01/04/2026
Salanitra eh!
Aza mamaky raha kamođ
Feeling vao maraina! Mandinika ny fiaraha-monina sy ny zava-misy
MILA AJORO NY SEKOLIM-PITIAVANA(ĂCOLE DE L'AMOUR)
Misy sekoliny daholo ny zava-drehetra fa ity resa-pitiavana 'ty tokony mba hasiana sekoly hianarana azy koa. Miainga avy any amn garabola mihintsy de mivoaka fianarana mahazo mari-pahazana vao miroso amzany kivadivady zany.Ampy traikefa tsara miatrika fiainan-tokantrano amzay.
Tokony ho hita ao anatin'ny fandaharam-pianarana avokoa ny solution'ny problĂšme tsirairay.
Ohatra :
1-ALOHAN'NY FANAMBADIANA
Ahoana no hatao hahasarika bandy na sipa==>manao madio sy metimety, tsy maimbo helika na maimbo pepeta na maimbo gisa na mamofona.
Ahoana no atao raha hikĂŽty ==>Fioka kely, tsitsita kely, pistily, mangataka num, mifamilafila kely, mivoaka mba mampiaraka, 3 mois vao miteny hoe jtm, tsy maika hamono gisa sns
Rehefa tafiaraka, ahoana no atao mba hatsiro==> miara misotro lasopy, mijery cinema, mijery vidaka, mirĂŽzirĂŽzy @ mĂŽtĂŽ, mampiaraka, mifandamour, mifanatitra sy mifampitsena, mifanome cadeau, bisous bisous fa tsy maika hampiady sokona==> tokony misy lesona daholo reo đ
Sns eh be dia be...........đ
2-MILA MANDALO FORMATION ALOHAN'NY FANAMBADIANA
Mahay mitady vola ve, mahay manam-bola ve, mahazaka tsy manam-bola ve, mahafehy ny fampiadina sokona ve sy ny hoe mahabevohoka sy tsy mahabevohoka, mahazaka mifamaly ve, mahazaka kikikan-jazakely ve, mahay manolo couche ve, mahay mamitra zazakely ve, mahay manasa lamba ve, mahazaka vady maditra na mamo lava ve, mahazaka vady mampirafy ve raha sanatria sendran'ireo, mahay manao ve,....sns
==> Ahoana ny solution hi-attaquena an'ireo raha misy problĂšme miseho?? Zay lay mila ianarana amle sekoly
3-REHEFA AO ANATIN'NY FANAMBADIANA
Mampihatra ny lesona amzay :
Vady tsy mampidibola=> inona no hi-ataquena an'izay olana zay??
Code n telephone tsy azo zaraina==> inona no antony, mitondra inona raha omena, inona no tsara ho fantatra
Alim-podiana ramose==> inona no fika
Mampirafy madama na ramose==> Inona no tokony hatao? Hanao valifaty ve sa hiletra sakafo matsiro sa hividy kiraro na zazatra farakizay tinao sa hitsoaka sa hoaiza sa hanatona an'iza, sa hiandry amn kofafa na lapoaly
Manao mission tsy mody==> Ahoana no iatrehana an'izany?
Manana vadikely any ivelany ramose na madama==> inona no taktika tokony hatao??tonga de hanoron'entana sa hiaritra sa hoany amn dd sy nn sa hanatona mpiandry sa hoany amn mĂŽpera na pastera sa hamono tena sa hanao vengeance sa haninona????
Vady na sipa Ă distance==> Ahoana no tokony hatao hampanjary azy?
2em bureau ianao==> inona no tsara ho fantatra manodidina anio??
Niteraka ianao de lasa rodana de lasa nijery tsaratsara ramose==> Inona no lesona ilaina amnio?
Mivoretaka fotsiny sady velomim-potsiny ao antrano ianao==> Inona no tokony hatao manoloana an'izay.
Tsy mba mahavoatena ianao sady lasa rodana be tsy mahatehotia intsony==> Inona ny lesona mila hay momban'izany
Tapakevitra hisaraka ianareo==>Ahoana no atao? Hanao publication sur fb ve de ataon'ny olona tsaky, hizara entana ve, hampiantso famille ve , hiantso pĂŽlisy ve, hanao live amn fb v hanazava ny anton'ny fisarahana......sns
Mba asinao vidiny ve lay olon-tinao? Izy ihany ve no diso sa mba mety avy aminao koa ilay olana saingy tsy tsampanao==> Ahoana no hamahana ny olana , voavaha ve, inona no atao refa tsy voavaha, hifampitso-drano ve, hisitaka ve sns
FEHINY
MILA IANARANA IO RESA-PITIAVANA IO FA MANDEHA ANJAMBANY DAHOLO ISIKA NY ANKAMAROANY , HANY KA RENDRIKA DAHOLO ILAY SAMBOM-PITIAVANA NAHAFATIFATY AVY ANY AMBOALOHANYđ
FIRIFIRY NY TOKANTRANO RAVA, NY MPISAKAIZA MISARAKA, NY RAD MISARAKA NA DE EFA LEHIBE AZA, NY MANAO VADY MARO, NY MPANGALAM-PIHINANA ENY REHETRA ENY NA LAHY NA VAVY, NY HARCELEMENT SEXUEL ANY @ TOERAM-PIASĂNA ANY SNS
IZA ANEFA NO HAMPIANATRA??? Eo indrindra isika zao!!
Ambava homana , am-po mieritreritra eh!
Salanitra eh!đ