RADIO ALFA 94.6 FM Madagascar

  • Home
  • RADIO ALFA 94.6 FM Madagascar

RADIO ALFA 94.6 FM Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from RADIO ALFA 94.6 FM Madagascar, Radio Station, .

20/11/2025

test

‼️MAMY RAVATOMANGA👉Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa notsoahan'ny Fanjakana Malagasy ny taratasy "Exequatur" maha- ...
15/11/2025

‼️MAMY RAVATOMANGA

👉Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa notsoahan'ny Fanjakana Malagasy ny taratasy "Exequatur" maha- Consul Honoraire an'i Côté d'Ivoire sy Serbie an'i Mamy Ravatomanga...

📢Tonga eto Madagasikara ny tolakandro teo i  👉Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety ny tenany vao nigadona teny Ivato m...
25/10/2025

📢Tonga eto Madagasikara ny tolakandro teo i
👉Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety ny tenany vao nigadona teny Ivato mikasika ny fangatahan’ny olona azy ho minisitry ny Fitsarana... "Vonona aho" hoy izy

‼️DG FANALAMANGA:👉Efa ho tapitra ny fe- potoana iasany❌️Tsy fanendrena mandalo Filan-kevitry ny minisitra ny fifantenana...
25/10/2025

‼️DG FANALAMANGA:
👉Efa ho tapitra ny fe- potoana iasany

❌️Tsy fanendrena mandalo Filan-kevitry ny minisitra ny fifantenana ny DG FANALAMANGA fa amin'ny alalan'ny Appel d'Offre arahin'ny fifaninanana (épreuves) efatra dingana, miankina amin'ny naoty azo ary. Misy fetrany ny fe-potoana iasany ary efa hifarana ato ho ato ny an’io DG ankehitriny io.

👉Nanao fanovana hentitra ny DG ho an'ireo mpiasa tsy nanara-dalàna, izay tsy zakan'ireo olona vitsy zatra ny tsy mety.

👉Ny fitantanam-bola dia mangarahara sy manaraka fitsipika (procedures) hentitra (toy ny Contrôle de gestion a priori sy Contrôle Interne a posteriori); misy sampana misahana ny Ady amin'ny Kolikoly (Lutte contre la corruption) ao amin'ny orinasa.

👉Orinasa ara-barotra (Société Commerciale) mamelon-tena tanteraka ny FANALAMANGA ka ny tombom-barotra (résines no be mpampidi-bola indrindra) no katsahina; tsy azo tapahina mivantana ny hazo fa tsy maintsy hanaovana résines aloha (protection et valorisation des ressources).

👉Miaraka miasa amin'ny GOFM (Mpitrandrak'ala matihanina) ny orinasa, satria mahamora ny fanangonana trosa sy manana fitaovana hanaovana fikarakarana ala.

👉Manome ampahan-tany (système 70/30) ho an'ny tantsaha manodidina ny FANALAMANGA ny Orinasa, na dia fananany aza ilay toerana, mba hitsinjovana ny tantsaha sy hiarovana ny ala amin'ny doro-tany sy doro-ala.

❌️Misy anefa Olom-boafidy (Solombavam-bahoaka IRMAR) tsy manaiky izany lamina izany noho ny tombotsoany manokana.

👉Sady miketrika hijapy ny tolom- bahoaka izay nahomby io depiote vavy ao Moramanga io ka miezaka manadio tena sy mandoto ny hafa nefa mibaribary fa tena nanampatra tamin’ny fitondrana Rajoelina.

‼️Ato ho ato no voalaza fa hifarana ny fe- potoana hiasan’ity DG Fanalamanga izay takian’ny olona esorina tsy misy hatakandro ity.

Hery A.

‼️FANALAMANGA📢Miantso ny hanesorana tsy misy hatakandro ny DG ao amin’ny Orinasa Fanalamanga ny mponina any an- toerana ...
24/10/2025

‼️FANALAMANGA

📢Miantso ny hanesorana tsy misy hatakandro ny DG ao amin’ny Orinasa Fanalamanga ny mponina any an- toerana ary ireo mpiasa sy mpitrandraka ala.

