La Transparence

La Transparence Informations de contact, plan et itinéraire, formulaire de contact, heures d'ouverture, services, évaluations, photos, vidéos et annonces de La Transparence, Station de radio, 19 Avenue d'Italie, Paris.

👉 ADSW 2026: Tsara ny fandraisana ny filohaMiantso ny mpampiasa vola hanatsarana ny Angovo ny tenany ___________🔴 Manolo...
14/01/2026

👉 ADSW 2026: Tsara ny fandraisana ny filoha
Miantso ny mpampiasa vola hanatsarana ny Angovo ny tenany
___________

🔴 Manoloana ny resa-be iniana aparitaka ataony sasany, mba tsy hinan'ny besinimaro am-bolony, dia nitondra fanampim-panazavana ny eo anivon'ny fiadidiana ny filohan'ny fanavaozana.

🔴 Nahazo fanasana manokana avy tamin'ny mpikarakara ny fihaonana ADSW 2026 (Abu Dhabi Sustainability Week 2026) izay tanterahina ny alahady 11 Janoary ka hatramin'ny alakamisy 15 Janoary any any Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël sy Rtoa vadiny, miaraka amin'ny delegasiona miisa 10, ka ny dimy dia minisitra, ary ireo dimy hafa dia Tale eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana.

🔴 Ny sehatry ny angovo, ny mahakasika ny toe-karena sy ny fikarohana ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina eto Madagasikatra no anisan'ireo notsindrian'ny filohan'ny Fanavaozana tany Abu Dhabi nandritry ny fandraisam-pitenena nataony. Niantso manokana ireo mpampiasa vola avy any Emirà Arabo Mitambatra izy mba hanamafisana ny fandraharahana eto amintsika. Ny fahavononana ara-politika hitantanana ireo tetikasa sy ny fampitaovana ireo fotodrafitr’asa ilaina amin'ny angovo azo havaozina no heveriny ho vahaolana mitondra fahombiazana.

🔴 Notsindriany ihany koa fa manana ny akora sy ireo loharanon'angovo rehetra ilaina i Madagasikara, na ny masoandro izany, na ny rivotra, ary ny rano sy ireo angovo hafa azo havaozina ihany koa.

🔴 Nisy nanisy resabe ihany koa teo amin'ny ny lokon'ny "Tapis" nandraisana ny filohan'ny fanavaozana. "Tapis" miloko manga fomba any an-toerana natao ho fandraisana vahiny manankaja indrindra no natokana hoan'ny filoha Randrianirina Michaël. Ny mpandrindra ny ADSW 2026 izay tompon'ny fanasana no nandoa ny lany rehetra teo amin'ny delegasiona notarihin'ny filoha Randrianirina Michaël.
_____________

Rivo John, Radio Mangarahara

13/01/2026

nataon'ireo Ray aman-dReny ato amin'ny Faritra Sofia nandritra ny fananganan-tsaina ny 12 janoary 2026. 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

💢 Antoko TIM  : Discipline sy fanabeazana olom-pirenena no fototra ijoroany !_________🔴 Nilaza i Marc Ravalomanana fa ny...
13/01/2026

💢 Antoko TIM : Discipline sy fanabeazana olom-pirenena no fototra ijoroany !
_________

🔴 Nilaza i Marc Ravalomanana fa ny tena mampiavaka ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia ny fanajana discipline. Tsy mijanona amin’izany anefa fa miezaka hatrany ny antoko manabe sy mampahafantatra ny olom-pirenena, indrindra ireo mpikambana ao aminy.

