Saninabavy

Saninabavy Saninabavy Tongasoa E

NIVALY IHANY NY TOLONA NATAOTontosa androany ny fanaovan-tsonia fifanarahana politika tamin’ireo antoko miisa 103 izay h...
16/01/2026

NIVALY IHANY NY TOLONA NATAO

Tontosa androany ny fanaovan-tsonia fifanarahana politika tamin’ireo antoko miisa 103 izay hita eto Madagasikara.

Tapaka tamin’izany ny tokony handravana ny andrim-panjakana maromaro izay mijoro ankehitriny toy ny Antenimierandoholona , Antenimierampirenena, Governemanta, HCC, HCJ, Ceni, Cnidh, HCDDED, « CFM ».

Mila foanana koa ny Bianco, Samifin, PAC ka ny « Cour Suprême » no manankery ambony amin’ny fitantanana ny fitsarana ary hatsangana ny « Haute cour de la refondation » na ny « HCR » hisolo ny « HCC ».

Anisany notapahana ihany koa fa hajoro ny « Haute Autorité de la Refondation » tarihin’ny Filoha Michael Randrianirina.

Voasonian'ireo antoko politika 103 avokoa ireo androany tetsy Mahamasina ».

Iray amin'ireo mpanao politika nanatanteraka izany fifanarahana izany i Elia Rabevahiny, izay sady mpanolontsain’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasikara. Tsy miova amin’ny foto-kevitra izay nijoroany i Elia Rabevahiny.

Nohamafisiny izany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Ankoatra ireo voalaza ireo dia tapaka koa fa mila asiana sivily 12 koa manampy ireo mpanolotsaina avo miaramila 4 ka roa isaky ny faritany.

Marihina fa hoentina amin'ny fikaonandoham-pirenena ity fifanarahana nosoniavina ity.

Address

Sekaran
Semarang
50229

Telephone

+6285741643238

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Saninabavy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Saninabavy:

Shortcuts

Share