👇Ity ny Hafatra miafina voaray:
👉DG manao tsindry hazolena sy fanamparam- pahefana
Mirehareha amin'ny maha- mpitsara azy hoe tsy azo atao ininona.
Mibodo tanin'ny mponina ka i Ravatomanga foana no hataony hery famoretana...
Hatramin'ny kininina privée hakany hoe 70/30 (70% an'ny vidiny an'i Fanalamanga, 30% an'ny tompony)
Na charbon nataonao tamin'ny hazonao ao amin'ny taninao ka tratrany dia manao tsindry hazolena misambotra.
Ny parcelles rehetra omeny ireo akaiky azy sy namanamany ao sy olombitsy kiantranoantrano...
Simba ny orinasa, simba ny ala
Reboisement tsisy intsony fa sous forme fotsiny.
Misy justificatif daholo reo ka angatahana ataovy ny contrôle sy audit. Efa depuis 2022 2023 ny fitarainana. Nisy tamin’ny miara manonja, Télé VIVa fa tsy nisy nandray andraikitra...

‼️ Vonjeo zahay mpiasan’ny Fanalamanga izay mitaraina daholo noho ny fanamparam- pahefana ataon’io DG io...

‼️ZAVAMANITRA ANDRIAMIHARIVOLAMENA-  Filoha Nasionalin’ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) sady Solombavam- bahoak...
24/10/2025

‼️ZAVAMANITRA ANDRIAMIHARIVOLAMENA- Filoha Nasionalin’ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) sady Solombavam- bahoaka voafidy tao Fandriana

👉Tsy hisy fanovana tena izy izany raha tsy misy ny Lalàna momba ny Tetibola mifanandrify amin’izay zava-misy marina sy ny filan'ny vahoaka

👉Araka ny andininy faha-75 amin’ny Lalàmpanorenana, dia mandritra ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity no tokony handaniana ny Lalàna momba ny Tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2026 (Loi des Finances Initiale 2026).
Tsy mora ny manao izany, satria betsaka ny zavatra mila harenina. Mitaky fandinihana lalina sy fotoana ampy, fa tsy tokony hatao maimaika toy ny efa zary fomba fanao hatrizay.

👉Araka ny andininy faha-92 amin’io Lalàmpanorenana io ihany, iray volana monja no anananay ao amin’ny Antenimieram-pirenena hanaovana fandinihana (première lecture) sy fandaniana ny tetibolam-panjakana, manomboka amin’ny daty hanoloran’ny governemanta azy. Aorian’izay, 15 andro indray no ananan’ny Antenimieran-doholona hanatanterahana ny fandinihana.

👉Izany rehetra izany dia tsy maintsy vita alohan’ny fiafaran’ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity, izay ho tapitra sahady afaka roa volana latsaka.

‼️Noho izany dia mila fandraisana andraikitra hentitra sy haingana izao fotoana izao :

👉Tokony hatsangana faran'izay haingana ny governemanta, mba hahafahany manomana sy manolotra ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026 amin'ny Antenimiera.

👉Tokony ho tafapetraka haingana koa ireo Birao maharitra amin’ny Antenimiera roa tonta, mba hahafahanay olom-boafidy miasa am-pitoniana sy am-pahombiazana.

👉Raha ny Lalàmpanorenana no itondrantsika ny firenena, dia tokony atao laharam-pahamehana ny fandaniana ny Lalàna momba ny Tetibolam-panjakana 2026, araka ny voalazan’ny lalàna rehetra manan-kery.
‼️Izaho mino fa azo atao tsara ny manatanteraka izany raha samy maneho fahavononana sy finiavana ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ka samy mijoro ho amin’ny tsaratsara kokoa....

