RADIO OASIS TANA 106.4 FM

  • Home
  • RADIO OASIS TANA 106.4 FM

RADIO OASIS TANA 106.4 FM Pejy natokana hifandraisana mivantana amin'ny onjam-peon'ny 106.4

08/09/2025

Mofon'aina Talata 9 Septambra 2025
https://youtu.be/u_SxLqvkt2E
Iainana ny maha-kristianina
Marka 10:19
"Fantatrao ny didy: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona sandoka, Aza mamitaka, Manajà ny rainao sy ny reninao."

08/09/2025

SEPTAMBRA – MIZARA NY VAOVAO MAHAFALY

Mofon'Aina Talata 09 Septambra 2025 IAINANA NY MAHA-KRISTIANINA

Mar. 10:19. « Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao. »

Ny olona izay tsy hanaiky ny fitakian’ny lalàn’Andriamanitra, izay mazava tokoa, dia hanana fiainana tsy tan-dalàna ankapobeny ; ela niandaniana tamin’ilay mpikomy lehibe mantsy izy ary ela nanoherana ny lalàn’Andriamanitra, izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy ety an-tany, hany ka efa za-draharaha amin’izany ady izany. Tsy sokafan’izy ireo na ny masony na ny sainy mba hidiran’ny fahazavana. Akimpin’izy ireo ny masony, andrao hahazo fahazavana izy ireo.

Tsy misy antenaina ny amin’izy ireny, tahaka ireo Jiosy izay tsy nety nijery ny fahazavana nentin’i Kristy ho azy. Tokony ho nanalefaka sy nampietry ny fony, ary nandresy ny sain-dratsy nibahana tao anatiny ireo porofo mahatalanjona nomen’i Kristy momba ny maha-Mesia Azy, dia ireo fahagagana sy fanasitranana ary fananganana amin’ny maty, izay tsy mbola nisy olona nahavita na ho afaka hanao izany afa-tsy i Kristy. Tsy izany anefa fa mainka nanetsika fankahalana sy haromotana tao anatin’izy ireo izany, dia tahaka ny firehetan’ny fahatezeran’i Satana rehefa noroahina tany an-danitra izy. Arakaraka ny nitomboan’ny fahazavana sy ny porofo nananan’izy ireo, no nitomboan’ny fankahalany koa. Tapa-kevitra hamono ilay fahazavana izy ireo, amin’ny alalan’ny famonoana an’i Kristy. (...)

Ny manararaotra ny fotoana tsirairay no asantsika, mba hanehoana ny fahamarinana amin’ny fahadiovany sy ny fahatsorany any amin’ny toerana izay tsy misy faniriana na fahalianana handre ny anton’ny finoantsika. Ireo izay revo misaintsaina ny faminaniana sy ireo foto-pampianarana ao amin’ny finoantsika, dia aoka ho tonga mpianatra Baiboly mpampihatra amin’ny fiainana, tsy misy hataka andro. Tokony hanovo lalina kokoa ao amin’ny loharanon’ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo. Aoka hodinihiny tsara ny fiainan’i Kristy sy ireo lesona ara-panahy tsotra nomeny. Nataon’i Kristy ho tombontsoa sy ho fitsipi-piainana ho an’izay rehetra mino ny anarany izany. Aoka ho vonton’ny toe-panahin’ilay Ohatra lehibe arahiny izy ireo, ary hanana fiheverana ambony ny fiainana masin’ny mpanara-dia an’i Kristy. — TFC, b. 3, tt. 213,214.

08/09/2025

HERINANDRO FIARAHANA MIVAVAKA HO AN’ NY FIANAKAVIANA

IREO FANOMEZAN-DEHIBE AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

Nosoratan’i Willie sy Elaine OLIVER

Alatsinainy : NANOMBOKA NAMORONA ITY TONTOLONTSIKA ITY ANDRIAMANITRA

FANOMEZANA ANIO : Mitolagaga manoloana ny famoronan’Andriamanitra ny mazava, ny rano, ny tany ary ny zava-maniry.

TSIANJERY : “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” – Gen. 1:1

FAMPIASANA MIFANDRAIKA AMIN’NY TSIANJERY

Vakio miadana ny teny tsirairay, ary araho fihetsika tsotra: “Tamin’ny voalohany” (Manehoa isa 1 amin’ny fanondro) “Andriamanitra” (Tondroy ny lanitra) “nahary” (manao fihetsika toy ny manefy zavatra amin’ny tanana) “ny lanitra” (velaro eo ambonin’ny loha ny sandry) “sy ny tany” (ny fanondro manondro ny tany) Mijanòna kely isaky ny fihetsika iray, avelao ny zanakao hamerina, dia tohizo indray.

