Ny Fahamarinana

Ny Fahamarinana ��

Aleo ianareo vahoaka no hitsara
01/08/2026

Aleo ianareo vahoaka no hitsara

💉🌡️Ireo tsara hofantatra mikasika ny nendran-drajako nalaina tao amin'ny rindrin'ny Dr Manitra Rakotoarivony FANONTANIAN...
01/07/2026

💉🌡️Ireo tsara hofantatra mikasika ny nendran-drajako nalaina tao amin'ny rindrin'ny Dr Manitra Rakotoarivony

FANONTANIANA 1: Mahafaty ve ny virus mpox (variole du singe)?

👉 TSIA, tsy mahafaty amin’ny ankapobeny, fa METY hahafaty amin’ny tranga sasany.

Ny ankamaroan’ny olona dia sitrana tanteraka ao anatin’ny 2–4 herinandro.

⚠️ Ny fahafatesana dia miseho indrindra raha:
🤕zaza kely no voa,
🤕olona efa marefo:
📍VIH tsy voafehy,
📍diabète tsy voafehy,
📍insuffisance rénale,
📍olona vesaran'ny tsy fanjarian-tsakafo,
📍bevohoka,
📍Ireo misy fahasarotana mitarazoka tsy voatsabo.

FANONTANIANA 2: Inona no symptômes misy mampiahiahy fa misy fahasarotana?

Ireto soritr’aretina manaraka ireto dia tsy maintsy tsaboina any amin’ny hopitaly avy hatrany fa 👉 Ireo no formes graves.
💥Hafanana avo tsy mety midina
💥Fery be dia be, miteraka fivontosana na "inflammation" 💥Fery misy nana naloto nohon'ny "surinfection bactérienne"
💥Fanaintainana mafy, indrindra amin’ny faritra anaty (ativava, ati-tenda, lava-body sy ny manodidina azy, ankasarotana (faritra manodidina ny fivaviana na filahiana).
💥Fahasemporana,
💥kohaka,
💥fanaintainana taovam-pisefoana (fahavoazan'ny avokavoka)
💥Fikorontanan-tsaina,
💥Fanintona na toratorana "atteinte neurologique"
💥Tsy fahampian-drano nohon'ny fahaverezan-drano na tsy fisotroana, mety nandoa be na nivalana)

FANOTANIANA 3: Misy protocole de traitement ve sa miandry vaksiny fotsiny?

ENY, misy protocole fandraisana an-tanana, na dia tsy misy fanafody manokana hamonoana ilay virus aza.

🔹 Fitsaboana ampiharina amin’ny ankapobeny:

🩺Fampiasana fanafody manala fanaintainana sy fampidinana hafanana,
🩺Fanampiana rano, solution de réhydratation,
🩺Fikarakarana ny fery raha ilaina, fanadiovana fery,

👾 Atokana efitra ny marary raha azo atao mandra-pahasitranan’ny fery rehetra (milatsaka ny takompery).

👉 Ny fanafody Antiviral dia ampiasaina amin’ny formes graves ihany, any amin’ny hôpital manokana, tsy mbola hita betsaka eto amintsika.

👉 Ny vaksiny dia natao ho FISOROHANA fa tsy fitsaboana, fisorohana ilay aretina, fisorohana ny tsy hivoaran'ny aretina ho lasa formes graves.
🏆Ny vaksiny dia atao ho fisorohana, indrindra rehefa nisy contact akaiky.

FANONTANIANA 4: inona ireo tena zava-dehibe tokony atao sy tsy atao?
✔️ Fanaraha-maso ara-pitsaboana akaiky
✔️ Fanokanana efitra na toerana ny marary mba tsy hifindra amin’ny hafa
✔️ Fahadiovan'ny tanana sy akanjo
✔️ Fisorohana ny fifampikasohana amin’ny fery
✔️ Sakafo manankarena protéine sy zinc hanarenana ny hoditra
✔️ Fialana amin’ny:
fikitikitihina fery sy
fitsaboana tsy voaporofo amin'ny
fanafody manimba aty na voa

HAFATRA:
👾 🐒Ny Mpox dia tsy aretina mahafaty amin’ny ankapobeny,
Mety hiharatsy raha marefo ny vatana na tara ny fitsaboana

Aza MANAHY...
🐒🐒 Raha tsy misy vaksiny azo atao, natsy te hanao vaksiny dia:
🔑 mitandrina fatratra amin’ny fahadiovana,
🔑 Mitokana efitra rehefa misy soritr’aretina,
🔑 Manala tanana matetika.
🔑 Mampiasa masques amin’ny toerana ifandraisana akaiky.
🔑 Tsy mizarazara akanjo, servieta, na fitaovana amin’ny hafa.