🔴 Nohamafisiny fa adidy sy antom-pisian’ny antoko politika izany andraikitra izany. Ho an’ny TIM, ireo soatoavina ireo dia hajaina ary apetraka ho tanjona lehibe. Izany indrindra no anton’ny redynamisation natao, izay mbola hotohizana hanamafisana ny herin’ny antoko sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena.
__________

Luciannah, Radio Mangarahara

RN-31 efa manomboko ireo teboka mainty, efa eto Bealanana I ireo fitaovana fanamboaran-dalana izany.__________Le Jat, Ra...
13/01/2026

RN-31 efa manomboko ireo teboka mainty, efa eto Bealanana I ireo fitaovana fanamboaran-dalana izany.
__________

Le Jat, Radio Mangarahara

💢 𝗗𝗘𝗣𝗜𝗢𝗧𝗘 𝟱 𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗢 𝗘𝗦𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔 !___________🔴 Nandray "notification ofisialy" avy amin’ny "Haut Conseil Constitutionnel " (H...
13/01/2026

💢 𝗗𝗘𝗣𝗜𝗢𝗧𝗘 𝟱 𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗢 𝗘𝗦𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔 !
___________

🔴 Nandray "notification ofisialy" avy amin’ny "Haut Conseil Constitutionnel " (HCC) ireo depiote dimy, mikasika ny fanesorana azy ireo amin’ny maha-depiote.

🔴 Ireto avy ireo solombavambahoaka nahazo izany fampahafantarana izany : Lalao Rahantanirina (Majunga I), Jocelyne Rahelihanta (Diégo I),
Roberto Tinoka (Toliary I) Princia Soafilira (Analalava) ary Ahmad Ahmad (Mitsinjo).

🔴 Araka ny voalazan’ny lalàna, manan-jo hitondra ny fiarovan-tenany ao anatin’ny herinandro izy dimy ireo, alohan’ny handraisan’ny HCC fanapahan-kevitra farany.

🔴 Eo am-panaraha-maso akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity ny mpanara-baovao, satria mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny sehatra politika eto amin’ny firenena izany.
__________

Luciannah, Radio Mangarahara

🔥‼️𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 - 𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐓𝐀 𝐅𝐀𝐓𝐘 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐍𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀‼️____________☑️ Ray mpianakavina tokony ho 51 t...
13/01/2026

🔥‼️𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 - 𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐓𝐀 𝐅𝐀𝐓𝐘 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐍𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀‼️
____________

☑️ Ray mpianakavina tokony ho 51 taona, antsoina amin'ny anarana Dieu Donné, mpanao sabotsibe "patron omby" avy koaminina Ambalakirajy, fokontany Anandrobato hita faty androany 13 janoary vao maraina tao renirano Mangarahara ankaikiny CFRP (ex CRINFP).

✅ Nitsatohina zavatra marangitra ny lohany ary nahitana mangana ny vozony raha fitsirihana ny razana nataon'ny Mpitsabo niaraka tamin'ny Mpitandro filaminana. Vono olona niniana natao ity ary mety resaka vola noho izy avy nivarotra omby no antony famonona natao ity. Avy naka vidin'omby tany Mananara avaratra i tompokolahy ka izao tratrany olon-dratsy niafara tamin'ny famonona azy ity.

✔ Efa tonga teny an-toerana ny fianakavina naka ny razana ary efa misokatra ny fanadihadina momba raha raha famonona olona ity.
____________

Tatamo - Radio Mangarahara

🇲🇬  :   ny fananganan-tsaina niraisan'ny sampan-draharaham-panjakana rehetra teto Antsohihy teo amin'ny tokontany malala...
13/01/2026

🇲🇬 : ny fananganan-tsaina niraisan'ny sampan-draharaham-panjakana rehetra teto Antsohihy teo amin'ny tokontany malalaky ny lapan'ny Faritra Sofia.

Koa satria fiarahana voalohany tamin'ity taona 2026 ity izany, nitondra teny fiarahabana sy firariantsoa ho an'ny rehetra Atoa préfet sy Atoa Lehiben'ny Faritra. Taonan'ny asa ity taona ity, hiara-hientana isaka rehetra ho an'ny Faritra Sofia.
__________

SarrVaz, Radio Mangarahara

Lapan'ny Fitsarana eto Bealanana, efa vita amin'ny ankapobeany fa miandry ny fitaovana sy "Réception Provisoire" na hito...
12/01/2026

Lapan'ny Fitsarana eto Bealanana, efa vita amin'ny ankapobeany fa miandry ny fitaovana sy "Réception Provisoire" na hitokanana.
__________

le Jat, Radio Mangarahara

👉 Faritra Sofia : Atsaharo ny Fanimbana ny Fanabeazana !______________🔴 Tsy tokony ho sehatra politika ny fanendrena Leh...
12/01/2026