FAMPIDIRANA

Ny zava-mahatalanjona teo amin’ny famoronana

Feno zava-mahatalanjona ny tantaran’ny famoronana, ary ny fikarohana ankehitriny dia manamafy fa manana hery ny fitalanjonana. Manampy antsika hampihena ny tebiteby sy hahatsapa fitoniana izany, mahatonga antsika ho faly sy velom-pankasitrahana koa. Rehefa miaina ny fanandraman’ny fitalanjonana isika, dia manjary manana fahaiza-mamorona kokoa ny atidohantsika ary maneho hatsaram-panahy bebe kokoa amin’ny hafa isika. Fa indrindra, rehefa mijery ny asa mahatalanjona nataon’Andriamanitra tamin’ny famoronana isika, eny fa na ny tanantsika fotsiny aza, dia mahita sombintsombiny amin’ny toetrany be fitiavana, hendry, mahay mamorona sy manao zava-kanto.

Miatoa kely mba hiaina fotoana iray tsy mirotoroto miaraka amin’ny fianakavianao, hiarahanareo mijery ireo zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra. Jereo ny voankazo sy ny legioma. Didio izany hizara roa na tapaho, ary diniho tsara ny hatsaran’ny firafitra nanaovana azy. Amboloy ny fofony manitra, tsapao izany na malama na marokoroko, ary andramo ny tsirony. Diniho ny tsipiriany eo amin’ny voninkazo na ny ravina iray. Jereo ny fihetsiky ny vorona na ny bibikely iray. Andriamanitra no nahary ireny rehetra ireny.

Nandritra ny toriteny teo an-tendrom-bohitra, dia nilaza tamin’ireo namany i Jesosy mba tsy hanahy ny amin’ny fitafiana sy ny sakafo, fa hijery ny voninkazo sy ny vorona izay noforonin’Andriamanitra ka hahafantatra fa mikarakara antsika Izy. Ny fitalanjonana dia manokatra ny fon’ny ankizy handray ny fitiavan’Andriamanitra ary koa manampy azy ireo ho tia Azy mandrakizay. Indraindray, dia mahery vaika kokoa noho ny toriteny ny fitalanjonana, eo amin’ny fitarihana ny olona ho eo amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

HOSAINTSAININA

NANOMBOKA NAMORONA ITY TONTOLONTSIKA ITY ANDRIAMANITRA

Mitadiava labozia sy afokasoka na jiro fanao am-paosy; tavoahangy misy rano sy vera ary tapoa-tsavony; voankazo na voninkazo.

Feno fitiavana sy fifaliana ny fon’ Andriamanitra raha nanatanteraka ny drafiny Izy, dia ny hamorona planeta iray vaovao tsara tarehy. Tia an’i Adama sy i Eva sahady Izy na dia tsy mbola noforoniny aza izy ireo. Nalainy sary an-tsaina ireo zanany vao avy noforoniny monina ao anatin’ny saha iray tonga lafatra izay feno ny zavatra rehetra mety ilain’izy ireo. Nofidiny ny planeta mety indrindra, foana izany ary vonona ny hofenoiny hatsaran-tarehy tsy hita isa!

Tamin’ny andro voalohany, dia nitsidika ilay planeta antsoina hoe Tany Andriamanitra. Maizina be izany ka namorona hazavana Izy mba hanazava ny haizina. Namirapiratra toy ny volamena teo amin’ny tany tsy nisy na inona na inona ny hazavana; ny tany kosa niandry ny hofenoin’Andriamanitra zavaboary mahatalanjona maro be. Namirapiratra mandra-pahatonga ny alina ny mazava, ary taorian’izay dia tonga indray ny haizina. Hahafinaritra ireo zanak’Andriamanitra tokoa ny hahita ny mazava tsara tarehy. Nijery ny zava-drehetra nataony Andriamanitra ary nahita fa tsara izany.

Andeha harehitsika ny labozia na ny jiro fanao am-paosy mba hampahatsiahy antsika fa namorona ny hazavana rehetra izay hitan’ny masontsika Andriamanitra. (Asao ny ankizy handrehitra ny labozia na ny jiro fanao am-paosy).

Tamin’ny andro faharoa, dia nitsidika ilay planeta tany indray Andriamanitra. Namirapiratra aoka izany ny hazavana raha nandamina ny rano tety ambonin’ny tany Andriamanitra ary nanamboatra tapoa-drano lehibe manodidina ilay planeta mba hampisy rano eo aminy. Namirapiratra ery ny rano rehefa notarafin’ny hazavana, ary madio sy velombelona ny fahitana ny zava-drehetra. Hahafinaritra ireo zanany tokoa ny hisotro rano madio, ny hilomano ao amin’ny renirano, ary ny hahita ny lanitra manga. Nijery ny zava-drehetra noforoniny tamim-pitiavana Andriamanitra, ary hitany fa tsara izany. (Avelao ny ankizy hisotro rano madio sy hitsoka tapoa-tsavony).

