01/07/2025
🔰𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐬𝐲 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐘👑‼
⚠𝐏𝐚𝐫𝐭𝐢𝐞𝐬 -𝐈-⏳
◾𝘬𝘢𝘰𝘮𝘪𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘳𝘶𝘳𝘢𝘭' 𝘪 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰
◾𝘋𝘪𝘴𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯' 𝘪 𝘝𝘢𝘯𝘨𝘢𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘰🏠
◾𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘨𝘯𝘢𝘯𝘢🏘
➡ Ny fampahafantarana any kaominina ruralen'i Manambondro sy Tantaran'ny Fanjakany no hoentiny pejy Fafirano Gn'hampitohazara II (👈abonnéo🙏) ho antsika androany.
◾58km miala eo vangaindrano mihazo ny RN12A ny makany manambondro, miampita baka refa tonga eo masianaka.
◽Ny 𝐀𝐍𝐓𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐁𝐎𝐍𝐃𝐑𝐎 no anarany foko ao manambondro, 8 commune manodidina azy Dia:isahara,marokibo, Vohimalaza,mahabe, manambondro, fenoambany, sandravinany, amparihy-est, antsoina hoe department de manambondro, ary 1000 km eo ho eo raha miala any Antananarivo.
🟩𝐍𝐲 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐞 𝐫𝐮𝐫𝐚𝐥𝐞𝐧' 𝐢 vangaindrano 𝐝𝐢𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐞𝐬 31 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧' 𝐢 Vangaindrano
🟩𝐈𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐞 𝐫𝐮𝐫𝐚𝐥𝐞𝐧' 𝐢 Manambondro🏡:
◽𝐌𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨
◾🟠𝐌𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐣𝐨𝐫𝐢𝐚𝐤𝐲
◽🟡𝐀𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐚𝐦𝐩𝐲
◾𝐀𝐦𝐛𝐚𝐭𝐨𝐯𝐚𝐧𝐝𝐚
◽🟢𝐕𝐨𝐡𝐢𝐧𝐝𝐚𝐯𝐚
◾Ambatomahavelona
◽Menaretry.
➡Ny Code administratif ny Manambondro dia 21427.
➡ ireto ny kaominina manakaiky any manambondro: Masinaka Fenoambany, Marokibo, Vohimalaza .
➡Manodidina ny 16451 ny isan'ny mponina ao amin'ny kaominina ruralen'i manambondro aminizao. Izay isany maro mponina raha miraha aminireo kaominina ato amin'ny distrikan'i Vangaindrano.
🔴𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐓𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐃𝐑𝐎.
◾RAFIOMBONA dia zanaka mpanjaka tany IKONGO, Telo (03) lahy sy vavy tokana ny zanany, izay tsy afaka nanjaka tany, ary niala tany izy ary nandeha ka tonga teo aminy toerana antsoina hoe ANTOKONOSY ao manambondro.
◽Nizanona satria narary ny aomby noentiny ary reraka ny mpiaradia taminy.
◾Fangoroadambo no teo ANTOKONOSY, refa niady taminireo mpangorondambo izy ireo dia naharesy ary dia nanjaka teo.
◽Taorianizay, rehefa nahafatatra ny rainy tany IKONGO fa eo antokonosy no misy ny zanany dia tonga teo ny rainy namangy azy, ary nitondra rano avy any matitanana ikongo, ary nafangaro tamin'ny rano teo an-toerana ary nomena anarana hoe manambondro refa avy namasinina izany.
🔶𝐍𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐭𝐞𝐥𝐨 (03) 𝐚𝐯𝐢𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚 👑:
➡𝘕𝘺 𝘭𝘢𝘩𝘪𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘢𝘯𝘵𝘴𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘰𝘦 𝘙𝘈𝘛𝘚𝘐𝘔𝘈𝘕𝘐𝘙𝘠 𝘵𝘢𝘰 𝘴𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘷𝘪𝘯𝘢𝘯𝘺,
➡𝘙𝘢𝘵𝘴𝘪𝘢𝘻𝘰𝘮𝘰𝘴𝘢𝘳𝘺 𝘬𝘰𝘴𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘷𝘰𝘩𝘪𝘮𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢,
➡𝘙𝘦𝘧𝘰𝘭𝘰 𝘬𝘰𝘴𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘰𝘯𝘰𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘩𝘢𝘵𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘰 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘩𝘰 ANDRAFOLO.
◾Maritoerana tokoa ny fanjaka tany amin'ny faritra manambondro iny,
◽Satria dia tsy nisy mpanjaka niandy antrano firy, ary mbola mipetraka ao manambondro tsara ny rafitra hoentiny rafitra LONAKA, izay ray aman-drenibe eo an-tanana aram-pombandrazana.
◾Misy ny andraikitra sahaniny eo amin'ny maha raiman-drenibe azy, izay eo amin'ny fiarahamonina feheziny.
◽Ny mpanjaka manjaka, fa ny faritra andrafolo kosa dia voazarazara ho FATRANGE noentin'ny LONAKA, izay tsy dia nizabahany MPANJAKA loatra, ary mbola rafitra mipetraka atramin'izao.
◾Mbola misy ao manambondro ny antsoina hoe tranobe ahitana ny tranondahy sy tranombavy izay samy manana ny asany sy ny hasiny.
_____________________________
⚠𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐎𝐇𝐘...𝐩𝐚𝐫𝐭𝐢𝐞 -𝐈𝐈-⚠
_____________________________
❌✖ FAMPAHAFANTARANA fohy momba an* I MANAMBONDRO SY FANJAKANY io, raha misy fanamafisana na fanitsiana na koa tsy voalaza dia alefaso ao @ commentaires tompoko ✖❌
____________________________
➡️... ✍️... 𝐍𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚, 𝐧𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚,𝐧𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚 Fafirano Gn'hampitohazara.
___________________________
➡️𝘔𝘢𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘩𝘪𝘻𝘢𝘳𝘢 ( 𝘩𝘪 - 𝘱𝘢𝘳𝘵𝘢𝘨𝘦𝘴 ) 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘧𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘬𝘪𝘢𝘯𝘢𝘰.
➡️ Araho ny pejy 𝗙𝗔𝗙𝗜𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗴𝗻'𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗢𝗛𝗔𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗜𝗜 🙏
____________________________
📸Sary ny tananan'i MANAMBONDRO sy mponina tany amin'ny taona 1893.
http://doi.org/10.25549/impa-m6405
____________________________
©️ Fafirano Gn'Ampitoha azara.