaharana kely amin'ny asa aman-draharaha no fomba iray tena tsara hanatsarana ny toe-batana sy ny toe-pahasalamanao anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Toureau
𝐈𝐬𝐚 : 11

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : anananao ny hery sy tanjaka ary fahasalamana, saingy tsy hisy handeha amin'izay laoniny eo rehefa ny fahazotoana no tsy eo.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 19

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : aza dia diso miasa loha be loatra amin'izay zava-miseho rehetra mba hisorohana ny harerahan-tsaina.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volontany
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 23

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : manàna fahazotoana manetsi-batana amin'izao maraina izao mba hananana fahavitrihana hiatrehana ny asa aman-draharaha.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 18

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : mila mampiadan-tsaina kely ianao anio ka ataovy izay fialam-boly tena mahafinaritra anao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena midorehitra
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 27

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : aza atao ambanin-javatra ny fanokanana fotoana kely hitsaharana mba hanalefahana ny havizanana sy hanangonana hery vaovao indray.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Scorpion
𝐈𝐬𝐚 : 10

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : tandremo ny misakafo be loatra na amin’ny fotoana tsy voaomana na tsy mahazatra mba hisin'ny olana eo amin’ny fandevonan-kanina.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 22

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : ho mora tohina amin'ny fanehoan-kevitry ny hafa ianao anio ka fadio aloha ny miady hevitra amin'ny tsy dia ilaina sy tsy laharam-pahamehana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 10

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : fotoana tsara hialana amin'ny fiankinan-doha amin'ireo sakafo efa fantatra fa tsy mitondra fahasalamana ho anao izao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga antitra
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Gémeaux
𝐈𝐬𝐚 : 12

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : mety hisedra olana kely hiteraka alahelo sy ratram-po ianao. Hisava eo ihany anefa izany rehefa hainao ny mizara azy amin'ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomparasy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 33..........................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟 𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : teny sy fihetsika ihany dia efa ampy hanehoana fitiavana fa aza mitady sarotra sy zavatr...
11/10/2025

🌟 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : teny sy fihetsika ihany dia efa ampy hanehoana fitiavana fa aza mitady sarotra sy zavatra tsy hisy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 7

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : samy tia ianareo, saingy tsy ampy fifampiresahana sy fifanakalozana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 8

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : tsy resabe na fampanantenana no ilainy izao fa ianao mandray azy ho laharam-pahamehana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomparasy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 4

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : ny fahavononanao hiova sy hanonitra ny fahadisoana natao no hampilamina indray ny fiarahanareo.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 9

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : mety hisy olana kely hiseho amin'ny fiarahanareo anio ka mahaiza mifampiresaka am-pitoniana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Gémeaux
𝐈𝐬𝐚 : 6

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : aza mampijaly tena ary aleo tsy misy rehefa ny fifampitokisana no tsy ampy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volontany
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 1

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : tsy izay tianao foana akory no atao fa mba henoy ary raiso ihany ny heviny.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 5

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : aza atao maharatsy fihavanana ny fitia tsy raikitra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Scorpion
𝐈𝐬𝐚 : 2

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : rehefa mahita tsy fetezana dia sahia mandray fanapahan-kevitra dieny mbola tsy tafalatsaka lalina.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 3

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : tandremo ihany ny fihetse-po mba tsy hanaovanaovam-poana. Aoka ny saina no hibaiko anao fa tsy ny fo fotsiny ihany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 7

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : ilaina ny tsy fitovian-kevitra, saingy lanjalanjao ihany ary mahaiza mijery ny marimaritra iraisana mba tsy hisian'ny fifamaliana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 6

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : ho tsara vintana ary hahomby amin'ny zavatra atao miaraka ianareo anio ka mahaiza manararoatra izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Scopion
𝐈𝐬𝐚 : 1....................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟 𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆 🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : fotoana tsara hahanginana sy hanomezanao lanja ny hevitry ny hafa anio. 𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga𝐌𝐢...
09/10/2025

🌟 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆 🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : fotoana tsara hahanginana sy hanomezanao lanja ny hevitry ny hafa anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 22

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : mianara mandeha irery sahady satria tsy ho eo foana akory ireo olona manohana anao ireo.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 30

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : safidy ny fiainana ka aleo andeha izay te handeha fa aza terena hijanona.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 19

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : raha mahatsapa ianao hoe manana ny marina dia aza miafiafy mihitsy fa sahia mijoro amin'izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 16

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : zonao ny tezitra, saingy fehezo ihany ny vava sao hiteniteny foana na hamoaka hevitra tsy voadinika.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 29

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : rehefa tena tsy vita dia aza sakanana ireo olona te hanampy anao. Ahenao ihany koa ny hambom-po.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy botsiaka
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 10

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : aza be fanahiana loatra fa efa milamina avokoa ny zava-drehetra. Ny fahasahianao miteny sisa no andrasana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 18

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : tanteraho ny teny nomena fa aza mampanantena poakaty!
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 12