Tamin’ny andro fahatelo, dia nitsidika ny planeta Tany indray Andriamanitra. Tontolo andro mahafinaritra tokoa izany satria marobe ny zavatra tokony hatao! Nomeny endrika ny tany ka nasiany havoana sy lemaka. Nosoritany teo amin’ny fasika ny moron-tsiraka. Rehefa izay, dia nofenoiny zava-maitso tsara tarehy manerana ny tany, ahitra malefaka sy maha-te hanitsaka, voninkazo mandefa fofo-manitra manerana ny rivotra, voankazo mamy sy be rano, ary voanjo matsiro sy maha-te hihinana, hazo avo sy hazo fohy, kirihitra, ravina isan-karazany — samy manana ny hakantony sy ny firafiny. Nanao saha manokana Izy, toerana izay honenan’ireo zanaka malalany sy hihaonan’izy ireo Aminy isan’andro.

Hahafinaritra azy ireo tokoa ny handeha eo ambonin’ny ahitra, ny hanambolo ny fofo-manitry ny voninkazo samihafa, ary ny hihinana ireo sakafo matsiro izay maniry eo amin’ny tany sy any anaty kirihitra ary eny ambony hazo – indrindra fa ireo manga be rano sy mamy ery! Nijery izay rehetra nataony Andriamanitra ary hitany fa tsara izany. (Avelao ny ankizy hijery ny voninkazo amim-pitalanjonana sy hifampizara izany).

Nikarakara fatratra ilay planeta vaovao sy izay rehetra noforoniny Andriamanitra. Niriny ny honenan’i Adama sy i Eva ao anatin’ny toerana iray tsara tarehy, ka hampahatsiahy azy ireo ny haben’ny fitiavany azy ny zavatra rehetra ao.

FIARAHA-MIVAVAKA

Lovia baolina momba ny famoronana sy vavaka

• Makà lovia baolina lehibe hanehoana ny tany foana.
• Mametraha labozia mety mitsingevana ao anatin’ilay lovia baolina (apetaho amin’ny hazo kely na “bouchon” ny labozia kely iray. Areheto izany avy eo (Andro 1).
• Mandraraha rano ao anatin’ilay lovia baolina (Andro 2).
• Ampio voninkazo vitsivitsy izany, ravin-kazo na koa zava-maniry hafa mba hahatsara endrika azy (Andro 3).
• Manaova vavaka fisaorana an’Andriamanitra noho ireo karazana hazavana rehetra izay manampy antsika (labozia, hazavan’ny fiara, jiro fanao am-paosy, sns), sy ireo karazan-drano rehetra hita eto amin’izao tontolo izao (renirano, rian-drano, sakeli-drano, farihy, sns), ary ny karazam-boninkazo sy voankazo, hazo ary legioma.

MANAMBOATRA FAHATSIAROVANA

MPIANAKAVY MIARA-MIASA

Feno zava-mahatalanjona

Manangὸna harena kely marobe avy amin’ny natiora (akorandriaka, ravin-kazo, voninkazo, hodi-boankazo, volon’ akoho, sns)

Makà zavatra iray ary diniho mandritra ny 1 minitra izany.

Lazao amin’ny ankohonanao izay maha-talanjona anao momba izany zavaboary izany.

Mamoron-javatra amin’ny sombintsombin-taratasy

Angony ny sombintsombin-taratasy madio (gazety, boky, fonon-javatra).

Mampiasà hety sy lakaoly hanamboarana voninkazo na voankazo na legioma amin’ ny taratasy.

Ampitahao amin’ny tena izy ilay nataonao, ary resaho izay zavatra hitanao sy lesona nosintonina avy amin’izany.

Fangarom-boankazo

Asao ny tsirairay hifidy ny voankazo tiany indrindra.

Jereo ny ivelan’ilay voankazo, ary didio izany mba handinihana ny ao anatiny.

Afangaroy ireo voankazo voasilatsilaka (na alaharo ao anaty lovia)

Misaora an’Andriamanitra noho ny amin’ireo voankazo tsara tsiro sy be rano.

Manaingo trano

Miaraha mitady hevitra hanatsarana kokoa ny endriky ny tranonareo (fandaminana, fanovana ny toeran’ny fanaka, vazy misy voninkazo, sns)

Mampiasà zavatra izay efa misy ao an-trano mba hanaovana haingon-trano.

Manantὸna sary fo voahaingo na ny andinin-tSoratra Masina tianao indrindra eo amin’ny toerana tazan’ny rehetra.

INDRAY MITOPY MASO

Andininy fototra

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” - Gen. 1:1

Fampidirana

Mamirapiratra eo amin’ny hazavana sy ny rano ary ny zava-maniry samihafa ny fahaiza-mamorona ananan’Andriamanitra.

Hevitra hosaintsainina

Andro 1: mazava; Andro 2: rano; Andro 3: zava-maniry - ny tsirairay avy amin’ ireo dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fikarakarany.

Vavaka

Misaotra, Tompo o, noho ny mazava izay mitsilo ny lalan-kalehanay, noho ny rano izay mamelombelona anay, ary noho ny zava-maniry izay mamelona sy manohana ny ainay.

Fifanakalozan-kevitra

Ho anao manokana, inona ny zavaboary maneho indrindra ny fitiavan’Andriamanitra (ny hazavana, ny rano, ny zava-maniry)?

