11/09/2025
Guten Morgen, salama daholo indray e,
Tianareo ho fantatra ve ny ambadiky ny sary be dia be manao vacances ireny?
Raha asiana teny kely fotsiny indrindra aty Allemagne dia misy ny lalàna BUrlG (Bundesurlaubsgesetz) izay milaza fa raha miasa 6 jours/ semaine ianao dia manana minimum 24 jours congés ao anatin'ny taona iray, raha miasa 5j/ semaine dia 20 jours minimum, ny mihoatra omen'ny mpampiasa tsy ferana.
Ny alahady sy ny andro fety tsy ao anatiny, dia arakaraka ny andro iasanao izany ny halavan'ny congé azonao ao anatin'ny taona iray.
Ny tiako atongavana dia samy manana ny congé daholo izay mpiasa aty Allemagne, ka rehefa anjaranao ny mandeha vacances dia misy mpiara-miasa aminao manao ny asanao mazava ho azy. Manao asa double izany izy.
Rehefa anjaran' izy ireo indray no mandeha vacances indrindra eo anelanan'ny juin sy septembre iny, satria vacances d'été dia anjaranao indray ny manao asa double.
Ny ahy aloha izao ireto ny safidiko tamin' ity taona ity sady te hiteny hoe tsara ilay Madagasikara 😀
Izay ilay izy, mandreraka fa ifandimbiasana ny toerana e!
Mirary tontolo andro mahafinaritra anareo e!