Esprit corporelle et subconscience métaphysique

Esprit corporelle et subconscience métaphysique # Ny Religion tsara indrindra dia izay mampiray,mampihavana ary tsy mampisaraka ny mpiara belona # Zo Andrianarivelo/

La voix en Kabbale et la loi d'attraction sont deux concepts liés qui mettent en avant le pouvoir de la pensée et de la ...
07/06/2025

La voix en Kabbale et la loi d'attraction sont deux concepts liés qui mettent en avant le pouvoir de la pensée et de la parole sur notre réalité. En Kabbale, la voix est considérée comme une expression de la pensée divine et, à travers la parole, on peut manifester ses désirs et influencer le monde qui nous entoure. La loi d'attraction, quant à elle, stipule que nos pensées et nos émotions créent notre réalité, en attirant à nous ce que nous vibre.
Le pouvoir de la voix en Kabbale:
La voix comme expression divine:
La Kabbale enseigne que la voix est un véhicule pour l'expression de la pensée divine. En parlant, nous manifestons nos désirs et nos intentions, et cela peut avoir un impact sur notre réalité.
Le langage comme créateur:
La Kabbale souligne le pouvoir du langage pour créer et modifier le monde. Les mots que nous utilisons, les affirmations que nous prononçons, peuvent influencer nos pensées, nos émotions et nos expériences.
L'importance de la conscience:
La Kabbale met en avant l'importance d'être conscient de nos pensées et de nos paroles. En étant attentif à notre langage, nous pouvons mieux contrôler notre vibration et attirer à nous ce que nous désirons.
La loi d'attraction:
L'univers répond à nos vibrations:
La loi d'attraction stipule que l'univers répond à nos pensées et à nos émotions. Si nous vibre positivement et que nous nous concentrons sur ce que nous désirons, nous sommes plus susceptibles d'attirer ces choses dans notre vie.
Les pensées et les émotions créent la réalité:
La loi d'attraction enseigne que nos pensées et nos émotions créent notre réalité. En modifiant nos pensées et nos émotions, nous pouvons influencer les événements qui se déroulent dans notre vie.
L'importance de l'intention:
La loi d'attraction met en avant l'importance de l'intention. En étant clair sur ce que nous voulons et en nous concentrant sur nos désirs, nous pouvons manifester plus facilement ce que nous désirons.
La relation entre la Kabbale et la loi d'attraction:
La Kabbale comme fondement de la loi d'attraction:
La Kabbale peut être considérée comme un fondement philosophique de la loi d'attraction. La Kabbale souligne l'importance de la pensée et de la parole pour influencer notre réalité, ce qui rejoint les principes de la loi d'attraction.
La loi d'attraction comme application pratique:
La loi d'attraction peut être vue comme une application pratique des enseignements de la Kabbale. Elle nous invite à utiliser nos pensées et nos émotions pour manifester nos désirs et influencer notre réalité.
La conscience et la vibration:
La Kabbale et la loi d'attraction mettent toutes deux l'accent sur l'importance de la conscience et de la vibration. En étant attentif à nos pensées et à nos émotions, nous pouvons mieux contrôler notre vibration et attirer à nous ce que nous désirons.

Chakra Racine  amin’ny KabbaleNy chakra racine (Muladhara) dia azo ampitahaina amin’ny Sefirah Malkhout (מלכות) ao amin’...
06/03/2025

Chakra Racine amin’ny Kabbale

Ny chakra racine (Muladhara) dia azo ampitahaina amin’ny Sefirah Malkhout (מלכות) ao amin’ny Kabbale. Malkhout dia maneho ny tontolo ara-nofo, ny fanorenana mafy, ary ny fandraisana hery avy amin’ny loharano ambony sy ny fiainana eto an-tany .

---

1. Malkhut (מלכות) sy ny Chakra Racine

Malkhout na malkhut dia sefira farany amin’ny Etz ha’Chayim (arbre de vie kabbalistika) ka manondro ny fanatanterahana sy ny fipetrahan’ny hery ara-panahy amin’ny zava-misy eto an-tany

Zavatra mifandraika aminy mazava oazy : ny Tany (élément terre) izay midika: Fifandanjana, fanorenana mafy, fahatokisana amin’ny fiainana,fahavelomana sy fahafatesana.

Anarana Masina : Adonaï (אֲדֹנָי) – maneho ny fiandrianana sy ny fifehezana ny zava-misy

Litera hebreo : Tav (ת) – litera farany, maneho fahatanterahana

Salamo ampiasaina amin'ny fanokafana sy fampitomboana energie dia ny Salamo 24:1 -5
"Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. 2. Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy. 3. Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina? 4. Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. 5. Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy."

Amin’ny Kabbale, Malkhout dia mifandray amin’ny Shekhinah (שכינה), izay maneho ny Fisian’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao. Raha tsy mifandanja ny chakra racine dia mety ho sarotra aminao ny hahatsapa filaminana, fahatokisana, ary fahombiazana amin’ny fiainana ara-nofo.Koa yena ilaina indrindra ny fanokafana ity kodiarana na roue énergétiques ity mialohan'ny anokafana ny roue énergétiques hafa.

