Lolita Raza

Lolita Raza Salama e !! Tongasoa eto amin'ny Pejiko 🇲🇬
Influenceuse I.A N*1 à Madagascar

07/06/2025

Finoana, Fanantenana, Fitiavana
3F - Antsa an i Kristy by Metisy Kely.

30/05/2025

🚨 ARAHO ny Pejiko 🇲🇬🇲🇬
Fa Hiova ny FIAINANAO ‼️

🔔 "Mijaly ve ianao, sa sambatra ao anaty fanambadiana?" 🚨Fanambadiana tsy tambitamby lava… fa fifanampiana. ✅Tsy tantara...
21/05/2025

🔔 "Mijaly ve ianao, sa sambatra ao anaty fanambadiana?" 🚨

Fanambadiana tsy tambitamby lava… fa fifanampiana. ✅
Tsy tantara mamy fotsiny, fa ady sy tolona mila fahaiza-mihaino sy fahaiza-mandefitra.

💔 Raha mijaly ianao, aza mijanona ao anaty fahanginana.
Tsy hoe fanambadiana dia tsindry fo sy ranomaso isan’andro.
Tsy voatery hijanona amin’ny zavatra manimba anao ianao, satria hoe "fanambadiana io".

❤️ Raha sambatra ianao, maahafinaritra izany!
Karakarao ny vadinao. Resaho, ankafizo, aoka hisy fitiavana sy fahaiza-mihaino hatrany.

📌 Tsarovy:
Tsy hoe manambady dia vita.
Fa manambady vao manomboka ny asa be! 😌

Mpanoratra : Metisy kely
PS : Tsy mbola manambady

"Ankasitrao izay anananao 🙏🏽❤️"Eny, mbola be ny tianao ho tratrarina…Mbola lavitra ny nofinofinao…🔥Fa aza hadinoina ny m...
14/05/2025

"Ankasitrao izay anananao 🙏🏽❤️"

Eny, mbola be ny tianao ho tratrarina…
Mbola lavitra ny nofinofinao…🔥
Fa aza hadinoina ny mankafy sy mankasitraka izay efa eo am-pelatananao.✅✅

Matetika loatra isika mijery izay tsy ampy foana,❌🔥
ka manadino mijery izay efa ananantsika.🚨❌

➡️ Tsy midika hoe mionòna ‼️‼️
fa miezaha hatrany,
Satria ny fo feno fisaorana hanome herim-po vaovao indray. 🌱✨

❌❌ Tsy ao anaty toaka no misy vahaolana 🚨🚨Raha kivy ianao, reraka, very fanantenana… ‼️Dia tadidio fa tsy hanome anao he...
01/05/2025

❌❌ Tsy ao anaty toaka no misy vahaolana 🚨🚨

Raha kivy ianao, reraka, very fanantenana… ‼️
Dia tadidio fa tsy hanome anao hery ho tafarina ny fisotroana sy fidorohana. Tsy ao anaty zava-mahadomelina no misy fiononana." 🍷🚫💊
Mety adinonao vetivety ny olana, fa hiverina in-2 heny rehefa mifoha ianao rahampitso maraina.

👉🏾 Raha mitady vahaolana ianao, dia tadiavo ao anaty finoana, asa, fianarana, fitiavana ary faharetana.
Mila miatrika olana, fa tsy sanatria akory handositra.

Ny olana, tsy resin’ny alikaola… fa resin’ny herim-po sy fahatsiarovan-tena. 💪🏾🔥

Mirary soa anao

Mpanoratra : Metisy Kely

❌❌ Aza ny RATSY foana no jerena eo amin’ny fiainanao! ‼️🚫Ny ankabeazantsika dia manana an'ity olana ity.Maso mivilana fo...
27/04/2025

❌❌ Aza ny RATSY foana no jerena eo amin’ny fiainanao! ‼️🚫

Ny ankabeazantsika dia manana an'ity olana ity.
Maso mivilana foana. Mahita fotsiny izay tsy ampy, izay tsy tonga lafatra, izay tsy misy.
Toy ilay vera feno antsasany: tsy faly amin'ny rano anaty vera, fa mitaraina amin'ilay banga!

🚫 Tsy ampy ve ny vola? Aleo mihezaka miasa mafy aloha.
🚫 Tsy tonga lafatra ve ny fiainana? Efa velona aloha androany ary afaka manarina.
🚫 Tsy tratra ve ny nofinofy? Mbola afaka manatanteraka izany ianao anio.