08/09/2025

Alatsinainy, September 08
NY FANOMPOAN-TSAMPY SY NY FAHARATSIANA
https://youtu.be/8ZTMVpY5Mc8

Vakio ny Eks. 32:6. Nitarika azy Ireo ho amin'inona sahady ilay fanompoan-tsampiny? (Jereo koa ny Sal. 115:4-8; Sal. 135:15-18: Isa. 44:9.10.)

Mitovy endrika amin'ilay andriamanitra omby egyptianina antsoina hoe Apis, na ilay andriamanitra ombivavy antsoina hoe Hathor, ilay ombilahy kely volamena. Fanitsakitsahana miharihary ny didy voalohany sy faharoa izany (Eks. 20:3-6). Tsy azo avela amin'izao tsy misy famaizana io fandikan-dalana io satria nanapaka mivantana ny fifandraisan'izy ireo tamin'llay Andriamanitra velona izany. Raha tokony ho nivavaka tamin'ny Mpahary azy ny Isiraelita, dia nivavaka tamin'ny zavatra noforonin'ny tanany izy ireo, izay tsy mahita, na mandre, na mahatsapa, na miteny, na mikarakara, na mitia, na mitarika.

Nivadika ny rasa: Raha tokony ho takatr'izy ireo fa voary noforonina araka ny endrik'Andriamanitra izy ireo, dia tsy izany fa namorona andriamanitra izy ireo, izay tsy araka ny endrik'izy ireo akory fa ratsy kokoa noho izany - araka ny endriky ny biby, lo ve no andriamanitra tian'izy ireo hotompoina? Araka izany dia fahotana lehibe teo anatrehan'i Jehovah no nataon'izy ireo (Isa. 31:7; Isa. 42:17).

Maneho izay voalaza ao amin'ny Rôm. 1:22-27 İlay fihemoran'ny zanak'Isiraely tamin'ny nanamboarany ombilahy kely volamena: amin' ny fomba ahoana?

Ny fanompoan-tsampy dia mandà ilay hevitra teolojika hoe: Andriamanitra dia Andriamanitra ary ny olombelona dia olombelona. Fafan'ny fanompoan-tsampy ny elanelana misy eo amin'Andriamanitra sy ny olona (Mpitt. 5:1) ary tapahiny ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Na mibaribary na miafina ao am-po ny fanompoan-tsampy, dia tapahiny faingana ny fifandraisantsika amin'ny Tompo, ary taominy ho amin'ny fitotonganana ara-pitondrantena isika. Tsy mahagaga raha miresaka momba izay nataon'ny Isiraely ny ampitson'iny ny lahatsoratra: rehefa avy nanolotra fanatitra ho an'ny sampy izy ireo, dia nanomboka nanao lanonana, izay lazain'i Ellen G. White hoe: "fetim-pivavahana jentilisa izay hala-tahaka nalaina avy tamin'ny fanompoan-tsampy tany Egypta." - PM, ed. 2014, 1. 307 (np).

Havanana amin'ny fanamboarana ny sampiny ny olombelona. Mamorona andriamanitra ho an'ny tenany izy ireo, ary ratsy noho izany aza, lasa manompo ireo andriamanitra ireo izy. Soloana zavatra ny Mpamorona, ary na ho ela na ho haingana dia hahatonga fahasimbana ara-pitondrantena izany.

Amin'ny fomba ahoana koa no iankohofan'ny olona amin'ny voary ankehitriny fa tsy amin'ny Mpahary?

07/09/2025

Alatsinainay, September 08

NY FONENAN'ANDRIAMANITRA

Hazavao - NY FONENAN'ANDRIAMANITRA
Efa nisy fotoana ve nahatsapanao ny fanatrehan Andriamanitra manokana teo amin'ny fiainanao? Nanao ahoana izany? Manokana fotoana hisaintsainana ireny fotoana ireny. Resaho amin'Andriamanitra ny amin'izany.

Rafitra azo notsapain-tanana ny tranon'Andriamanitra, izay nahitana tafo, rindrina, ary andry hazo mba hihazonana izany rehetra izany. Nantsoina hoe: Efitra Masina Indrindra ny efitra anatiny indrindra ao amin'ny fitoerana masina (Eks. 26:33). Inona no nahatonga io efitra io, izay goba mirefy folo hakiho amin'ny lafiny rehetra (sakany, halava, ary haavo), ho masina toy izany? Ny fahamasinany dia avy amin'llay monina ao. Tao ambadiky ny lamba izay nanasaraka rny Efitra Masina tamin'ny Efitra Masina Indrindra dia nisy fanaka tokana: ny fiaran'ny fanekena.