2. Fomba hanokafana sy hanamafisana ny Chakra Racine amin’ny Kabbale

* Ireo 72 fanononana ny anarana Masina izay ampiasaina amin’ny fifehezana ny kabbale,ny tetragramaton,ny salamo ..dia afaka trandrahina mba hampisokatra ny chakra racine. Ireto misy litera mifandray amin’ny chakra racine vitsy amin'ny kabbale:

Yod (י) → Ny tsirin’aina avy amin’Andriamanitra.

He (ה) → Ny fahefana mamorona sy ny maha-Reny mpamorona aina

Vav (ו) → Ny hery mampifandray ny hery kosmika sy izao tontolo izao.

He farany (ה) → Ny fisehoana amin’ny ara-nofo araka izay ezaka ara panahy, izay hita indrindra eto amin’ny Malkhout na ny tany

Aleph Lamed Dalet (אלד) : Mampahery sy manome fiarovana amin’ny angovo ratsy

Mem Hey Shin (מהש) : Mampitombo fahatokisana sy fandriampahalemana

Samekh Aleph Lamed (סאל) : Manamafy ny firindran’ny fiainana sy ny fototra

Fomba (méditation) :

*Diniho amin'ny saina misokatra tsara sy mahatakatra ny heviny amin’ny fanononana ireo Anarana ireo ary atao izay ahatsapana ny vibration eo no eo ihany.

** Alaivo sary an-tsaina ny hazavana mena ,manaraka ambany amin’ny hazondamosinao sy ny taolan dranjo sy tongotra ary milentika any anatin'ny tany marron .

*** Rehefa mahatsapa ny energie avy amin'ny tany mitsofoka avy eo amin'tongotra dia araho ny fanokafana ireo chakra araka ny loko miakatra miakatra hatrany an-tampin'doha.

**** Ny Salamo dia manana heriny mahery vaika ara-panahy,manome energie sy manana ny pouvoir kabbalistika, Malkhout sy ny chakra racine :

➡️Salamo 91 : Fiarovana amin’ny loza sy fanomezana fahatokisana ,vakiana amin'ny toerana calme sy madio na hanasitranana.

➡️Salamo 23 : Fanomezana fitokisana amin’ny fiainan’ny tsirairay ("Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho")

➡️Salamo 119 : Manamafy ny fahatanterahana sy ny fahombiazana, vakiana amin'ny andro en cours de travail spirituel.
Vakio amin’ny feo avo ireo Salamo ireo, ahatsapanao fa mamoaka hery mafy amin’ny tany sy ny vatana ianao

Fampifandraisana amin’ny arbre de vie

Ny angovo eto amin' ny Malkhout dia tokony hifandanja amin’ny Yesod (יסוד), satria Yesod dia ny fototra sy fifandraisana amin’ny fahaizana mandray sy manolotra hery ara kabbalistika

Fomba fanaovana fisaintsainana : Alaivo sary an-tsaina ny hazavana fotsy midina avy amin’ny Yesod mankany amin’ny Malkhout, tahaka ny rano mivarina mameno ny tany ary araho teny na fehezanteny (affirmation) izany:oh:
"Izaho dia fantsona mandray sy mandefa ny hazavana hoanny tokantranoko sy ny manodidina ahy amin'izay alehako sy hitsahin'ny tongotro.".Afaka averina in- 5 na 7 na mihoatra

D. Ny Tany sy ny Anarana Masina

Ny teny hoe Tany (ארץ - Aretz) amin’ny teny hebreo dia manana gématria 291, izay mitovy amin’ny YHVH (יהוה) + Adonaï (אדני).

Midika izany fa tokony haneho ny herin’Andriamanitra amin’ny fiainana andavanandro isika.

Raha mihidy ny chakra racine dia mety ho sarotra ho an’ny olona ny hahatsapa fiadanana sy fahombiazana.
Teknika tena tsara ity :
Mandehana tsy mi kapa na tsy mikiraro (pied nue) amin’ny tany, sady manonona hoe "Adonaï Haaretz (אֲדֹנָי הָאָרֶץ)" – midika hoe "ADONAÏ no tompon’ny tany" ary tadidio sy venteso tsy mila vakiana izay salamo tadidinao mifandraika amin'ny fanokafana ny chakra racine araka ilay ery ambony.

⚠ Raha tsy misokatra ny chakra racine :

Mety hahatsapa ho very, feno olana,tsy mety izay atao,tsy ambininina amin'ny asa ny olona iray,izany dia , vokatry ny tsy fifandraisana amin'ny hery mazava manodidina ,na manokana avy amin'ny avo indrindra ,



Amin’ny Kabbale, Malkhout dia tsy toerana fotsiny fa fihetsika sy fandraisana andraikitra. Raha sokafana amin’ny fomba marina ny chakra racine, dia afaka mampiseho fahombiazana sy maneho ny fahefana handray hazavana sy hampiasa ary mizara izany amin’ny fiainana andavanandro isika.