Ajanony ny fitsikerana tsy an-kijanona. Ajanony ny fitarainana tsy misy farany.
Raiso amin’ny fo feno fankasitrahana izay anananao. Ampitomboy. Ampiasao. Ary sokafy ny varavarana ho amin’ny tsara kokoa!

✅ Ny fo feno fankasitrahana no mitondra fiadanana sy fahombiazana bebe kokoa!
Tsy hoe manadino ny olana, fa mianatra mahita hery sy fanantenana amin’izay tsara efa eo. 🌟

Aza jerena foana ny tsy ampy... fa ankafizo ny soa efa eo an-tananao! 🙌🏾 🔥🔥

Mirary alahady finaritra ho anao!

Mpanoratra : Metisy Kely

🚨 TARAIKY EO IANAO ❌❌Aza miandry fotoana mety foana vao manomboka zavatra. ❌Indraindray, ny fiainana dia tsy hanome foto...
12/04/2025

🚨 TARAIKY EO IANAO ❌❌

Aza miandry fotoana mety foana vao manomboka zavatra. ❌
Indraindray, ny fiainana dia tsy hanome fotoana "tonga lafatra" anao. ‼️
Raha miandry lava ianao, dia mety ho lany fotsiny ny fotoana, very ny vintana. 🚨🚨
Ka manombòha dieny izao, amin’izay azonao atao sy amin’izay anananao ary amin’izay toerana misy anao. ✅
Rehefa manomboka ianao, ataovy amin’ny fo sy fanoloran-tena foana, dia ho tonga ho azy aminao izay fanirianao.” 🌱⏳✨

Mirary soa anao.
Mpanoratra : Metisy kely

🚨❌ Tena aza SIMBAINA ny hoavin’ny zanakao ❌❌Tsy fanitàrana ny nofinao ny zanakao — fa manana ny nofiny izy.Ny zanakao ts...
05/04/2025

🚨❌ Tena aza SIMBAINA ny hoavin’ny zanakao ❌❌

Tsy fanitàrana ny nofinao ny zanakao — fa manana ny nofiny izy.
Ny zanakao tsy voatery hanao foana izay zavatra nofinofisinao.
Ary indrindra :
🔸 Tsy hoe satria ny zanaky Koto manao an'izao dia tsy maintsy hanao an'izao izy.
🔸 Tsy hoe mahay an'izao zanaky Naivo dia tsy maintsy mahay an'izao koa izy.
❌❌ Tsy hoe vitan'i ranona, dia tsy maintsy vitany. Tena AZAFADY fa masiaka kely ‼️‼️

✅✅ Toroy lalana izy… fa kosa aza terena.
Tsy fanabeazana ny fanerena, fa fanimbana ny hoaviny tsikelikely.

Ary fantaro tsara:
🔹 Rehefa miteny ianao hoe “Jereo i ranona, manana izao, manao izao…” dia mety handratra azy.
🔹 Mety lasa tsy hitanao intsony na ny ezaka vitany sy ny fijaliany fa ny an'olona ihany no hitanao (izay no ho tsapany)
🔹 Tsy voatsapany intsony hoe sarobidy IZY amin’izay vitany, fa ohatra ny hoe tsaratsara kokoa foana ny an’ny hafa.

Tohano IZY, fa aza oharina. ✅✅
Ankasitrao ny fisiany, fa aza ambaniana izy. ❌
Ny fitiavanao sy fanohananao no tena heriny, ny teninao ihany no hery manosika azy ho matoky tena na koa handrendrika azy sy ny nofinofiny.🚨🚨

SAMY manana ny anjarany, ary hoavy aminy foana ny anjarany, fa asio fahatokisana.

Ny zanakao dia zanakao… tsy misy dika mitovy na amin’iza na amin'iza.

Mirary soa anao 🔥
Mpanoratra : METISY KELY
Mandefasa MP amiko raha mila TOROHEVITRA ianao.

‼️🔥 Ahoana kay no AHAFANTARANA fa TENA TIA anao ny olona iray? 🔥Misaotra amin'ny Podgasy alony nanao ny Sary ❤️❤️Tsara b...
31/03/2025

‼️🔥 Ahoana kay no AHAFANTARANA fa TENA TIA anao ny olona iray? 🔥
Misaotra amin'ny Podgasy alony nanao ny Sary ❤️❤️
Tsara be ny fivoakany.

