
30/07/2025
..TSY HITANAO INTSONY…
Manondro ny amin’ny fito ny famantarana ora amin’izao hariva izao,
Ora namalianao ny hafatra nalefako maraina vao nifoha,
nirariako soa ny tontolonao androany.
“Miala tsiny indrindra fa izao vao nahavaly,”
Izay no teninao dia tsy hita indray aloha.
Tsy mamaly intsony raha tsy afaka ora roa,
Mipaika ny amin’ny folo,
Mamaly indray ianao f’efa rendrika daholo ny namanao rehetra,
Soa fa mbola tato ilay izaho nangetaheta hiresaka aminao.
Minitra roa na telo, na efatra dia izay,
Tsy hita intsony ianao fa resin-tory indray,
Dia tahaka izany sisa,
Ambinambiny eny ny finamanantsika.
…ZARA AINGA