16/03/2026
Voavetaveta i Kristy noho ny ataon'ny Kristianina.
👨🍳Raha misy Trondro iray asiana karakarain'ny Cuisinier iray kinanjo tsy nivoaka araka ny tsiro tadiavina dia potika ilay izy: ➡️ Ilay Trondro no ratsy sa ilay mpahandro no tsy mahay ? 🐟
😅Eny . Ataon'ny Kristiana fitaovana ny religion mba : Hanangonana Harena - Hanaovana manipulation - Entina maka dera sy voninahitra - Hanafenana ny faharatsiana mahatamana azy ...
🤷♂️Vokany leo ny olona ny mbola hino satria tsy môdely tsara ireo milaza azy ho Kristiana fa mpihatsara velatsihy no bobaka : feno fitsaratsarana sy fosafosa any am-piangonana , feno fizahan-tavan'olona , Feno havonavona , Tsy manjaka intsony ilay fitiavana tsy misy tambiny (Toetran'Ilay Nahary) , Feno fireharehana ... feno faharatsiana marikoriko ,
🤔Firifiry ny milaza ho mpanara-dia an'i Kristy nefa mbola Raciste , Homophobe , Pe*****le, Narcissique , Egoiste , manipulateur , Idolâtre , mangala-badin'olona , Misoloky etsy sy eroa . . .
🔨Asiako mafy ny tenako mba ho mangana .
💪Fa raha ho ahy manokana rehefa Vizana aho nanandrana naka mamy zavatra bdb kinanjo tonga natsatso ihany , Vizana nitetitety kay Fifaliana vetivety ihany. . . Dia tena tsapako fa ny Fahasoavan'i Kristy no mbola maha toy izao ahy . Hanambara sy hanaporofo amin'ny Olona Fa Izy ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana . Vavolombelona ho fitondrana ny Anarany mandrapikipy ny maso 🙏🏻 .
Betsaka ny lesoka fa ireny ny ahy no lesona .
Tonton Bidy ✍️ ( Ho fahazavana faraparany )
Reveil Biblique ,