📌📌📌 Raha misy soritr’aretina mampiahiahy dia manatona hopitaly avy hatrany .

Rahambola misy fanontaniana tsy voavaly any ho any dia anontanio izay mpitsabo akaiky anao indrindra. Araho hatrany n'y vaovao ofisialy omen'ny Ministera tompon'andraikitra.

Dr Manitra Rakotoarivony
Sary indrana

Antsiranana fa dia nahoana loatra ??? 🥲
01/06/2026

Antsiranana fa dia nahoana loatra ??? 🥲

⛔️⛔️⛔️Mitohy tsy mitsahatra ny asa fampihorohoroana sy ny fanenjehana ara-politika ataon’ity fitondrana miaramila ity am...
01/04/2026

⛔️⛔️⛔️Mitohy tsy mitsahatra ny asa fampihorohoroana sy ny fanenjehana ara-politika ataon’ity fitondrana miaramila ity amin’ireo tsy mitovy firehana politika aminy.

Fantatra fa nanaovana fisavana na perquisition indray tany amin’ny trano fonenan’ny minisitra teo aloha sady solombavambahoaka Sahondrarimalala Marie Michelle. Miaramila maro mitana fitaovam-piadiana no nanao ny fisavana, tsy nahitana na inona na inona mampiahiahy ny tao an-trano fonenany kanefa dia nentina notazomina any amin’ny brigade criminelle izy amin’izao fotoana izao.

Andro Alahady hariva no natao ny fisavana, efa maro no namaky bantsilana ny fandikan-dalàna, ny fanaparam-pahefana ary ny barofo atao amin’itony perquisitions itony kanefa dia mbola mitohy hatrany, marihana fa olom-boafidy ihany koa Ramatoa Marie Michelle ary mpitsara mbola amperinasa.

Melohina tanteraka ny fanohizana ny ramatahora sy ny herisetra ataon’izao fitondrana miaramila izao.

Izy no Filoha Andry Rajoelina akaiky sy nanakaiky vahoaka foana.
01/04/2026

Izy no Filoha Andry Rajoelina akaiky sy nanakaiky vahoaka foana.

01/02/2026

Sao ataonao fa adinonay aza itony?? Ianao ve no hanome lesona ? Ianao no tokony tsaraina fa aza miafina ao ambadikiny AN satria PAN ..

Na ianao aza anie ry ingasy Siteny tsy tiany namanao e!!
01/02/2026

Na ianao aza anie ry ingasy Siteny tsy tiany namanao e!!

pejiny : FILOHA ANDRY RAJOELINA " Ry Malagasy namako,Am-pitiavana no iarahabako sy irariako ny soa sy ny tsara ho anareo...
01/01/2026

pejiny : FILOHA ANDRY RAJOELINA

" Ry Malagasy namako,

Am-pitiavana no iarahabako sy irariako ny soa sy ny tsara ho anareo tsirairay avy amin’izao fiantombohan’ny taona 2026 izao.

Fantatro sy tsapako ny tebiteby ary ny ahiahy iainan’ny tsirairay avy.
Mahatsiaro manokana anareo aho, ary tsarovy mandrakariva fa tsy irery ianareo.

Hindramiko ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Eksodosy 14:14 manao hoe :
« Jehovah hiady ho anareo, ary ianareo kosa hangina. »

Manoloana ireo zava-nitranga volana vitsy lasa izay, tao anatin’ireny fitakiana sy korontana ireny, dia nisafidy ny hisintaka sy hangina aho.
Ny fandeferana sy ny fahendrena no nibaiko ahy mba hisorohana ny fifandonana, ny rà mandriaka ary ny fahapotehana.

Ankehitriny tsy fotoana hamafazana fankahalana na hanaovana herisetra.

Manentana antsika aho hisafidy ny lalan’ny fihavanana sy ny fitoniana, fa tsy ny lalan’ny fankahalana sy ny fifandrafiana.