24/10/2025

‼️HOPE- AMI
Hetsiky ny Olom- Pirenena Ety Ambanitanàna Miray

👉Nanao fanambaràna ny fitsanganany miampy fitakiana samihafa

👉Ivondronan’ ireo mpitarika amin’ny sehatra marolafy eny Ambanitanana

👉Miara- dia amin’ny fitondrana ankehitriny ary vonona hiatrika izay alaim- panahy hanakorontana eto amin’ny tanànan’ Antananarivo renivohitra

Kianjan’ny 13 maiNisy Jeneraly naneho hevitra niaraka tamin’andian’olona Manoloana ny Lapan'ny tanàna Analakely, no nane...
22/10/2025

Kianjan’ny 13 mai
Nisy Jeneraly naneho hevitra niaraka tamin’andian’olona

Manoloana ny Lapan'ny tanàna Analakely, no nanehoan’ny manam-boninahitra iray ny Jeneraly Rafidison Bernardin, nivorivory niaraka tamin’andian’ olona.

Nivoy ny tsy fankasitrahany ny fanendrena ny Praiminisitra Herintsalama RAJAONARIVELO ny tenany. Nambarany fa mbola Atoa Mamy RAVATOMANGA ihany no ao ambadik’io fanendrena io ka tsy ekena izany.

Fotoana fohy monja no nijanonan’izy ireo teo, dia samy niparitaka avy eo.

🎙️ Fifidianana Ben’ny Tanàna: Nisy Kolikoly sy Ny Tsy Fahamarinan’ny Fitsarana tao ISALOBE sy MITSINJO BETANIMENA🔴 ISALO...
22/10/2025

🎙️ Fifidianana Ben’ny Tanàna: Nisy Kolikoly sy Ny Tsy Fahamarinan’ny Fitsarana tao ISALOBE sy MITSINJO BETANIMENA

🔴 ISALOBE:
Araka ny didim-pitsarana navoakan’ny Tribonaly Administratif sy ny fanambarana avy amin’ny CENI, i Alban Miladera no voafidy tamin’ny fomba ofisialy ho ben’ny tanànan’i Isalobe. Nilamina tsara ny fifidianana, ary tsy nisy korontana mihitsy.
Na izany aza, dia voalaza fa nisy fitoriana teny amin’ny Conseil d’Etat, saingy nandresy hatrany ny tenany.
Avy eo nogadraina tamin’ny 23 Jolay, ary navotsotra tamin’ny 12 Septambra rehefa nampakatra teny amin’ny fitsarana ambony.
Na dia teo aza ny fanamafisana avy amin’ny fitsarana fa i Miladera no nandresy, dia mbola mihantona ny didim-pitsarana noho ny fampiharana fangatahana famerenana (demande de révision).
Efa ho herinandro izay no nikatona ny biraon’ny kaominina ka manao antso avo amin’ny tokony ampiharana ny lalàna ny any an- toerana.

🔴 Mitsinjo Betanimena (Toliara II):
Tao amin’ny kaominina Mitsinjo Betanimena kosa, ny ben’ny tanàna voafidy dia nanamafy fa nisy kolikoly avo lenta tao amin’ny Conseil d’État. Nambarany fa maro ireo tranga mitovy amin’izany manerana ny faritra.
Manao antso amin’ny filoham-panjakana vaovao, araka izany ny tenany mba hanadio sy hanitsy ny rafitra fitsarana, hisorohana ny mety ho fikorontanan’ny fiaraha-monina.

🔴 Tsy Fahamarinana sy Ny Fanerena:
Efa maro ireo vahoaka ao amin’ny kaominina no tezitra manoloana ny fikorontanana misy any an-toerana. Na izany aza, ny ben’ny tanàna voafidy dia miezaka mampitony azy ireo, maniry hisoroka ny fidinana an-dalambe sy ny korontana.
Ny lefitry ny ben’ny tanàna any Isalobe kosa dia nilaza fa fanerena avy amin’ny depiote IRMAR no antony lehibe mahatonga an'izao fikorontanana izao, ka miantso ireo solombavambahoaka, indrindra ny filohan’ny Antienimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, mba hijery akaiky ny raharaha.

Address


Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO ALFA 94.6 FM Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to RADIO ALFA 94.6 FM Madagascar:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share