05/10/2026
🔵 : , manomboka androany 5 Oktobra ny hetsika fanaovana
sy
ho an'ny ankizy latsaky ny 5 taona ary fanomezana
Tao amin'ny Hopitaly-be, manoloana ny biraon'ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka no nanatanterahina ny fanombohana ofisialy ny hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin'ny (Polio na lefakozatra sy Kitrotro).
⭕ Aretina mora mifindra ny Kitrotro, ary mitarika amin'ny fahajambana na fahafatesana mihitsy. Toy izany koa ny Polio, areti-mifindra izay mahatonga fahalemena tampoka, tsy azo sitranina, mampitondra takaitra, mitarika hatramin'ny fahafatesana.
Misy ny fomba fiteny hoe: "Aleo misoroka toy izay mitsabo". Manentana ny Ray aman-dReny rehetra mba tsy hisalasala hampanao vaksiny ny zanany, i , talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka aty Sofia mandritra izao fotoana anaovana ny vaksiny izao.
✅☑️ Aretina azo sorihina tsara amin'ny alalan'ny fanaovana vaksiny ny aretina Lefakozatra sy Kitrotro.
▶️▶️ Ny vitamina A kosa dia manamafy ny hery fiarovana ary manatsara ny fahasalaman'ny maso.
✨ "Hiara-hientana isika hisakana ny fiverenan'ny valan'aretina eto amintsika. Hamafiso amin'ny fanaovana vaksiny sy fanomezana vitamina A ny hery fiarovan'ny Zaza".
___________
SarrVaz, Radio Mangarahara
📷 Davôla-Mazava