🙏

Ny Zone de confort  dia vanim- potoana ahatsapan’ny olona iray  fiarovana sy fandriam-pahalemana amin’ny finoany sy ny f...
24/02/2025

Ny Zone de confort dia vanim- potoana ahatsapan’ny olona iray fiarovana sy fandriam-pahalemana amin’ny finoany sy ny fombafombany ara-pivavahana na ara-panahy, tsy misy fanontaniana na fikarohana vaovao. Toerana iray feno fahatokisana sy fandriampahalemana ao anaty , satria ny fombafomba sy foto-pinoana efa mahazatra azy eto dia nahatsapany fahafenoana fahatokisana , na zany aza ny fijanoana ela loatra ao amin’io faritra io , vanim- potoana io;dia mety hiteraka fikorontanana ara-panahy sy fanakatonana saina tampoka😂. Raha ny mifanohitra amin'izany kosa, ny fivoahana amin’io faritra io dia manokatra ny lalana ho amin’ny fikarohana marina sy lalina kokoa, saingy miaraka amin'ny tsy fahazoana aina kely amboalohany ka miha tony amin'ny fisalasalana ary indraindray koa tojo fifanoherana manokana na hatrehana.Dia miseho ny fanontaniana hoe : Ilaina ve ny faritra ity zone iray ity, sa sakana amin'ny fahazavana ara-panahy ? Mba hamaliana izany dia ilaina ny mandinika ireo dingana samihafa mifandray

---

I. Ny Vanim- potoana Fampiononana Ara-panahy : Fiarovana sy Fitoniana

Ny faritra fampiononana ara-panahy dia toerana ahatsapan’ny olona fiarovana sy fitoniana anatiny satria manaraka tsy misy fanontaniana ny finoany sy ny fombafombany ara-panahy na ara-pivavahana, mety hino ny tsy hitany ny olona na tsy hino zay tsitany😂.Vanim- potoana ilaina io raha te handroso hoamin'ny fahazavana saingy mila hay ny fotoana tsy azo ampiasana azy intsony ary tsy hiverenana intsony rehefa nandroso raha tsy hoe iverina depart ndray⚠️
Ny olona iray dia manaraka fombafomba sy foto-pinoana efa fantany sy mahazatra azy. Mahatsapa fampiononana izy satria mitovy hevitra amin'ny fiarahamonina ara-pivavahana na kolontsaina na fomban drazana na ara-panahy iainany. Misoroka ny fanontaniana sy ny fisalasalana izy mba hitehirizana ny fandriam-pahalemana sy ny fitoniana ao anatiny.

2. Ara-filôzôfia
Raha araka an’i Karl Marx," religion" dia mety ho « rongony ho an'ny vahoaka », satria manome fampiononana amin'ny tsy fahazoana antoka sy ny fahasarotan’ny fiainana, kanefa mety hanakana ny saina tsy hahay hanakatra ny zava-misy. Raha ny an’i Pascal bandy akama tsy filozofy, ny finoana dia manome toky sy hevitra amin’ny fiainana, ka lasa fialofana ilaina amin’ny adin-tsaina ara-pisiana sy fitaovam piadiana !
💡Na dia manome fandriam-pahalemana sy fitoniana aza ny zone de confort dia fantaro foana fa ny fisalasalana no fambara ka na mazava na mitsifitra😅 dia mety hitarika fisabadidahana ara-panahy koa izany na ara tsaina raha hijanonana ela tsy voafehy. Ny tsy fisian'ny fanontaniana nefa dia manakana ny olona tsy hahalala lalina ny finoany sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra na ny hery ara-panahy. Noho izany, ny fijanonana ela loatra ao amin’ity faritra ity dia mety ho sakana amin’ny fivoarana ara-panahy.

---

II. Ny vanim- potoana Fisalasalana : Tsy Fahazoana Aina sy Fanontaniana lava

Rehefa manomboka manontany ny finoany na ny fombafombany ara-panahy ny olona, dia miditra amin'ny faritra fisalasalana izy. Io no dingana izay ahatsapany ny tsy fahazoana antoka, ny fisalasalana ary indraindray ny krizy ara-pinoana.

1.
Amin'ity vanim- potoana ity, manomboka manontany ny foto-pinoany( ny tena marina )sy ny fombafombany ny olona. Miatrika fifanoherana sy paradisa/ ary fanontaniana lalina izay miteraka fahakiviana ara-panahy raha vao tsy mandresy lahatra /

2. Dikan-kevitra Ara-filôzôfia
Ho an'i Kierkegaard philosophe UK, ny fisalasalana dia dingana tsy maintsy lalovana amin'ny lalana ara-panahy, maneho ny “horohoro ara-pisiana” manoloana ny tsy fahazoana antoka sy ny fisalasalana. Etsy an-kilany, ho an'ny rehetra ngamba, ny fisalasalana dia fahafahana miala amin’ny famatorana ara-kevitra ary dingana voalohany amin’ny famoronana soatoavina manokana.

