
10/02/2025
Manomboka ho mpanan-karena ny olona raha manana ireto fomba fisainana ireto
1 . Ny hoe « Aleo mamorona fidiram-bola maro toy izay hanao sipa maro » satria hainy fa ny sipa mandany harena fa ny fidiram-bola mampitombo harena.
2 . Ny hoe « Aleo manangona vola hananganana zavatra toy izay manangona vola hiarahana amin'ny namana hirevy . Satria ny revy vola miala fa ny investissement vola mbola hiverina sy hitombo.
3 . Ny hoe « Aleo ny vola hitondrana goûter ho an’ny any an+trano toy izay hividianana zavatra maha-domelina any amin'ny sisiny.
4 . Ny hoe « Aleo hiezaka androany mba hanana fiainana izay iriana rahapitso fa tsy hoe aleo araraotina ny androany fa tsy fantatra raha ho faty rahapitso.
5 . Ny hoe « Aleo mandany vola amin'ny fahalalana fa tsy misy dikany ny vola be tsy misy fahalalana fa manjary mampanaonao foana.
Ary aminao , inona koa ny fomba fisainana ahafantarana fa manomboka ho mpanan-karena ny olona iray
Réussir avec Martin