16/04/2024
𝐀𝐍𝐃𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀
𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗻𝗮 « 𝗰𝗼𝗺𝗺𝘂𝗻𝗶𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 » 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗮𝗹𝗲𝗵𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗴𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮.
👉𝙎𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’ 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙣𝙞𝙩𝙧𝙖 : mandefa hafatra amin’Andriamanitra (fiderana, fangatahana, fankasitrahana…), mandray hafatra avy amin’Andriamanitra (fampaherezana, toky, fampitandremana…)
👉𝙎𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 (fampahafantarana, fanasana handray anjara …)
⭐️Efa hainareo ihany moa fa ampatsiahivina fotsiny hoe tsy ny feo heno ihany na ny teny (𝘃𝗲𝗿𝗯𝗮𝗹) ihany no manandanja sy mitondra 𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗿𝗮, fa ny gadona sy ny halefadefaky ny feo… (𝗽𝗮𝗿𝗮𝘃𝗲𝗿𝗯𝗮𝗹) sy ny fihetsika sy ny endriky ny mpampita hafatra (𝗻𝗼𝗻 𝘃𝗲𝗿𝗯𝗮𝗹).
Izaho moa izany taloha vao tsy mahatratra toerana hahatazanana ny alitara dia lasa aho mandeha mody mihaino fotoampivavahana amin’ny radio na tsy mihaino 😊
Fa izao, hisaorana ny Tompo sy ny mpikirakira ny lafiny teknika ao ampiangonana fa efa misy ny « 𝗲𝗰𝗿𝗮𝗻 » be dia be hampitana akaikikaiky kokoa ny zava-misy ao ampiangonana na dia lavitra sy tsy mahita ny alitara aza.
Ilay zava-misy ao ampiangonana mihitsy no antony hanaovako ity « 𝗽𝗼𝘀𝘁 ». Eto vao tena manomboka ny resaka 👇.
🌞Indraindray ilay 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙤𝙠𝙤𝙣𝙮 𝙝𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙥𝙖𝙨𝙮, 𝙞𝙡𝙖𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙩𝙤𝙣-𝙙𝙞𝙖 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙜𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙙𝙞𝙣𝙤. Andao ampiana ny olona mangetaheta an'Andriamanitra tsy hody maina isaky ny alahady sy asabotsy. Ireto misy azo hanampiana azy.
👉Tsy ampy re ilay « ecran » ao ampiangonana fa 𝗘𝗻𝘁𝗮𝗻𝗼 𝗿𝗲 𝗵𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗯𝗮𝗶𝗯𝗼𝗹𝘆 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗵𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 fa rehefa misy olana ara teknika na tapaka tsotra izao ny jiro dia mihanahana daholo zareo rehefa mihira sy mamaky teny.
👉Aleo mba tohizana ny fampiasana ilay 𝗳𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 « traditionnel » (ilay fametrahana lisitry ny hira sy ny vakiteny) fa 𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗼𝗮𝘁𝗲𝗿𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗽𝗲𝗿𝗶𝗸𝗼𝗽𝗮 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼 𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 an. Raha mbola tapatapaka ny jiro eto Madagasikara dia tena tsy mety ho amintsika mihitsy ilay manala tanteraka ilay nentimpaharazana.
👉Ho an’𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗸𝗶𝗿𝗮𝗸𝗶𝗿𝗮 𝗻𝘆 « 𝗰𝗮𝗺𝗲𝗿𝗮 », mba hiezaho re mba ilay zavatra tokony hifantohana ( 𝗽𝗮𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗼𝗿𝘆 𝘁𝗲𝗻𝘆, 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗮𝗸𝘆 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗲𝗿𝘆 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗻𝗮 𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝘃𝗮𝘃𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗿𝘆 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮, 𝗻𝗮 𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 𝗰𝗵𝗼𝗿𝗮𝗹 𝗺𝗶𝗵𝗶𝗿𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮)no alaina sary fa tsy ny olona matory, na ny olona mahataratara antsika, na ny zanatsika sy ny ray amandrenintsika any amin’ny tsy misy idirany any no alaina an.
👉Farany: Aleo ianareo no hamaly hoe iza no tokony alaina sary rehefa rakitra: Ry choral mihira sa ry mpanatitra rakitra eny aloha, sa ny varavarana (tena tsy mitovy daholo marina ny fomba fandiniky ny olona )
sary indrana