14/07/2026
🔴 ÉCRAN GÉANT FOOTBALL ⚽🔴
🔥 MANASA-DALANA – FIADIANA NY AMBOARA ERAN-TANY FIFA 2026 🔥
Ho an'ireo mpankafy baolina kitra rehetra ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra sy ny manodidina,
Noho ny fangatahan'ny tanora sy ny vahoaka eny an-toerana, ary ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analanjirofo, dia mikarakara fandefasana mivantana amin'ny écran géant ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritra aty Analanjirofo.
📍 Toerana : Eo anoloan'ny biraon'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibe.
📅 Daty : Talata 14 Jolay 2026
⏰ Fotoana : Amin'ny 10 ora alina (22h00)
⚽ Lalao manasa-dalana (Demi-finale) :
🇫🇷 Frantsa 🆚 🇪🇸 Espaina
🤝 Fiaraha-mikarakara :
▪️Drcc Analanjirofo Fanavaozana
▪️Mouvement Gasikara Faritra Analanjirofo
▪️ (Jeune Leaders pour le Développement Durable d'Ambohibe)
▪️
🎉 Hetsika lehibe feno hafaliana sy fiaraha-mientana, misokatra ho an'ny rehetra, mba hiarahana mankafy ny hakanton'ny baolina kitra amin'ny écran géant.
Fanindroany izao no nisy Ecran Géant ankalamanjana nandefa baolina teto Ambohibe ville izay nikarakarain'ny ekipan'ny aty ifotony.
Tongava maro ary andao hiara-hientana hanohana ny ekipa izay ankafizinao! ⚽🇲🇬🔥
Dika mitovy nalaina tao amin'ny pejin'ny Drcc Analanjirofo Fanavaozana