Taty aoriana, teo amin'ny tantaran'ny Jiosy, dia nampiasaina hilazana ny fanatrehan Andriamanitra teo ambonin'ny fiaran'ny fanekena ny teny hoe "Shekinah" Manondro ny fonerian Andriamanitra io teny lo. Nanana tempoly mahavariana koa ny Egyptianina, izay nisy efitra "masina indrindra tao anatiny-tahaka ny nataoniny Kananita sasany-saingy natokany ho an'ny sarin-javatra izay maneho ireo andriamaniny izany. Ny fitoerana masin Andriamanitra teo amin'ny Isiraelita kosa dia tsy natao hisy sarin-javatra fanehoana an'Andriamaniny. Mazava tsara ny hevitr'Andriamanitra momba izany, satria nataony ivon'ny didy faharoa ny sampy (Eks. 20:4-6). Lehibe lavitra noho izany no tao amin'ny fitoerana masina isiraelita: ny fanatrehan Andriamanitra mihitsy, lo no toerana hihaonan Andriamanitra amin'ny vahoakany. Tsy lavitra azy ireo Izy. Rehefa tonga nivavaka Taminy tao an-tranony ny Isiraelita, dia nanatrika teo mihitsy ny Tenany.

Izany dia manampy antsika hahatakatra ny tranga taty aoriana, izay nanolorani Nadaba sy | Abiho "afo tsy izy" tao amin'ny fitoerana masina ka nahafaty azy (Lev. 10:1,2).

Na nonina teo amin'ny olony aza anefa Andriamanitra, dia tsy natao ho hitan'ny mason'olombelona izy. Tatý aoriana, rehefa nolazain Andriamanitra tamini Mosesy ny fomba tokony hanatanterahana ny fanompoana tao amin'ny fitoerana masina, dia norarana mafy ny mpisorona tsy hiditra ao amin'ny Efitra Masina Indrindra andrao maty izy ireo (Lev. 16:2). Na ny mpisoronabe aza dia tsy nahazo nidītra tao raha tsy indray mandeha isan-taona, ary tsy maintsy nanaraka fombafomba herntitra, anisanīzany ny fandoroana ditin-kazo manitra betsaka teo amin'ny alitara volamena mba hanaronana ny fanatrehan Andriamanitra hita maso. Ny anjely masina aza manarona ny tavany noho ny voninahitra sy ny hery lehiben'ny fanatrehany (jereo ny Isa. 6:2).

Rehefa avy namaky izay nosoratanao sy nomarihinao ianao dia inona ireo hevitra ankapobeny misongadina manokana avy amin'izany?

Inona avy ireo fanontaniana mipetraka avy amin'ny fandinihanao ny andininy fototra? Ampahany inona no sarotra?

Inona avy ireo fitsipika sy fehin-kevitra hafa hitanao ao?

07/09/2025

Mofon'aina Alatsinainy 8 Septambra 2025
https://youtu.be/_nmU84WnmZA
Izao no fotoana hiasana ho an'i Kristy
2 Timoty 4:1-2
"Mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy aho, Ilay hitsara ny velona sy ny maty, ary amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, - torio ny teny; mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana; anaro, rario, ananaro amin'ny fahari-po rehetra sy ny fampianarana."

07/09/2025

SEPTAMBRA – MIZARA NY VAOVAO MAHAFALY

Mofon'Aina Alatsinainy 08 Septambra 2025 IZAO NO FOTOANA HIASANA HO AN’I KRISTY

2 Tim. 4:1,2. « Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mqfy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. »

Nampiasainao tamin’inona ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra? Nomeny hery manosika hiasa ianao, mba hanehoanao an’i Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana, amin’ny faharetana sy fanantenana ary fiambenana tsy mety sasatra, hiantsoanao ny very mba hibebaka amin’ny fahotany, ary hilazanao ny fampitandremana fa ho avy tsy ho ela i Kristy amin-kery sy voninahitra lehibe.

Raha tsy mifoha sy mandeha miasa any amin’ireo saha misiônera ny mambran’ny fiangonana ankehitriny (...), dia ho tafalatsaka indray ao anatin’ny torimasom-pahafatesana izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no niasan’ny Fanahy Masina tao am-ponao? (...) Tsy nampirisihina ve ianao hampiasa ny talenta nomen’Andriamanitra anao, ka ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora dia samy hampiasa ny talentany ho fitoriana ny fahamarinana ho an’izao andro izao, ary hanao ezaka manokana hitety ireo tanàna izay tsy mbola nitoriana mihitsy ny fahamarinana, sy hanandratra avo ny fanevan’ny filazantsara?

Tsy nohatanjahin’ireo fitahiana narotsak’Andriamanitra taminao ve ianao? Tsy nifantsika lalina kokoa tao amin’ny fanahinao ve ny fahamarinana? Tsy hitanao mazava kokoa ve ny lanjan’izany ho an’ireo very tsy manana an’i Kristy? (...)