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : fantaro tsara aloha izay tena laharam-pahamehana sy zava-dehibe eo amin'ny fiainanao mba hahafahanao miroso amin'ny dingana manaraka.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Vierge
𝐈𝐬𝐚 : 16

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : mety hisy fiovan-javatra kely tsy araka ny eritreritrao hiseho anio ka manàna fahavononana hiatrika izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 17

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : aza varimbariana fa mandeha ny fotoana! Vitao izay tokony hatao mba tsy hampavesatra ny rahampitso.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 15

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : aza maika! Mba tsy hanenenana dia mandiniha tsara alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra sy fepetra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 13.............................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟 𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : tsara kokoa ny manome noho ny mandray ka mba mahafoiza ho an'ny hafa raha manana fahafa...
08/10/2025

🌟 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : tsara kokoa ny manome noho ny mandray ka mba mahafoiza ho an'ny hafa raha manana fahafahana ihany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 10

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : tsy diso akory ny hevitrao fa ny fahatokisan-tena no tsy ampy. Miezaha mijoro amin'izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 3

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : zava-poana ny finoana tsy arahina asa. Raha te hahomby ianao dia mila miasa fa tsy mijanona amin'ny nofinofy fotsiny ihany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 9

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : fidifidio ihany ny olona itantarana olana sao hampiitatra azy indray na hanampy olana vaovao izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 5

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : mitadiava fomba hilazana ny marina rehetra dieny izao satria tsy maintsy hiseho izany na ho ela na ho aingana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy botsiaka
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 4

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : aza mitady ny tsy hita fa izay efa eo am-pelantananao aloha hanombohana azy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 6

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : lalam-piainana ny tsy fahombiazana ka mampihara drafitra vaovao indray rehefa tsy nahomby ilay teo aloha.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 3

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : aza mbola kivy aloha na manary toky fa tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 7

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : mety ho kamo ianao anio, saingy mandehana dieny malaina sao tsy ho afaka intsony rehefa mazoto.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 2

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : tsy misy mangidy tsy andramana izany! Vita foana io rehefa vonona sy sahy ianao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 8

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : mahareta kely fa efa tsy lavitra intsony ny fahombiazana. Tadidio fa izay afafy ihany no hojinjainao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavo
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 1

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : velozo ny vy dieny mafana ary aza lalovana fotsiny izay tranga fanararoatra miseho rehetra.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 9....................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🔥🛑 "𝗘𝗙𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔"📻Io no lohatenin'ny   arahinareo eto amin'ny   amin'ity herinandro ity, ny Alatsinainy ka hatramin'ny...
07/10/2025

🔥🛑 "𝗘𝗙𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔"
📻Io no lohatenin'ny arahinareo eto amin'ny amin'ity herinandro ity, ny Alatsinainy ka hatramin'ny Sabotsy amin'ny 7 ora hariva.

🔃 Miverina manontolo izany ny Alahady amin'ny 2 ora tolakandro. 😊


.....................
👉Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟 𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝘆🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : aza manahy fa hizotra tsara ny tontolo andronao anio, raha toa ka hainao ny miatrika ...
06/10/2025

🌟 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝘆🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : aza manahy fa hizotra tsara ny tontolo andronao anio, raha toa ka hainao ny miatrika azy am-pifaliana sy am-pahazotoana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 22

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : aza mbola miresaka betsaka aloha fa aleo ny asa vita no hifampitsaràna.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 18

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : aza laniana amin'ny zavatra tsy mitondra soa ny fotoananao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 10

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : mizotra araka ny tokony ho izy foana io rehefa ataonao am-pitiavana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 16

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : mila manome lanja ny fahaizana mihaino ny hafa ianao anio ary diniho tsara izay voalazany alohan'ny hitenenana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 11

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : ataovy lesona ho an'ny ho avy ilay fanapahan-kevitra diso noraisinao teo aloha.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 17

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : ny fahatokisan-tena no tena ilainao anio. Raha izany mantsy no tsy misy dia tonga ho azy ny fisalasalana amin'izay rehetra atao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy botsiaka
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 14

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : herim-po very maina ireo ezaka rehetra natao raha toa ka mijanona amin'izao ianao. Herezo fa kely sisa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 15

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : mba tsy hisian'ny fikorontanana dia vitao hatramin'ny farany aloha ny efa natomboka izay vao manao zavatra hafa indray.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 21

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : aza manahy fa vitanao foana ireo! Ny fahaizana mandrindra sy mandamina fotoana sisa no tsy ampy kely.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 30

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : ampitomboy ny fotoana iasana raha toa ka tianao hitombo mifanaraka amin'izany ny vokatra azo.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 19

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : fotoana tsara hanehoana ny fahaiza-manao sy ny mampiavaka anao amin'ny maro izao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volontany
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 13............................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

🌟𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : miezaha miala amin'ny fahazaran-dratsy fa tsy hampateza ny fiarahanareo izany. Mety miari...
04/10/2025

🌟𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : miezaha miala amin'ny fahazaran-dratsy fa tsy hampateza ny fiarahanareo izany. Mety miaritra ihany izy izao, saingy tadidio fa misy farany izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena midorehitra
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 1

