30/11/2025
Ny SG ny AJAPM Frédéric RATOLONJANAHARY no voafidy ho filohan'ny ALJM 🚩Atsimo Atsinanana:
📰FIKAMBANANA'NY MPANAO GAZETY:FIFAMINDRAM-PITANTANANA
✅Notanterahina tao amin' ny Renivohim- paritra Atsimo Atsinanana Farafangana ny fifamindram-- pitantanana ( Passation ) teo amin' ny Filohan' ny ALJM teo aloha Andriamatoa ROULIER FAHAENIMANANA izay nahatapitra ny fe- potoana nitondrany, sy ny Filoha vaovao Andriamatoa RATOLONJANAHARY FREDERIC izay Filohan' ny Fikambanan' ny mpanao gazety aty amin' ny Faritra Atsimo Atsinanana.
📍Ny fisian'ny fikambanana toy izao, dia manampy amin’ny fanomezana fiofanana, fanatsarana ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety,mitarika ny fampandrosoana, ny matihanina, ary ny fanamafisana ny fiaraha-mientan’ny mpanao gazety eto amin’ny Faritra.
🤝 Mirary ny soa ny fikambanana !