Nampahafantarin’ny Fanahy Masina anao mazava ireo fahamarinana manan-danja sy iankinan’ny aina ho an’izao andro izao. Hofonosina ka halevina ao ambanin’ny tany ve izany fahalalana izany? Tsia. Tsy maintsy hapetraka any amin’ny mpanàna vola izany. Rehefa mampiasa ny talentany amim-pahatokiana ny olona iray, na kely manao ahoana aza izany, dia alain’ny Fanahy Masina ireo zava-panahy ireo, ka havaoziny indray eo anatrehan’ny saina. Ataon’Andriamanitra ho hery mamelombelona antsika ny Teniny, amin’ny alalan’ny Fanahiny. Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, ka miasa amin’ny saina, tsy noho ny fahalalana na ny fahaizan’ny olombelona, fa noho ny fiaraha-miasan’ny herin’Andriamanitra sy ny herin’ny olombelona. Ary Andriamanitra no tokony hoderaina noho ny heriny. – TFC, b. 8, tt. 54,55.

07/09/2025

HERINANDRO FIARAHANA MIVAVAKA HO AN’ NY FIANAKAVIANA

IREO FANOMEZAN-DEHIBE AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

Nosoratan’i Willie sy Elaine OLIVER

Alahady : NY FITIAVANA: FANOMEZAN-DEHIBE AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

FANOMEZANA ANIO: Mahafantatra sy mizara ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy manam-petra sy mameno ny fiainana.

TSIANJERY: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” – 1 Jao. 4:19

FAMPIASANA MIFANDRAIKA AMIN’NY TSIANJERY

Maneteza taratasy miendrika fo na mampiasà taratasy mandraiki-tena miendrika fo. Soraty eo amin’ny sary fo tsirairay ireo voanteny ao amin’ny tsianjery ary ny toko sy andininy. Rehefa izay dia alaharo araka ny filaharany avy izany.

FAMPIDIRANA

Ny fitiavan’Andriamanitra tsy manam-petra

Feno fitiavana Andriamanitra. Mikoriana avy ao am-pony mankamintsika ny fitiavana, ary miampita amin’ny namantsika izany avy eo. Amin’ny fifankatiavantsika ary koa amin’ny fanompoantsika Azy sy ny fiankohofana Aminy no anehoantsika ny fitiavana Azy. Talohan’ny fahalavoana, dia ny fitiavana no hany rafitra nifehy an’izao tontolo rehetra izao. Rehefa hofoanana koa ny fahotana, dia ny fitiavana no hihodidinan’ny fifandraisantsika mandrakizay.

Na dia mivaivay aza ankehitriny ny ady atrehina ao anatin’ny fifanandrinana manerana izao rehetra izao, dia tsy izany tsy akory no lohahevitra mibahan-toerana indrindra. Ny fitiavan’Andriamanitra no sary lehibe mandrafitra an’izao rehetra izao, ary handresy sy haharitra mandrakizay izany fitiavany izany. Amin’ny maha olombelona antsika, dia manjavozavo sy voafetra ihany ny fahafantarantsika momba ny fitiavan’Andriamanitra izay mahatalanjona sy lehibe tokoa. Indray andro any anefa, dia hifanatrika Aminy mivantana isika. Amin’izay no hanokanantsika ny mandrakizay hamantarana ireo lafiny hafa mahakasika ny Fitiavany izay ambony lavitra tsy takatry ny saina amin’ny maha-olona antsika.

Mandritra ny fotoam-bavaka ataontsika amin’ity herinandro ity no handinihantsika ny sasany amin’ireo lafin-javatra maneho ny fitiavan’Andriamanitra izay miseho amin’ny alalan’ny zavaboariny sy ny fifandraisantsika amin’ny hafa (ny fanambadiana) ary ny fankalazana (ny Sabata).

HOSAINTSAININA

NY FITIAVANA: FANOMEZAN-DEHIBE IRAY AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

Niankina teo amin’ny tratran’i Dada i Lara. Reny tamin’izany ny fitepon’ny fon’i Dada “Kdo kdo kdo”… “Dada o” hoy izy nijery ny endrik’i Dada feno tsiky, “inona izany lazain’ny fonao izany?”

“Lazain’ny foko hoe velona aho! Ary hoy izy hoe: tiako ianao, tiako i Neny ary tiako koa i Luke!” Norohan’i Dada ny rantsan-tanany ary nakasony tamin’ny tendron’oron’i Lara. Nihomehy i Lara.

“Dada o, ahoana no hidiran’izany fitiavana rehetra izany ao am-ponao?” sady nokapokapohiny ny tratran’i Dada.

“Tahaka izao no fisehon’izany: be fitiavana tokoa Andriamanitra ka tsy azontsika an-tsaina ny haben’ny fitiavany antsika! Lehibe aoka izany ny fitiavany ka mandritra ny mandrakizay mihitsy no hianarantsika momba izany, ary tsy ho tonga amin’ny faran’ny fahafantarana izany fitiavana mahatalanjona izany mihitsy isika!”

Nanandrana naka sary an-tsaina ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra i Luke, saingy tsy nahay. “Tena lehibe tokoa izany fitiavana izany ka tsy mety ho takatry ny saiko!”

“Ahoana indray àry ny nivoahan’ny fitiavan’Andriamanitra avy ao am-pony hankao amin’ny fonao?” hoy i Lara mbola liana dia liana.