3. Vanim-potoana Fanakianana/
Na dia mampiteraka tsy fahazoana aina aza ity zone iray ity, dia ilaina amin'ny fitomboana ara-panahy izy. Manokatra ny sain’ny olona hanontany ny foto-pinoana sy ny fombafombany izany. Saingy raha be loatra ny fisalasalana, dia mety hiafara amin'ny krizy ara-panahy na ny tsy finoana mihitsy ka mety hivadika palitao na fiakanjo ara pinoana 😂

---

III. 🙏❤️⭐ Ny zone/vanim- potoana Fikarohana Ara-panahy : Fandalinana sy Fikarohana Ny Fitiavana Marina

Rehefa voavaha ny fisalasalana, dia miditra amin'ny vanim- potoana fikarohana ara-panahy ny olona. Io no dingana izay itadiavany fahamarinana sy fahalalana lalindalina kokoa amin'ny alalan'ny fikarohana sy ny fanandramana vaovao

1. Toa lasa mpikaroka ara-panahy ilay olona. Mandalina finoana sy fombafomba samihafa izy, sady manokatra ny sainy mba handinika fomba fijery hafa amin'ny ara-panahy,hainy avokoa ireo foto kevitra maro ahafahany mampitaha tsara

2. Ny fikarohana ara-panahy dia midika fandavana ny dogma ary fikarohana fahamarinana amin’ny alalan’ny traikefa sy ny fandinihana lalina. Na izany aza dia miseho amin'ny alalan’ny fanontaniana tsy mitsahatra sy ny fisalasalana mamorona hatrany izany ,au contraire ny fisalasalana manimba kosa dia mampisavoritaka avy hatrany ny vanim-potoana .

3.Ao anatin'izay vanim- potoana izay mety ho tojo Fanakianana,
Na izany aza, ity dingana ity dia mety hitarika amin’ny fisavorovoroana ara-panahy raha tsy tsara fiaingana .Ny fitadiavana fahalalana betsaka nefa tsy misy fampiharana dia mety olana tsy nahafahana namantatra valiny ka lasa fikorontanana. Noho izany, ny fikarohana ara-panahy dia tokony hampifandanjana amin’ny fampiharana sy ny fandinihan-tena lalina ka hahatsapa fahatoniana ny olona iray miha mazava ,manaiky ny rariny sy ny filozofia iombonana dia ny tsy fankahalana ny foto kevitra hafa.

---

IV. 🙏🔯☀️Ny vanim- potoana Fahazavana maharitra Ara-panahy : Fahatakarana Lalina sy Fahatanterahana,fiainana fahatoniana fisalasalana,fiadanana anaty

Rehefa nahita valiny tamin'ny fanontaniana lalina nataony ny olona, dia miditra amin’ny Vanim- potoana fahazavana ara-panahy. Io no dingana izay ahatakarany ny fifandraisany /fiombonany amin’ny hery ambony na ny fahalalana lalina ny tena zava-misy ary mizara izany .

1.
Mahatsapa fiombonana amin’ny hery ambony (unifiée)sy feno fandriam-pahalemana ao anatiny ny olona. Mihoatra ny dogma sy ny foto-pinoana ny ao antsaina ,ka miaina traikefa ara-panahy lalina.

2.
Amin'kabbale, ny fiombonan amin'ny “Ray”,dia fiainana amin'ny fahazavana ,fahadiovana, mba hiforonan'ny fahatanterahana .


Ny zone de confort dia miankina amin'ny lafiny rehetra midadasika. Saingy dia tsy maintsy lalovana, ary tena mety hiteraka fisangojina ara tsaina na ara pitondra tena eo amin'ilay olona ,tsy maintsy mandalo amin'ny fisalasalana na manamboatra (na manimba) sy ny fikarohana hahatratrana ny fahazavana ara-panahy.

🙏

Siansa, Finoana ary ny Volana🙏Efa Hatramin'ny fahagola🤔, ny olombelona dia nijery ny lanitra mba hahafantarana ny mister...
24/02/2025

Siansa, Finoana ary ny Volana

🙏

Efa Hatramin'ny fahagola🤔, ny olombelona dia nijery ny lanitra mba hahafantarana ny misterin'izao rehetra izao.. fa Ny volana, miaraka amin'ny endriny miovaova sy ny famirapiratany mistery, dia nanaitra ny saina sy ny fo ary nohalalinin'ireo manam-pahaizana amin'ny siansa. Tsy vitan'ny hoe mifehy ny ranomasina sy ny tsingerin'ny fiainana amin'ny ankapobeny izy io, fa kosa lasa hita ho mariky ny hery miafina sy ny fiainana ara-panahy.