👉 Faritra Sofia : Atsaharo ny Fanimbana ny Fanabeazana !
______________

🔴 Tsy tokony ho sehatra politika ny fanendrena Lehiben’ny Fampianarana ato amin'ny Faritra Sofia. Mihamafy ny ahiahin’ny ray aman-dreny sy ny mpisehatra amin’ny fanabeazana ato amin’ny Faritra Sofia manoloana feo re momba ilay olona mety ho voatendry ho Lehiben’ny Fampianarana (DREN) ato amin'ny Faritra Sofia. Maro amin’ireo olona nandatsaka antontan-taratasy no tsy manana traikefa na fahaiza-manao mifanaraka amin’ny sehatry ny fanabeazana, fa miankina amin’ny fifandraisana politika sy ny fanohanan’olona ambony manana fahefana.

🔴 Etsy ankilany anefa, misy ireo tena manam-pahaizana, miasa am-pahatsorana sy tamim-paharetana nandritra ny taona maro teo amin’ny fampianarana, saingy ezahina potehina noho ny tsy anaty tambajotran’ny namana ara-politika. Fanabeazana no resahina, fa tsy tombontsoa manokana “Aoka mba hijery ny ho avin’ny taranaka isika. Na samy zanaka Sofia aza, tsy tokony ho resaka fihavanana na politika no hamaritra ny fanendrena, fa ny fahaizana sy ny traikefa”, hoy ny ray aman-dreny iray nisafidy ny tsy hitonona anarana raha nanontaniana ny heviny.

🔴 Raha ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana, dia heloka bevava ara-moraly ny fanomezana andraikitra ambony olona tsy mahafehy ny tontolon’ny fampianarana. Tsy toerana hitsapana hery politika ny DREN, fa andraikitra masina mitaky fahaizana, fahamatorana ary fahaleovantena tanteraka.

🔴 Manao antso avo ho an'ny tompon'andraikitra ny ray aman-dreny sy ny olom-pirenena ao amin’ny Faritra Sofia. Atsaharo ny fitsabahana politika amin’ny fanabeazana, aoka ny fahaiza-manao sy ny traikefa no ho fepetra fototra. Arovy ny hoavin’ny ankizy sy ny tanora

🔴 Ny fanabeazana tsy kilalao, ary ny hoavin’ny taranaka tsy azo atao sorona ho an’ny tombontsoa manokana.
____________

Delis, Radio Mangarahara

🟡 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐕𝐎𝐀𝐘 : 𝘼𝙎𝘼 𝙎𝙔 𝙉𝙔 𝙁𝙄𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼𝙈𝙊𝙉𝙄𝙉𝘼, 𝙕𝙊𝙆𝙄𝙊𝙇𝙊𝙉𝘼 𝙈𝙄𝙄𝙎𝘼 300 𝙉𝙊 𝙉𝙊𝙏𝙊𝙇𝙊𝙍𝘼𝙉𝘼'𝙄 𝘾𝙃𝙀𝙁 𝙋𝙄𝙆𝙐𝙇𝘼𝙎 𝙉𝙊𝙁𝙊𝙉-𝙆𝙀𝙉𝘼 𝙈𝙄𝙏𝘼𝙈-𝙋𝙄𝙃𝘼𝙑𝘼𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙏𝘼𝙊 𝙈...
12/01/2026

🟡 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐕𝐎𝐀𝐘 : 𝘼𝙎𝘼 𝙎𝙔 𝙉𝙔 𝙁𝙄𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼𝙈𝙊𝙉𝙄𝙉𝘼, 𝙕𝙊𝙆𝙄𝙊𝙇𝙊𝙉𝘼 𝙈𝙄𝙄𝙎𝘼 300 𝙉𝙊 𝙉𝙊𝙏𝙊𝙇𝙊𝙍𝘼𝙉𝘼'𝙄 𝘾𝙃𝙀𝙁 𝙋𝙄𝙆𝙐𝙇𝘼𝙎 𝙉𝙊𝙁𝙊𝙉-𝙆𝙀𝙉𝘼 𝙈𝙄𝙏𝘼𝙈-𝙋𝙄𝙃𝘼𝙑𝘼𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙏𝘼𝙊 𝙈𝘼𝙉𝘼𝙍𝘼𝙏𝙎𝘼𝙉𝘿𝙍𝙔
____________