Ny faniriako dia mba ho taona hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo sy ny tokantrano tsirairay avy
Ity taona vaovao ity .

Ny faharavana dia hiova ho fananganana indray,
Ary ireo ranomaso dia hampitsiry ny fanantenana.

Ny ratsy sy ny loza tsy maharitra mandrakizay, fa mandalo ihany.
Tsy misy haizina maharitra manoloana ny hazavana.

Ankinin-tsika amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra :
Izy no hiaro amin’ny tanany masina antsika rehetra sy an’i Madagasikara,
Ary hitantana ny dian-tsika.

Atao am-poko foana ianareo."

01/01/2026

Ry Malagasy namako,

Am-pitiavana no iarahabako sy irariako ny soa sy ny tsara ho anareo tsirairay avy amin’izao fiantombohan’ny taona 2026 izao.

Fantatro sy tsapako ny tebiteby ary ny ahiahy iainan’ny tsirairay avy.
Mahatsiaro manokana anareo aho, ary tsarovy mandrakariva fa tsy irery ianareo.

Hindramiko ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Eksodosy 14:14 manao hoe :
« Jehovah hiady ho anareo, ary ianareo kosa hangina. »

Manoloana ireo zava-nitranga volana vitsy lasa izay, tao anatin’ireny fitakiana sy korontana ireny, dia nisafidy ny hisintaka sy hangina aho.
Ny fandeferana sy ny fahendrena no nibaiko ahy mba hisorohana ny fifandonana, ny rà mandriaka ary ny fahapotehana.

Ankehitriny tsy fotoana hamafazana fankahalana na hanaovana herisetra.

Manentana antsika aho hisafidy ny lalan’ny fihavanana sy ny fitoniana, fa tsy ny lalan’ny fankahalana sy ny fifandrafiana.

Ny faniriako dia mba ho taona hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo sy ny tokantrano tsirairay avy
Ity taona vaovao ity .

Ny faharavana dia hiova ho fananganana indray,
Ary ireo ranomaso dia hampitsiry ny fanantenana.

Ny ratsy sy ny loza tsy maharitra mandrakizay, fa mandalo ihany.
Tsy misy haizina maharitra manoloana ny hazavana.

Ankinin-tsika amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra :
Izy no hiaro amin’ny tanany masina antsika rehetra sy an’i Madagasikara,
Ary hitantana ny dian-tsika.

Ato am-poko foana ianareo.

-------------------------

Mes chers compatriotes,

En ce premier jour de l’année 2026,
j’adresse à chacun d’entre vous
mes vœux de paix, de courage
et d’espérance .

Notre pays, Madagascar, traverse une tempête, une épreuve marquée par l’inquiétude, l’incertitude et parfois la peur.

À vous qui êtes fragilisés et éprouvés,
Vous qui vous sentez persécutés,
Sachez que vous n’êtes pas seuls.

Dans ces moments difficiles, souvenons-nous
de la Parole dans Exode 14:14 :
« L’Éternel combattra pour vous, et vous, gardez le silence. »

Face aux menaces, aux tensions et aux divisions que nous avons traversées, c’est en mon âme et conscience que j’ai fait le choix
de m’écarter, plutôt que d’entraîner
le peuple Malagasy dans l’affrontement et le chaos.

Aujourd’hui, l’heure n’est ni à la haine
ni à la vengeance, mais à l’unité et à la responsabilité.

Je souhaite que cette nouvelle année soit une année où les divergences laissent place au dialogue,
où le peuple retrouve espoir,
Car les Malagasy méritent un avenir meilleur.

Là où il y a l’échec ,
Naîtra le redressement.

Là où les larmes ont coulé ,
Chaque pleur aura été une purification.

Que nul mal ne s’installe durablement.
Que nul malheur ne prenne racine.
Que la peur recule et que la foi demeure.

Restons unis.
Restons confiants.
Madagascar renaîtra par la sagesse et non par la violence.

Filazana maika
12/26/2025

Filazana maika

12/26/2025

Noely niaraka t@ FORONGONY tena hafa mihitsy fa niaraka t@ vahoaka Malagasy ,hafa ihany ny MAMIMBAHOAKA BE FANETRENTENA oa .

Address

13 Rue
Paris, TX

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Fahamarinana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share