29/09/2026
30/09/2026 : MOFONAINA
Habaloka 3 : 17 - 19
Mihazona ny finoako hatrany aho
1- Na dia tsy nizotra araka ny izy aza ny asa natao :
“Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy… " (and17) :
Taratry ny asa natomboka ireo voatanisa eto toy ny aviavy, voaloboka, oliva, saha, ondry ao amin ny vala. Indraindray dia tsy araka izay vokatra nandrasana no hita amin ireo asa natao irery. Hoy ny oha-pitenenana malagasy hoe : "Raha indray mandeha no manta vary, aza mandevin tsotrobe". Toy izany koa ny hoe : "Nanakofa ve ny vary tamin ito, mihaodihaody ny mosary ? Aza kivy ambony ihany, mamafaza na dia im p**o". Maro ireo sedra nihatra tamin ny martiora fa tsy nahakivy azy ireo izany.
2- Mbola hifaly sy hiravoravo hatrany :
"Nefa izaho dia mbola hifaly amin ny Jehovah ihany …" (and 18). Ny mpino miorina amin ny finoana dia tsy manankina ny fifaliany sy ny fiainany manontolo amin ny asa sy ny hita maso azo tsapain-tanana. Toa an'i Jesoa izay manaiky hatramin ny farany ny fijaliana sy ireo sedra tsy maintsy natrehany. Izany fahaizana miravoravo ao amin ny Tompo izany dia isan ny fototry ny valim-bavaka ho an ny mpino (Sal 37. 4). Misaora ny Tompo hatrany .
3- Ny Tompo no tanjako :
Ny fanatrehan ny Tompo, ny fampaherezana avy Aminy no ahafahan ny mpino manohy hatrany ny hazakazaka.
Fanontaniana :
Nahoana ny mpino no misaotra amin ny zavatra rehetra ?