16/01/2026
NIVALY IHANY NY TOLONA NATAO
Tontosa androany ny fanaovan-tsonia fifanarahana politika tamin’ireo antoko miisa 103 izay hita eto Madagasikara.
Tapaka tamin’izany ny tokony handravana ny andrim-panjakana maromaro izay mijoro ankehitriny toy ny Antenimierandoholona , Antenimierampirenena, Governemanta, HCC, HCJ, Ceni, Cnidh, HCDDED, « CFM ».
Mila foanana koa ny Bianco, Samifin, PAC ka ny « Cour Suprême » no manankery ambony amin’ny fitantanana ny fitsarana ary hatsangana ny « Haute cour de la refondation » na ny « HCR » hisolo ny « HCC ».
Anisany notapahana ihany koa fa hajoro ny « Haute Autorité de la Refondation » tarihin’ny Filoha Michael Randrianirina.
Voasonian'ireo antoko politika 103 avokoa ireo androany tetsy Mahamasina ».
Iray amin'ireo mpanao politika nanatanteraka izany fifanarahana izany i Elia Rabevahiny, izay sady mpanolontsain’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasikara. Tsy miova amin’ny foto-kevitra izay nijoroany i Elia Rabevahiny.
Nohamafisiny izany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Ankoatra ireo voalaza ireo dia tapaka koa fa mila asiana sivily 12 koa manampy ireo mpanolotsaina avo miaramila 4 ka roa isaky ny faritany.
Marihina fa hoentina amin'ny fikaonandoham-pirenena ity fifanarahana nosoniavina ity.