25/05/2026
CAMPOREE : Fandaminana Ankapobeny & Fiomanana
Tolorana fiarahabana feno hafanam-po isika rehetra! Efa ankatoky ny fiomanana tanteraka isika izao, ka entanina sy amporisihina isika rehetra mba hazoto amin'ny fisoratana anarana.
Mba hahafahantsika miomana am-pilaminana mialoha, indro alefa amintsika ny rafitra sy ny fandaminana ny Camporee amin’ny ankapobeny:
👥 Ny Firafitry ny Mpizaika
Mba hisian'ny firaisankina sy ny fifehezana, hozaraina toy izao ny mpandray anjara rehetra:
• 1. Ny Patrouille: Ahitàna mpikambana 12 isaky ny vondrona:
o 10 Mpisavalalana (Tanora)
o 2 Mpiandraikitra (Mpikarakara)
• 2. Ny Tribu (Foko): Mitambatra ho ao anatin'ny Tribu iray na roa ny Patrouille rehetra avy amin'ny Région iray.
• 3. Ny Camp : Ny mpizaika rehetra avy amin'ny Tribu rehetra dia hozaraina sy hipetraka ao anatin'ny Camp miisa 5 lehibe.
💡 Hafatra: Ny fahatongavanao misoratra anarana aloha dia manampy ny mpikarakara handamina tsara ny Patrouille misy anao. Aza taraiky, fa miandry anao ny Camporée!
Ny fandaharam-potoana antsipiriany dia ho alefa aty amintsika mba hahafahantsika miomana.
Vonona ve ny rehetra? Any amin'ny Camporee mihaona!