08/12/2025
HAMARITRA FIOVANA GOAVANA NY FITSANGANAN'NY DIASPORA MALAGASY AO AMIN'NY NOSY MAORISY.
Notanterahina tao amin'ny efitrano Alex Vellin Beau Bassin, ao Maorisy ny fihaonambe voalohany ho an'ny Diaspora Malagasy any an-toerana. Ivondronan'ireo mpiasa, mpianatra sy mpandraharaha, sendika anatin'ny génération XYZ
Nifampiresaka an-telefona nandritra ny minitra maromaro tamin'ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika, Ny colonel Michael Randrianirina izy ireo tao a anatin'izany . Nentina indrindra nanehoana ny olana ara-taratasy sy ara-pitantanana. Nikaroham-bahaolana ihany koa amin'ny fahasahiranana ara-tsosialy (asa sy fiarahamonina) Ary ny tsy fahampian'ny fanohanana ara-panabeazana. Voaresaka koa ny fahafoezan'ny fe-potoana faharetan'ny pasipaoro izay angatahina faharetana 10 taona. Notsindrin’ny diaspora ihany koa ny fanatsarana ny fitantanan’ny masoivoho, sy ny fangatahana hanendrena Masoivohon’i Madagasikara mahafehy ny tontolon’i Maorisy, tsy ho tambiny ara-politika na ho an’ireo mpanambola, fa tena solontenan’ny vahoaka.
Voafidy ho Filohan’ny Diasporà Malagasy ao Maorisy Rojo ANDRIANASOLO.“consultant international”, ary manampahaizana amin’ny diplaomasia sy fifandraisana iraisam-pirenena (ENAM, CEDS), manana mari-pahaizana ambony amin’ny finance sy administration, ary mamarana Doctorat amin’ny toekarena sy fampandrosoana.
Mahafehy tsara ny tontolo politika, sosialy ary ara-toekarena eto Maorisy ny tenany.
Nambarany fa tsy ho ela ny CEMM – Cercle Économique Maurice Madagascar, ho lasa Chambre de Commerce eo amin’ny firenena roa tonta, hanamafy ny fifanakalozana ara-toekarena, hanohana ny mpandraharaha Malagasy, hanatsara ny fampiasam-bola ary hametraka fiaraha-miasa maharitra, vina izay tohanan’ny Fanjakana tanteraka.
Laharam-pahamehany ny :
– fiarovana ny mpiasa Malagasy,
– fanampiana ara-taratasy,
– fiarovana ny zon’ny mpiasa,
– fanohanana ny mpianatra,
– fampiraisana sy fanamafisana ny feon’ny diaspora.
Nangonin'i Herizo Randrianjafy