➡️ Mpitandro filaminana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena ny asan'Atoa Pikulas. Tsy afa-misaraka hoy izy ny asa sy ny fiarahamonina.
Ankoatry ny asa fitandroana ny filaminana dia mitsinjo ireo ray aman-dReny efa zokiolona ny tenany sy Ramatoa vadiny.
Ny zoma, 9 janoary lasa teo Miisa 300 ireo zokiolona avy amin'ny Fokontany 13, ao anatin'ny kaominina Manaratsandry no nahazo fanampiana tamin'izy ireo.

👉Fanajana ireo Ray aman-dReny ireo amin'izao taona vaovao izao, Sady ho fiarabana azy ireo no nanaovana izao hetsika fanolorana solombodiakoho avy amin'izy mivady izao.
___________

SarrVaz, Radio Mangarahara

🔵  :    : 𝙷𝙴𝚃𝚂𝙸𝙺𝙰 𝙼𝙰𝚁𝙾 𝙽𝙾 𝙽𝙰𝙽𝙰𝙼𝙰𝚁𝙸𝙷𝙰𝙽𝙰 𝙽𝚈 12 𝙹𝙰𝙽𝙾𝙰𝚁𝚈_________👉 Nanomboka tamin'ny 4 ora maraina ny hetsika izay natao, n...
12/01/2026

🔵 : : 𝙷𝙴𝚃𝚂𝙸𝙺𝙰 𝙼𝙰𝚁𝙾 𝙽𝙾 𝙽𝙰𝙽𝙰𝙼𝙰𝚁𝙸𝙷𝙰𝙽𝙰 𝙽𝚈 12 𝙹𝙰𝙽𝙾𝙰𝚁𝚈
_________

👉 Nanomboka tamin'ny 4 ora maraina ny hetsika izay natao, nialohavan'ny Réveil en fanfare, ary nitohy tamin'ny "tradition officier" 04 ora -06 ora maraina. Narahina levée de couleur, nanaovana ny hiram-pirenena sy ny hiran'ny manamboninahitra (Akademia miaramila)

Nisy ny fanolorana fanomezana "oies traditionnelles" ho an'ireo lehibe roalahy dia ny Commandant de Groupement sy Commandant de Bataillon d'infanterie, ary ny préfet n'Antsohihy.

Notohizana tamin'ny hazakazaka ny fotoana. Taorian'izay dia namonjy ny fananganan-tsaina izay niarahana tamin'ny sampan-draharaha rehetra misy eto Antsohihy izay natao teo amin'ny tokontany malalaky ny lapan'ny Faritra Sofia, notarihin'ny lehiben'ny Faritra Sofia sy ny préfet n'Antsohihy.

Rehefa vita izay dia notohizana tamin'ny "sport collectif" tao amin'ny Zandary Ambalabe ny fotoana tamin'ny tapany maraina. Hamaranana azy ny fiaraha-mikorana izay hatao ny folokandro.
____________

SarrVaz, Radio Mangarahara

👉 Toamasina : Zazavavy 5 taona maty vokatra Fanolanana !___________🔴 Nitranga tao Andranobolaha, distrikan’i Toamasina I...
12/01/2026

👉 Toamasina : Zazavavy 5 taona maty vokatra Fanolanana !
___________

🔴 Nitranga tao Andranobolaha, distrikan’i Toamasina II, ny tranga mampivarahontsana. Lehilahy iray no voalaza fa nanolana zazavavy kely manodidina ny 5 taona, ka nodimandry tsy tra-drano ilay zaza vokatr’izany herisetra izany. Efa eo am-panadihadiana sy fikarohana ilay olona voarohirohy ny tompon’andraikitra.
__________

Luciannah, Radio Mangarahara
sary indrana

Adresse

19 Avenue D'Italie
Paris
75013

Site Web

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque La Transparence publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Partager