“Rehefa namorona an’i Adama sy i Eva Andriamanitra, dia tia azy ireo tokoa. Nanokana fotoana niarahana tamin’izy ireo Izy, ary nihaino azy. Namorona zavatra marobe mahatalanjona hojeren’izy ireo Izy, sy fofo-manitra horohany, tsiro tsara handramany sy hifaliany. Niahy ireo zanaka malalany Andriamanitra, ary noho ny fitiavany azy, dia nofenoiny fitiavana ny fon’izy ireo. Nianatra nitia ny ankilany sy nifampikarakara i Adama sy i Eva. Rehefa nanan-janaka izy ireo, dia tia azy ary nameno ny fon’izy ireo tamin’ny fitiavana koa!”

Naka tavoahangy misy ranom-boaloboka i Dada. “Alaivo sary an-tsaina hoe feno ny fitiavan’Andriamanitra ity tavoahangy ity. Andriamanitra no mandraraka izany ao am-pontsika tahaka izao…” Nandraraka ny ranom-boaloboka tao anaty vera efatra i Dada, vera iray ho an’ny tsirairay. “Ary isika indray no mandraraka ny fitiavantsika ao anatin’ny veran’ny hafa. Tsapan’Andriamanitra rehefa tia Azy isika ka tsy ilaintsika ny hameno ny Fony amin’ny fitiavana; mahafaly Azy kosa ny mahita ny zanany mifampikarakara.”

Nisotro tamin’ilay ranom-boaloboka i Lara sy i Luke. “Hmm, tsara izy izany!” hoy i Luke niandrandra mba hisotro ny rano indray mitete farany.

“Mamy izy izany, sady tsara!” hoy i Lara, “toy ny fitiavan’Andriamanitra mihitsy!”

“Tia antsika amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra!” hoy i Neny. “Tsy hitantsika na tsapantsika mandrakariva izany. Saingy raha mandinika isika ary mihaino tsara, dia ho hitantsika eny amin’ny toerana maro samihafa ny Fitiavany.”

“Izany mihitsy! Hitako ny fitiavan’ Andriamanitra androany rehefa nanampy anao nitondra ny entana avy novidina i Dada!” hoy i Lara. Tsaroan’i Luke fa nahita vorona iray nitondra kofehy vita amin’ny volon’ondry teo am-bavany izy. “Izaho indray nahita ny fitiavan’Andriamanitra rehefa nahita vorona nanamboatra akany ho an’ny atodiny!”

“Tsapako ny fitiavan’Andriamanitra rehefa mifamihina isika rehetra!” hoy i Dada sady nanatsotra ny sandriny hisakambina azy rehetra; nihomehy izy ireo raha namihina azy i Dada.

“Manodidina antsika amin’ny fotoana rehetra ny fitiavan’Andriamanitra” hoy i Neny. Ny hany ilaintsika dia ny mijery tsara mba hahita izany sy hizara izany amin’ny hafa.”

FIARAHA-MIVAVAKA

Vavaka manaraka ny alfabeta mikasika ny fitiavan’Andriamanitra

• Araho ny alfabeta ary derao Andriamanitra noho ny fitiavany izay (teny iray farafahakeliny isaky ny alfabeta): A. Antra B. Be indrafo D. Dodona hamonjy, sns
• Azonao atao koa ny mameno ny lasaka kely iray amin’ny literan’ny alfabeta na soraty eo amin’ny karatra kely ny litera tsirairay. Mifandimbiasa mifidy litera iray ary manipaza kodiakely mba hijerena tarehimarika iray. Rehefa izay, dia mitadiava zavatra na teny 5 hoenti-manoritsoritra ny fitiavan’Andriamanitra miantomboka amin’ny litera M, na teny 3 miantomboka amin’ny R, sns.

MANAMBOATRA FAHATSIAROVANA

MPIANAKAVY MIARA-MIASA

Ny fitiavana: fanomezan-dehibe iray avy amin’Andriamanitra

• Fonosy taratasy famonosana fanomezana ny baoritra iray.
• Fehezo amin’ny ribà tsara tarehy izany.
• Miresaha momba ny fomba itiavan’ Andriamanitra antsika (Mpamelona antsika Izy, Mpamela heloka, Ray, sns)
• Soraty eo amin’ilay baoritra mifono ny fomba tsirairay anehoan’Andriamanitra ny fitiavany. Asio sary fo manodidina izany mandra-pahafeno an’ilay baoritra.
• Azonareo vakina hakana hevitra ny Sal. 23; 103; 145; 1 Kôr. 13 sy ny 1 Jao. 4.

Lalao “mitady harena miafina”

• Asao ny olona tsirairay ao amin’ny ankohonana hitady zavatra telo izay mampahatsiahy azy ny fitiavan’Andriamanitra.
• Apetraho eo ambony lovia be ireo zavatra ireo (na eo ambony latabatra), ary asao ny tsirairay hanazava ny safidiny.
• Alamino hanome endrika fo ireo zavatra ireo; alao sary avy eo ambony izany avy eo, ary sasao ilay sary.
• Ampio zavatra vaovao indray izany mba haseho mandritra ny herinandro.
• Lalao azo asolo azy: Alao ny “bocal” iray ary fenoy zavatra 20 mampahatsiahy ny fitiavan’Andriamanitra, ary sarony fotsim-bary izany. Hidio ilay “bocal” ary ahontsano mba hahitana ireo zavatra natao tao anatiny.

