
27/09/2025
"RY FIRENEKO"
Onena anao aho ry fireneko
Izay tsy rariny tsy ekeko
Maizina ny tontolo
Izay mitaky zo, samboarina daholo
Ireo mahery fo
Ratraina avokoa
Ireo tsy manan-tsiny
Norobaina ny kely nihariany
Tsy hita izany ambara
Ahona no hoavin'ny taranaka any am-para?
'Zaho ty kotsan-dranomaso
Tsy misy mihaino izay miantso
✍️
20250927
18h:23min