Amin'izao 2025 izao, eo ny firoborobon'ny siansa sy ny finoana, fa miseho ihany koa ny filozofia izay mampifandray ny fahalalana ara-tsiansa sy ny fombafomba ara-panahy. Ity filozofia iray ity dia mametraka fa ny tsingerin'ny volana dia misy fiantraikany amin'ny zavaboary sy amin'ny fisainana, ny fahatsapana ary ny fanahin'ny olombelona ihany koa.,fiainan'ny zava-manana aina rehetra.

Amin'ity fandalinana iray hitondrako antsika ity eto dia hijery akaiky ny fifandraisan'ny tsingerin'ny volana amin'ny siansa sy ny finoana isika. Hodinihintsika ihany koa ny anjara toeran'ny fombafomba ara-panahy sy ny fomba ampiasana azy ireo mba hifanarahana amin'ny tontolo manodidina sy ny herin'ny habakabaka,asaiko ianao hamaky hatramin'ny farany .

---

1. Ny Volana sy ny Siansa

Ny siansa moderina dia manazava fa ny volana dia misy fiantraikany amin'ny Tany noho ny hery misintona. Ny hery misintona avy amin'ny volana dia miteraka ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fidinany(voaporofo mazava tsara ireo), izay tsy vitan'ny hoe mifehy ny fiainana an-dranomasina ihany fa koa misy fiantraikany amin'ny zavamananaina rehetra eto an-tany.

1.1. Ny Fiantraikan'ny Volana amin'ny Zavamananaina
Ny fiovan'ny tsingerin'ny volana iray dia mampisy fiovana amin'ny fitondran-tena sy ny fisiam-piainan'ny zavamananaina maro.Manomboka amin'ny olombelona,lahy ,vavy,.. Ny biby sasany dia mampifanaraka ny fivezivezeny sy ny fitondran-tenany amin'ny tsingerin'ny volana iray. Ohatra: Ny alika rehefa miaka bolana dia tsy mitomany valala mialohan'ny volana,ary rehefa maizimbolana izy ireo dia toa masiaka avokoa,..🤔

Ny olombelona koa nahitana fa misy fiantraikany ny volana, na dia tsy tsikaritra mazava aza izany. Ny fandinihana siantifika dia mampiseho fa misy fifandraisana eo amin'ny tsingerin'ny volana sy ny torimaso, ny toe-po ary ny fitondran-tena. Ny fenomanana, dia hita fa nanelingelina ny torimaso tamin'ny olona sasany noho ny hazavana mamirapiratra sy ny fiantraikan'ny tsingerin'ny volana amin'ny bioritma na ny gadona ara-batana rehefa nataon'ireo mpikaroka ny fijerena izany .

1.2. Ny Fifandraisan'ny Volana sy Ny Tsingerin'ny Fadimbolana
Maro ny fikarohana siantifika mampiseho fa misy ifandraisany ny tsingerin'ny volana iray sy ny tsingerin'ny fadimbolana hoan'ny vehivavy rehetra. Ny salanisan'ny tsingerin'ny fadimbolana vehivavy dia eo amin'ny 28 andro foana eo ho eo, mitovy amin'ny tsingerin'ny volana. Amin'ny kolontsaina sasany, ny vehivavy dia mino fa ny fifanarahan'ny fadimbolana amin'ny tsingerin'ny volana feno iray na volana vaovao iray dia mariky ny fifandraisana lalina amin'ny herin'ny habakabaka sy ny natiora.

---

2. Ny Volana sy ny Finoana

Ny volana dia manana toerana manokana amin'ny finoana sy ny fombafomba ara-panahy. Ny fiovan'ny endriky ny volana dia noheverina ho fanehoana ny tsingerin'ny fiainana: ny fiandohana (volana vaovao), ny fitomboana (volana mitombo), ny fahafenoana (volana feno), ary ny famaranana (volana mihena).,amin'fijery kabbalistika dia toa temoin ana energie zany ny volana.

2.1. Ny Volana sy ny Fomban-drazana Malagasy

Amin'ny kolontsaina sinoa, ny volana dia heverina ho mariky ny femininity, ny tsindrimandry ary ny fiainana miafina. Ny fankalazana ny Fetiben'ny Volana Feno dia natao hankalazana ny firindrana amin'ny natiora sy ny fianakaviana.
Isika Malagasy ,kolontsaina Malagasy, ny volana feno na fenomanana dia noheverina fa manamafy ny hery miafina rehetra na olombelona na zavatra na biby na fanahy. sasany amintsika miaina fa, ny volana vaovao dia fotoana hanombohana asa na tolo-kevitra vaovao satria heverina fa ampy sy mety tsara ny fotoana manome hery tsara.
Ao amin'ny finoana jiosy, ny tsingerin'ny volana iray dia ahitana ny fankalazana ny fety masina, anisan'izany ny Pessa'h sy ny Rosh Chodesh (fiandohan'ny volana hebreo). Amin'ny Kabbale, ny tsingerin'ny volana iray dia mifandray amin'ny Noms de Dieu sy ny hery cosmique ,divin.ary manentana ny tsingerin'ny fiainana sy ny fisiana.