Sary fo kanto

• Maneteza baoritra; ataovy miendrika fo izany.
• Mitadiava sary na teny ao anaty gazety boky izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra.
• Apetraho eo ambonin’ilay sary fo izany; azonareo anampiana izany koa ny sary manokana nataonareo sy ny zavatra hafa mampahatsiahy ny fitiavan’Andriamanitra.
• Rehefa afa-po ianareo, dia apetaho amin’ny lakaoly izy rehetra ary ahantὸny amin’ny rindrina.

INDRAY MITOPY MASO

Andininy fototra

“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” - 1 Jao. 4:19

Fampidirana

Mameno antsika sy mikoriana avy ao am-pontsika mankamin’ny hafa ny fitiavan’Andriamanitra tsy manam-petra.

Hevitra hosaintsainina

Nampiasa ranom-boaloboka i Dada mba hanehoana ny fandrarahan’Andriamanitra ny fitiavany ho ao am-pontsika - sy ny fomba andrarahantsika izany ho ao am-pon’ny hafa.

Vavaka

Misaotra, Tompo o, noho ny “fandrarahanao” ny Fitiavanao ho ao amin’ny fiainako.

Fifanakalozan-kevitra

Taiza ny toerana nahamarihanao ny fitiavan’Andriamanitra androany, ary ahoana no hizaranao izany amin’ny hafa?

07/09/2025

Alahady 7 Septambra 2025: TSY FAHAIZA-MITONDRA
https://youtu.be/JnzMUaTgZ00

Niantso an'i Mosesy hiaraka Aminy Andriamanitra. Mety ho fotoana fohy ho an'i Mosesy ny efapolo andro sy efapolo alina, saingy toa naharitra ela sy lava loatra izany ho an'ny Isiraelita. Tsy teo ilay mpitarika azy ireo hita maso. Sahiran-tsaina izy ireo, tsy nahandry, natahotra, ary tsy natoky tena. Te hanana andriamanitra hita maso izay hitarika azy izy ireo, dia ireo "andriamanitra" izay efa hitany nandritra ny androm-piainany tany Egypta mpanompo sampy.

Vakio ny Eks. 32:1-6. Ahoana no nahatonga ny fitarihan'i Arona ho tonga amin'ny tsy fahombiazana lehibe toy izany?

Tsy hain'i Arona ny niatrika ilay toe-javatra. Tsy hainy ny nanararaotra izany mba hanaovana ny marina. Raha tokony ho natoky ny Tompo izy, dia nilefitra kosa teo anatrehan'ny maro an'isa. Izay zavatra tsy azony veroka mihitsy nпо nangatahin'ny vahoaka: "Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha" - Eks. 32:1, ary dia nanaiky i Arona.

Nanome volamena an-tsitrapo ny olona hanamboarana ilay sampy, ary tsy vitan'ny hoe tsy nanakana azy ireo i Arona, fa nanasa azy ireo mihitsy hanolotra fanomezana. Avy eo dia nandray anjara tamin'ny fanefena io andriamani-tsy izy io izy. Manaraka izany dia hoy ny olona: "lo no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta" Eks. 32:4. Akory ny halehiben'ny fahotany, ny ditrany, sy ny tsy fahendreny! Izy ireo izao no vao nanamboatra ilay sampy, kanefa avy eo nolazainy fa io sampy io no nanafaka azy? Mahavariana tokoa ny fanimban'ny faniriana feno fahotana ny fisainantsika sy ny asantsika! Ny zavatra noforonin'ny tanany no hindrahindrain'ny olona, ary manjary mirefarefa ny maha-olombelona sy ny fitondrantenany amin'izany.

"Olona matotra sy manana ny maha-izy azy ary tsy mety kivy fa mahery fo no ilain'ny fotoan-tsarotra toy izay nandalovan'ny Isiraely tamin'izany andro izany. Olona manao ny voninahitr'Andriamanitra ho ambony noho ny ainy mihitsy aza no tadiavina. Tsy nanana izany toe-tsaina izany anefa ilay natao hitarika ny Isiraely. Tsy voafehin'i Arona araka ny tokony ho izy ny vahoaka, ka vao mainka koa nahakirina azy ireo ny tsy fahaizany mitondra. Vetivety foana dia nivadika ho rotaka ny fimonomononana." - PM, ed. 2014, t. 304.

Ahoana no nahatonga an'i Arona halemy toy izany? Tamin'ny fomba ahoana no mety ho niezahan'i Arona nanamarina ny fihetsika mahatsiravina nataony tao am-pony?

Address

Mahazo Soamanandrariny

105

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO OASIS TANA 106.4 FM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to RADIO OASIS TANA 106.4 FM:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share