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : somary nahatsapa fahabangana kely izy tato ho ato! Noho izany, miezaha manokana fotoana ho azy mba hamenoanao izany banga izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 9

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : tohizo hatrany ilay fahaizana mifanakalo hevitra satria izany no mbola mampirindra sy mampateza io fiarahanareo io.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 3

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : hajao izy rehefa manaja anao ary aza araraotina amin'ny fahatsorany ihany koa fa mety tsy ho zakanao ny fivadihany tampoka!
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 7

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : aza maika ary aza miroso mihitsy aloha raha mbola misy mampanahy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 2

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : mila mihaino ny feon'ny fieritreretana ianao anio satria ny fo mety hamitaka.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 8

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : miomàna fa hahazo fanomezana tsy ampoizina avy aminy ianao anio.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 4

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy, ka aza manahy be loatra raha misy disadisa kely aza anio fa mandalo ihany izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy botsiaka
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 6

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : omeo toky izy fa mitady hanana ahiahy. Miezaha manome izany matetika, saingy tandremo ny toky fitaka.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 5

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : aza maika fa makà fotoana hisaintsainana tsara alohan'ny handavana na hanaikena.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 10

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : marina fa tsy ho voasolo ilay teo aloha, saingy mila miezaka manaiky sy mitia ilay vaovao ianao raha te handroso.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 9

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : aza misalasala mizara ny olanao aminy satria izany indrindra no antom-pisiany. Tena tsara kokoa ilay ianao mitsotra noho ilay hoe izy no mahatsikaritra zavatra hafahafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 3...................
👍 Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity publication ity.

🌟𝗡𝘆   𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗭𝗼𝗺𝗮 🌟♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : mitsahara kely aloha ary manaova jery todika ny lasa mba hiatrehana sy hanatsarana indray ny...
03/10/2025

🌟𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗭𝗼𝗺𝗮 🌟

♈️𝐁é𝐥𝐢𝐞𝐫 : mitsahara kely aloha ary manaova jery todika ny lasa mba hiatrehana sy hanatsarana indray ny ho avy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 10

♉️𝐓𝐚𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 : manana fahafahana hanatsara ianao izao ka mahaiza manararoatra izany.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Poissons
𝐈𝐬𝐚 : 14

♊️𝐆é𝐦𝐞𝐚𝐮𝐱 : tsy ho irery ianao anio fa hanatona sy hanohana anao ny namana.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 19

♋️𝐂𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : aza menatra na matahotra mitsotra ny marina raha izany no handamin-javatra.
aza mitazam-
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volomboasary
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 12

♌️𝐋𝐢𝐨𝐧 : raha tsy tianao hibaiko anao ny hafa dia ataovy ara-potoana izay tokony atao.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mainty
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Taureau
𝐈𝐬𝐚 : 18

♍️𝐕𝐢𝐞𝐫𝐠𝐞 : sahia manitsy sy mananatra manoloana ny tsy mety ataon'ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Capricorne
𝐈𝐬𝐚 : 15

♎️𝐁𝐚𝐥𝐚𝐧𝐜𝐞 : miezaha mipetraka amin'ny toeran'ny hafa alohan'ny hitenenana azy.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : fotsy botsiaka
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Lion
𝐈𝐬𝐚 : 17

♏️𝐒𝐜𝐨𝐫𝐩𝐢𝐨𝐧 : raha tianao hitohy ny finamananareo dia miezaha mamela ny helony.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : volondavenona
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Sagittaire
𝐈𝐬𝐚 : 10

♐️𝐒𝐚𝐠𝐢𝐭𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 : mahaiza mamaly ny soa nataon'ny hafa taminao. Ny vato aza hosora-menaka raha nahitana soa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mavokely
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Balance
𝐈𝐬𝐚 : 20

♑️𝐂𝐚𝐩𝐫𝐢𝐜𝐨𝐫𝐧𝐞 : tsy mila miaro tena akory ianao fa mivoaka ho azy eo foana ny marina.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : manga tanora
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Bélier
𝐈𝐬𝐚 : 14

♒️𝐕𝐞𝐫𝐬𝐞𝐚𝐮 : ekena fa ianao no mpitarika! Tsy izany anefa no hanamaivanana na hanaovana tsinontsinona ny hevitry ny hafa.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : maitso
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Verseau
𝐈𝐬𝐚 : 21

♓️𝐏𝐨𝐢𝐬𝐬𝐨𝐧𝐬 : aza maika loatra! Azonao atao tsara ny maka bahana sy mandinika raha toa ka mbola tsy vonona tsara.
𝐋𝐨𝐤𝐨 : mena midorehitra
𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐢𝐧𝐚 : Cancer
𝐈𝐬𝐚 : 16.......................
👍Araho hatrany ny pejintsika ary aza hadinoina ny mizara ity "publication" ity.

Address


Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KOLO TV/FM Tamatave posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to KOLO TV/FM Tamatave:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share