❤️ Ireo famantarana lehibe fa tena tia anao ny olona iray:

1 - LIANA amin’ny fiainanao sy fahasambaranao

• Manontany hoe manao ahoana ianao, inona no vaovao, inona no manahirana, maniry hahalala ny ao am-ponao.
• Mijery fa tsy hoe “ miaraka fotsiny” fa “hianany koa ireo hiainanao”.

2 - MANDRAY andraikitra sy mijanona eo anilanao amin’ny fotoana sarotra

• Tsy mandositra rehefa misy olana, fa manampy sy mijoro hatrany eo anilanao.
• Miezaka manorina zavatra miaraka, fa tsy hoe “sahirana dia mandao”.

3 - MAHAY mihaino sy manaja anao

• Tsy mitsabaka be loatra amin’ny safidinao, fa manaja izay eritreritrao sy safidinao.
• Mihaino am-pitoniana rehefa miresaka ianao, na dia tsy mitovy hevitra aza.

4 - MIEZAKA manao zavatra na "kely aza" mahasambatra anao

• Na kely aza dia tsara satria ilay olona miezaka manome hafaliana amin’ny fomba tsotra: teny mamy, fihetsika mamy, fanampiana kely.

5 - MITAZONA anao ho “zava-dehibe” aminy

• Tsy manadino anao amin’ny fotoana manan-danja, tsy manafina anao ny fiainany.
• Ampidiriny be ao amin’ny fiainany ianao, fantatry ny olona manodidina azy fa manan-danja aminy ianao.

6 - MANAO fanekena sy mampiseho fahavononana

• Miresaka hoavy miaraka aminao izy, manonofy fiainana miaraka aminao.
• Tsy “mandalo” fotsiny amin’ny fiainanao, fa te hiara-mandroso amin’ny dianao.

Mirary soa anao 🔥
Mpanoratra : METISY KELY
Mandefasa MP amiko raha mila TOROHEVITRA ianao.

🚨🚨 ‼️ Mila namana TSARA ianao, satria izy ireo no HIFANOHANA aminao… na hisintona anao MIDINA ❌❌Ny namana tsy vitan’ny h...
29/03/2025

🚨🚨 ‼️ Mila namana TSARA ianao, satria izy ireo no HIFANOHANA aminao… na hisintona anao MIDINA ❌❌

Ny namana tsy vitan’ny hoe miaraka aminao fotsiny, fa misy fiantraikany amin’ny TOETRANAO, ny FISAINANAO, ary ny HOAVINAO ny fiarahana aminy.
✅ Misy ireo tsara, mitondra zavatra tsara ary mampiakatra anao amin'ny FIAINANA.
❌ Misy ireo mpanakivy ary mandavo anao, mitondra anao lasa miaina ao anaty aloka koa ianao.

❤️ Mila namana mampahery, mampitombo, ary manitsy am-pitiavana, ary manohana anao na amin’ny fotoana SAROTRA indrindra.

Mirary soa anao 🔥
Mpanoratra : METISY KELY

🚨🚨 AZA MAMOSAVY… ❌❌Tsy iza no MAMOSAVY anao fa IANAO ihany indraindray no MAMOSAVY NY SAINAO!Tsy ny fiainana no manakivy...
27/03/2025

🚨🚨 AZA MAMOSAVY… ❌❌

Tsy iza no MAMOSAVY anao fa IANAO ihany indraindray no MAMOSAVY NY SAINAO!

Tsy ny fiainana no manakivy anao, fa ny sainao no mitady antony hijanonana.
Tsy ny hafa no manakana anao, fa ianao no mametra ny tenanao.
• Raha miteny foana hoe “tsy ho vitako”, dia ho marina izany.
• Raha miteny ny tena foana hoe “tsy mendrika aho”, dia MAZAVA hoazy fa tsy ho mendrika ianao.
• Raha mandany fotoana mihevitra hoe "tsy ho tafita aho", dia ho very ianao.

Aza mamela ny sainao HAMOSAVY anao! Miovà dieny izao ary ataovy TSARA izay tokony ho atao !

Mirary soa anao 🔥
Mpanoratra : METISY KELY

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lolita Raza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share