
06/06/2025
Za ve ?
Panota aho , fa izao efa nibebaka
Ny hafatra iray mila fatatsika dia hoe tahaka ny aona ny akony izany atao hoe fibebahana izany
Ohatra ,
Raha mampitaha an’ny petera sy jodasy
Samy nanana ny fahalemeny ireo , saingy izao no nampiavaka azy ,
I Petera nibebaka fa I Jodasy kosa nanamelotena ka tsy niandry ny famindrapo
Dia aiza ho aiza hoy ianao ny toeran’ny olona manamaritena raha izany no nahazo ny olona manamelotena
Adama sy Eva nanao ny tsy nety dia nanamaritena izy ireo no antony nahatonga hozona teo aminy sy ny taranany
Ohabolana 28:13
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po
Ka noho izany ry avako malala !
Isaia 1:18
Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
Mahaiza maka lesona , fa mbola velon’aina ve ianao mbola afaka mamaky ity lahatsoratra ity
Manatsofina , manana vava , dia aza varina manao adama sy eva (manamaritena )
Jodasy (manamelotena )
MBOLA FOTOANA METY IZAO NA IZAHO IHANY KOA ARY !
VELONA TRA-MPAMONJENA MISAOTRA AN'I JESOSY !