Sapile Ny sapile, ny ahy, no vavaka tiako indrindra. Vavaka kanto, kanto satria tsotra, nefa koa lalina ...
(7)

🙏 Ry   Tompo ô! Ovay amin'ny famindramponao izay rehetra ao amiko. Ataovy mahay mamindra fo ny masoko mba tsy hitsara iv...
11/09/2026

🙏 Ry Tompo ô! Ovay amin'ny famindramponao izay rehetra ao amiko. Ataovy mahay mamindra fo ny masoko mba tsy hitsara ivelany fotsiny. Ataovy mahay mamindra fo ny sofiko hihaino lalandava ny fahasahiranan'ny olombelona.

Ny fitiavana lehibe dia mety hanova ny zavatra kely ho zava-dehibe, ary ny fitiavana ihany no mampisy lanjany ny asa ataontsika.

🥰 Ao anatin'ny hasivianandro miaraka amin'ny Masina Maria mamaha vona isika izao mandroso makany amin'ny fankalazana ny fetin'ny « Notre Dame de la Salette. » Andro faharoa, anio hariva amin'ny 08. ora sy sasany alina ny fotoanantsika mivantana eto amin'ny pejy.

© Sapile I Lalan'ny hazofijaliana miaraka amin'i Mb. Faustine.

10/09/2026

🙏 Hasivianandro miaraka amin'i Masina Maria mamaha vona. I Andro voalohany.

09/09/2026

Misaotra mama! 🫶 Md. 𝗝𝝾𝗮𝗻𝘆 𝗕𝝾𝘀𝗰𝝾, mivavaha ho anay.
© Sapile I RDB Live

08/09/2026

🙏 Ampio aho anaka hamonjy Fanahy maro. I Talata, 08. septambra 2026.

🥳 Arabaina 𝗺𝗮𝗺𝗮 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗮, reny mahatehotia.Ray ô, famonjena miposaka ho anay ny naha- terahan'ny Virjiny Masina; koa mihant...
08/09/2026

🥳 Arabaina 𝗺𝗮𝗺𝗮 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗮, reny mahatehotia.

Ray ô, famonjena miposaka ho anay ny naha- terahan'ny Virjiny Masina; koa mihanta aminao izahay: Omeo fahasoavana avy any an-danitra ireto mpanomponao mba hampitombo fiadanana anay ny fankalazana ny nahaterahany. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ... Amen!

Arahaba, ry Maria ...
© Sapile I Sorona Masina | Mercedarian Sisters of the Blessed Sacrament

06/09/2026

🙏 Ampio aho anaka hamonjy Fanahy maro. I Alahady, 06. septambra 2026.

🙏   tsara ary zarao amin’ny hafa. Arahaba ry Maria, feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nosoavina noho ny vehivavy rehet...
05/09/2026

🙏 tsara ary zarao amin’ny hafa.

Arahaba ry Maria, feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.

Masina Maria, Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota. Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay. Amen!

© Sapile I Tiantsoa Ranavalison

🙏 𝗝𝗲𝘀𝝾𝗮 be famindrampo ô! Ampianaro aho hiatrika ny fiainako isan'andro, ireo fijaliana samihafa sy ireo aretina mbamin'...
04/09/2026

🙏 𝗝𝗲𝘀𝝾𝗮 be famindrampo ô! Ampianaro aho hiatrika ny fiainako isan'andro, ireo fijaliana samihafa sy ireo aretina mbamin'ny ratram-pahoriana. Ary omeo ahy ny fahaizana mitondra ny hazofijaliako.

Aza adino ny fotoanantsika anio hariva amin’ny 08. ora sy sasany alina hiaraka hanao lalan’ny hazofijaliana miaraka amin’i Mb. Faustine.

Ry Jesoa ô! Matoky anao izahay.
© Sapile I Akamasoa

🙏 𝝖𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 ô, nataonao nanaraka ny lalan'ny vaovao mahafaly sy nampianatra azy i Lucien Botovasoa olontsambatra, ha...
03/09/2026

🙏 𝝖𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 ô, nataonao nanaraka ny lalan'ny vaovao mahafaly sy nampianatra azy i Lucien Botovasoa olontsambatra, hatramin'ny fandatsahana ny ràny eo am-pivavahana ho an'ireo namono azy; ka omeo anay koa, noho ny vavaka ataony, mba ho tonga mpianatra mahatoky sy vavolombelon'ny Zanakao maty teo ambonin'ny hazofijaliana ary nitsangan-ko velona.

Fa Izy Andriamanitra velona miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen!

🥰 Olontsambatra Lucien Botovasoa, mivavaha ho anay. Arahaba, ry Maria ...
© Sapile I Sorona Masina

02/09/2026

🙏Mistery be voninahitra. I Alarobia, 02. septambra 2026.

Adresse

Perlachturm, Rathausplatz
Augsburg
86150

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von Sapile erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Verknüpfungen

Teilen

Kategorie