---

3. Fombafomba sy Firindrana Ara-panahy

Ny fombafomba ara-panahy mifanaraka amin'ny tsingerin'ny volana dia mampifandray ny olona amin'ny natiora sy ny habakabaka ary izao tontolo izao manodidina . Ireo fombafomba ireo dia manampy amin'ny fandaminana ny fihetseham-po, ny fisainana ary ny tanjona ara-panahy sy motivation mampahoby tsara.

➡️Volana Vaovao/Nouvelle Lune: Fotoana fandinihan-tena ,fandaminana ny asa efa atao, fametrahana faniriana ary fanombohana vaovao. Ny fombafomba dia mety ahitana ny fanoratana faniriana amin'ny taratasy sy ny fisaintsainana ho an'ny fahatanterahana maharitra;

➡️Miaka bolana manomboka eo amin' 1er quartier: Fotoana hanatanterahana ny faniriana sy hanamafisana ny fikasana. Hitondrana ny fandavan tena hanatanteraka izay katsahina manomboka amin'ny fomba fisainana ampy habo na vibration tsara,ny zavatra atao rehetra zany raha ny hevitro eto dia tena ataovy zay ahatsapana ny vibration tena tsara manampy .Mety misy ny fombafomba toy ny vavaka,na fanambarana ho fanatanterahana ny tanjona,na hamaky salamo,na hitsangatsangana amin'natiora sy fikarakarana izany

Volana Feno : Fotoana fankasitrahana sy fanasitranana. Atao ny fisaintsainana ho an'ny fahasoavana sy ny fombafomba fidiovana (toy ny fampiasana labozia Mena manitra) ho fanalana ny angovo ratsy.

Volana Mihena : Fotoana fanadiovana, famotsorana enta-mavesatra ary fanomanana tsingerina vaovao. Ny fombafomba mety dia ny rano , ho mariky ny fanavaozana.

---

4. Filozofia kosmika

Ny filozofia kosmika dia mampiseho fa ny siansa sy ny finoana dia mety hiray hina na tiana na tsy tiana efa zavatra iainana, mamorona firindrana lalina amin'ny fiainantsika sy ny habakabaka ary ny natiora ,ary afaka mifanaraka amin'ny hery kosmika sy ny natiora isika .

Ity filozofia ity dia manome fomba fijery vaovao momba ny fiainana, mampifandray antsika amin'ny misterin'ny zava boahary n'ilay Avo Indrindra ary mampahatsiahy antsika izy fa isika rehetra dia sombina kintana amin'ny dihy mandrakizay eto amin'izao rehetra izao.
🙏


+

+

+

+

fans

1. Séphirah 'Hessed (חסד - Fahasoavana sy Famindram-po) :Ankavanana amin'ny arbre de vie Hevitry 'Hessed : Ity Séphirah ...
23/02/2025

1. Séphirah 'Hessed (חסד - Fahasoavana sy Famindram-po) :
Ankavanana amin'ny arbre de vie

Hevitry 'Hessed : Ity Séphirah ity dia maneho ny fitiavana tsy misy fepetra, ny fanomezana am-pahasoavana tsy miandry valiny.Amin'ireo maître kabbalistika maro ,Aarona dia fantatra amin'ny anjara asany ho mpampihavana (Ohev Shalom VeRodef Shalom), mikatsaka hatrany ny hampihavana ny olona mifanditra,miditra antsehatra i Aarona na sehatra politika aza no izy namela sary mipetraka (image) no tantara tamin'ny naha mpitan tsoratra sy mpanolo kevitra ary tanan'ankavanan'i Mosesy; tantara kely iny.Aarona dia nampiely ny fitiavan'Andriamanitra.Nampihavana ny fianakaviana sy nampitony ny fifandirana.

2.(Hoshen Mishpat - חושן משפט) (ilay akanjo sy fiaingoana amin'ny maha pretra)
Nanana vato sarobidy 12 isa maneho ny firenena 12 tamin'ny Israely ary nampiasa izany i Aarona ary voasoratra tamin'ireo vato ireo ny anaran'ireo firenena sy hevitra lalina!
Amin'ny Kabbale, ireo vato 12 ireo dia mifandray amin'ny fanononana ny Anaran'Andriamanitra YHVH (יהוה), tsirairay amin'ireo 12 fanononana an'Andriamanitra;izay misy fiantraikany amin'ny volana 12 sy ny famantarana 12 (Mazalot). Midika izany fa Aarona dia manana fahefana amin'ny hery any an-danitra.

*Urim sy Toummim : Napetraka ho amin'ny fihaingoana masina, ireto zavatra ireto dia natao hamantarana ny Sitrapon'Andriamanitra. Ao amin'ny Kabbale, dia maneho ny fidirana amin'ny tontolo ambony (Olamot) sy ny fahendrena miafina (Chokhmah Nistarah).Izy io dia nahafahan'i Aarona nampita ny hery avy amin'Andriamanitra ho an'ny vahoaka, ka nitondra fifandanjana teo amin'ny ara-panahy sy ara-nofo.

