22/06/2026
๐ Nanao ahoana ny ๐๐พ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ tany aminareo?
#98 isan-jato ny vokatra ho an'ny sekoly Akamasoa, Andralanitra ary #100 isan-jato kosa ho an'ny sekoly Akamasoa, Mahatsara.
Misaotra an'Andriamanitra isika fa tontosa soamantsara ny fanadinana izay nataon'ireo zandrintsika. Mankahery ireo mety tojo tsy fahombiazana ihany koa. Tohano hatrany ireo zandry malalantsika fa izy ireo no hoavin'ny ๐ firenentsika.
๐ Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen!
- Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao; ho tonga anie ny fanjakanao; ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny haninay isan'andro; avelao ny fahotanay, tahaka ny hamelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen!
- Arahaba, ry Maria, feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao. Masina Maria, Renin'Andriamanitra, Mivavaha ho anay mpanota. Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay. Amen!
- Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen!
Hitso-drano sy hitsimbina antsika anie ny Tompo, indrindra ireo zandrintsika amin'ny tohin'ny fianarany ka hitondra antsika any amin'ny fiainana mandrakizay.
ยฉ Sapile | Akamasoa