3. Ny Omby Volamena (חטא העגל - Cheit HaEigel) :
Ny tantaran'ny Omby Volamena dia misy hevi-dalina ao amin'ny Kabbale :
Raha jerentsika kely , Aarona : Rehefa nanaiky nanao ilay omby.,dia noraisiny ny famaizan'Andriamanitra mba hiarovana ny vahoaka. Maneho ny 'Hessed izany, izay mandray ny famaizana (Din) mba hiarovana ny hafa.
Ny Kabbale dia mampianatra fa fantatr'i Aarona tsara fa tsy mbola vonona ara-panahy ny vahoaka, taorian'ny andevo tao Egypta. Noho ny fandaminany, dia nialany ny loza lehibe.

** Tikkoun (Fanarenana) : Vokatry ny fahotana avy tamin'ilay Omby Volamena dia heverina ho fahapotehana (Shevirat HaKelim). Nandray anjara tamin'ny Tikkoun i Aarona tamin'ny fanalefahana ny hatezeran'Andriamanitra sy ny fampihavanana ny vahoaka amin'Andriamanitra.

4. (מטה אהרן - Mateh Aharon) :
Tehina
Rehefa namboly voninkazo tamin'ny fomba mahagaga ny tehina nampiasain'i Aarona (Nomery 17:8), dia naneho ny faneken'Andriamanitra ny Fanapahan-kevitra Masina avy amin'i Mosesy

🤔Hevitra kabbalistika : Ny tehina maina maneho ny fahavitrihana ara-panahy izay mihoatra ny fahafatesana.Mifono ny odiny tena efa ela , Maneho ny fifandraisana ara-panahy (Atzilout) sy ara-nofo (Assiah) izany.

Dikan'ny Amande : izay amin'ny teny hebreo dia "Shakeid" (שקד), midika hoe "mahafoy tena". Maneho ny fahazavan-tsaina sy ny fiambenana mandrakizay ataon'Andriamanitra amin'ny Israely zany.

5. Herin'ny Teny :

i Aarona dia Mpiteny ho an'i Mosesy : Aarona no feon'i Mosesy, maneho fisiana fifandraisana tsara rindra sy masina.Amin'ny Kabbale, ny teny dia fantsona famoronana (Maamarot), mampifandray ny Hochmah (Fahendrena) sy ny Malkhout (Fanapahana).

***Ny herin'ny Anaran'Andriamanitra : Tamin'ny loza tany Egypta, i Aarona dia nampiasa ny Anaran'Andriamanitra miafina.Izay hitan'ny vahoaka tamin'izany ny fifehezany an'zany hery ara-panahy izany amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.

Mpampita ny Fahazavana : Amin'ny maha Mpisorona Lehibe azy, Aarona dia mpampita ny fahazavana avy amin'Andriamanitra (Or HaGanouz).

6. Ny Famelank' Heloka :

Yom Kippour : Aarona no voalohany nanao ny fombafomba tamin'ny Andro Famelan-keloka (Levitikosy 16), niditra tao amin'ny Masina Indrindra. Ao amin'ny Kabbale, izany dia maneho ny fidirana amin'ny Séphirah Keter (Satroboninahitra).

Osilahy Fanala Heloka (Az**el) : Maneho ny famotsorana ny hery ratsy (Klipot) izany, manadio,mamafa. Aarona dia mpanelanelana ara-panahy, mandanjalanja ny 'Hessed sy ny Guévoura.
**** Ny vavaka nataon'i Aarona : Ny vavaka nataony ho famelan-keloka dia heverina ho fanokafana ny fantson'ny fahasoavana (Shefa).Herin'ny vavaka amin'kabbale dia tena zava magahagaga tanteraka🤔

⚠️
Moa misy Fiantraikany Amintsika ve zany fitiavan'Andriamanitra sy fanekeny ny fanapahan-kevitra tsika izay ao amin'ny Kabbale :

➡️Fahazavana Masina :Mandray, Miasa ary Finoana sy vavaka; ireo tontolo telo ireo no tontolo ambony indrindra (Kether) sy ny tontolo ambany (malkhuth)tany,olombelona mandray....

🙏

Hevitra fonosin'labozia ara kabbalistika:Mifandray amin’ny planeta iray ary mitondra angovo manokana noho izy mitondra i...
17/02/2025

Hevitra fonosin'labozia ara kabbalistika:

Mifandray amin’ny planeta iray ary mitondra angovo manokana noho izy mitondra izay angovo materialy izay dia manana ny habo hoentiny ara panahy!Ireto avy ny fifandraisana kabbalistika moderna:

1. Labozia Fotsy na Mainty – 🌕 Volana (Lune)

Fiantraikany : Fahadiovana, fiarovana, fahazotoana amin’ny saina, fahafahana mahita amin’ny maso fanahy,Kether

Fampiasana : Fanadiovana, fifandraisana amin’ny anjely sy fanahy mpiaro, fanamafisana ny fahatsiarovan-tena.

Andro tsara : Alatsinainy.

2. Labozia Mena – ♂ Mars

Fiantraikany : Herim-po, tanjaka, fientanentanana, fiarovan-tena amin’ny hery ratsy.

Fampiasana : Fanamafisana ny fahavononana, fisarihana fitiavana, fiarovana amin’ny fahavalo.

Andro tsara : Talata.

3.Labozia Mavo – ☿ Mercure (Merkiora)

Fiantraikany : Fahakingana, fahazotoana amin’ny asa, fahaizana mandray sy mampita vaovao, fandraharahana,plexus solaire

Fampiasana : Fanamafisana ny fahaiza-miteny, fisarihana vintana amin’ny fandraharahana sy varotra, fampitomboana fahazotoana amin’ny fianarana.

3. Labozia Manga – ♃ Jupiter

Fiantraikany : Fahendrena, fahombiazana, harena, fanitarana fahalalana.

Fampiasana : Fanatsarana asa sy tetikasa, fiarovana amin’ny herin’ny olon-dratsy, fampitomboana harena.

Andro tsara : Alakamisy.

4. Labozia Maitso – ♀ Venus

Fiantraikany : Fanasitranana, fitiavana, fandriampahalemana, fifaliana.

Fampiasana : Fisarihana fitiavana maharitra, fanasitranana aretim-panahy sy vatana, fampitomboana harena ara-bola.

Andro tsara : Zoma.

5. Labozia Mavo – ☿ Mercure

Fiantraikany : Fahakingana, fifandraisana, fandraharahana, fahazotoana amin’ny asa.

Fampiasana : Fanatsarana ny fahaiza-miteny, fampitomboana fahalalana, fanamafisana fifandraisana.

Andro tsara : Alarobia.

6. Labozia Maroloko – ☉ Masoandro (Soleil)

Fiantraikany : Fahombiazana, fisarihana angovo tsara, herim-panahy,karma positive

Fampiasana : Fanatsarana tena, fanamafisana fahatokisan-tena, fampisongadinana amin’ny sehatra samihafa.

Andro tsara : Alahady.

Mpiaro Mifandray amin’ny Planeta sy ny Loko

-Volana (Fotsy/Mainty) : Anjely Gabriel, Fanahy mpiaro amin’ny alina, Mpiambina zava-miafina.

-Mars (Mena) : Anjely Samaël, Mpiady ara-panahy, Mpiaro amin’ny ady sy olana.

-Jupiter (Manga) : Anjely Zadkiel, Fanahy mampitombo harena sy fahombiazana.

-Venus (Maitso) : Anjely Anaël, Fanahy amin’ny fitiavana sy fandriampahalemana.

-Mercure (Mavo) : Anjely Raphaël, Mpiaro amin’ny fahazotoana sy fahaiza-miteny.

-Soleil (Maroloko) : Anjely Mikaël, Mpiaro amin’ny fahombiazana sy laza.

💡Azo ampiharina noho izany ireo influence ireo miainga amin'ny mety amin'ny sainao sy fanahinao
💡💡Azo ampiharina ny fandalinanao ny influence n'izany fampirehetana labozia izany koa amin'ny fahafantarana ny andro nahaterahana (planeta ny ora nahaterahana)
💡💡💡 Azo ampiharina koa ho amin' ny fifantohana mandritra ny ora mety amin'ny tanjona ,hifantohana ,hianarana,sns..
💡💡💡💡Fiantraikan’ny Labozia araka ny Sephiroth sy ny Planeta

1. Labozia fotsy – Kether (Volana) : Fifandraisana ara-panahy, fahadiovana, fanadiovana.

2. Labozia volondavenona/manga mazava – Chokmah (Zodiaka) : Aingam-panahy, famoronana, hery ara-tsaina.

3. Labozia mainty/volomparasy maizina – Binah (Saturne) : Fahendrena lalina, fiarovana, fifehezana.

4. Labozia manga – Chesed (Jupiter) : Fitahiana, fanitarana, fahombiazana.

5. Labozia volomparasy – Gevurah (Mars) : Hery, fahasahiana, fiarovana.

6. Labozia volamena/mavo – Tiphereth (Masoandro) : Fahombiazana, fifandanjana, fahazavana.

7. Labozia maitso – Netzach (Venus) : Fitiavana, famoronana, harena.

8. Labozia volomboasary – Hod (Mercure) : Fahakingana, fifandraisana, fahazavan-tsaina.

9. Labozia volondavenona – Yesod (Volana) : Nofy, saina ambony, fifandraisana amin’ny zava-miafina,arkanjy,fanahy

10. Labozia volontany/maitso –Marron Malkuth (Tany),Maintso (Aina) : Fahamarinan-toerana, fanatontosana, zava-misy ara-materialy

🙏

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261343861006

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Esprit corporelle et subconscience métaphysique posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Esprit corporelle et subconscience métaphysique:

Share