Ambalavao Info com

Ambalavao Info com Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ambalavao Info com, Media/News Company, Ambalavao.

Tontosa soa aman-tsara anio Sabotsy 29 Aogositra 2026, teo amin’ny Kianjan'ny Toky Fitaka, ny hetsika lehibe Journée Gén...
29/08/2026

Tontosa soa aman-tsara anio Sabotsy 29 Aogositra 2026, teo amin’ny Kianjan'ny Toky Fitaka, ny hetsika lehibe Journée Génération Zéro VBG nokarakarain’ny fikambanana Women Of the Future sy ireo mpiara-miombon'antoka izay nohotronony Raiamandreny eto antanana.

Tsapa sy hita taratra ny fahavononan'ny rehetra hiara-mientana ho an'ny hoavy tsy misy herisetra ary anisany nisongadina izany tami'ny lahateny avy amin'ny mpitantana ny .


Maro ireo tombotsoa azo avy amin'ny hetsika ity:
Lasa mahalala tsara ireo karazana herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy (VBG) izay mety nitranga matetika nefa tsy tonga saina akory, ary nahazo fitaovana ara-tsaina sy ara-dalàna hiatrehana sy hisorohana izany.

Fahaizana Miaro Tena (Self-Defense):
Niantoka traikefa tena ilaina sy azo ampiharina avy hatrany amin'ny fiainana andavanandro ny fampiofanana fiarovan-tena (Self-Defense) nampitaina tamin'ny mpanatrika.

Fanehoana ireo talentan'ny tanora

Nisy fialamboly sy hafaliana tamin'ny alalan'ny Flash mob, lalao ifampahafantarana , ary ny fifanakalozana mivantana tamin'ireo olom-pirenena maro .

"Tous ensemble pour un avenir sans violence!"

22/08/2026

AMBALAVAO

TSENAN'OMBY AMBALAVAO Mba hahazoantsika rehetra ny fizotran'ny fandaminana sy hisorohana ny tsaho, indro ny fanazavana f...
19/08/2026

TSENAN'OMBY AMBALAVAO

Mba hahazoantsika rehetra ny fizotran'ny fandaminana sy hisorohana ny tsaho, indro ny fanazavana feno sy mangarahara avy amin’ny Kaomity (Disitrika, Kaominina, Zandarimaria, Polisy, ary ireo solontenan'ny mpisehatra amin'ny omby,SLC):

Ny tsenan’omby taloha dia tanin'olontsotra maromaro. Ankehitriny, misy amin’ireo tompon-tany no tsy manaiky hampiasa ny taniny ho tsena intsony, ary misy koa ny olana anatiny amin'ireo tompon-tany momba ny fizarana ny hofan-tany.

Malalaka tsara ny tsenan'omby vaovao eny Kelisatrana. Izany ahafahana manangana fotodrafitrasa manatsara sy mampiroborobo ny sehatry ny omby, izay tsy hiankinana amin’ny tanin'olona manokana intsony.

Fandaminana vonjimaika (Anio sy Rahampitso): Noho ny fisian'ireo mbola tsy nahazo ny vaovao sy tapaka rehetra dia hijanona amin'ny toerana mahazatra aloha ny tsena androany sy rahampitso. Ampitaina amintsika eto hatrany ny vaovao farany .

Momba ny hofan-tany taloha: Efa tapaky ny Kaomity fa miandry ny fandaminana sy ny fihavanana eo amin'ireo tompon-tany mifanolana vao havoaka ny hofan-tany, mba hisorohana ny olana vaovao.

Ny tombontsoa iombonana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ho an'Ambalavao no tanjona lehibe!

📢 FAMINDRANA NY TSENAN'OMBY ETO AMBALAVAO 📢Ampahafantarina ny mponina sy ireo mpandraharaha amin'ny sehatry ny omby rehe...
17/08/2026

📢 FAMINDRANA NY TSENAN'OMBY ETO AMBALAVAO 📢

Ampahafantarina ny mponina sy ireo mpandraharaha amin'ny sehatry ny omby rehetra fa AFINDRA amin'ny toerana vaovao ny Tsenan'omby eto Ambalavao ho fanatsarana ny fandaminana ny tanànantsika.

📍 Toerana vaovao: Eny Andalamahitsy, Kelisatrana (Manamorona ny RN7)
📅 Manomboka ny Alarobia 19 Aogositra 2026

⚠️ FANAMARIHANA
Tsy azo atao intsony ny mividy na mivarotra omby eo amin'ny tsenan'omby taloha manomboka amin'ny Alarobia izao.

🤖Aza avela handalo ny tombontsoa lehibe ho an'ny taranaka  🤖Ny fanatrehana ny fiofanana "HAI ROBOTIKA KIDS" nanomboka an...
13/08/2026

🤖Aza avela handalo ny tombontsoa lehibe ho an'ny taranaka 🤖
Ny fanatrehana ny fiofanana "HAI ROBOTIKA KIDS" nanomboka anio 13 Aogositra eto Ambalavao dia manome fahalalana lehibe ho an'ny ankizy (7 hatramin'ny 15 taona) hampivelatra ny sainy mamorona, hahazo fahaizana momba ny teknolojia sy ny hoavy, ary hianatra miara-miasa amin'ny namana. Ankoatra izany, fomba iray tsara indrindra ampiharana ny fialan-tsasatra amin'ny zavatra tena mahasoa azy ireo izao.
Isaorana ny ben'ny tanana Razafindrabe Bien Aimé Patrick sy Aimé Richard Hajalalaina izay nikarakara izao hetsika izao

Androka, Ambalakajaha, Ambohijafy ary Ankofika: Nifarimbona nanao fanadiovana faobe ny mponina taorian'ny fanentanana na...
09/08/2026

Androka, Ambalakajaha, Ambohijafy ary Ankofika: Nifarimbona nanao fanadiovana faobe ny mponina taorian'ny fanentanana natao, ary nitohy ny fanentanana ny tokatrano rehetra mba hanana kabone.

Nisy ihany koa ny fampiofanana sy fifanakalozan-kevitra tamin'ireo mpivarotra momba ny fahadiovana, mba hahazoan'ny vahoaka sakafo madio sy azo antoka ho an'ny fahasalamana.

Izao hetsika izao moa dia irahan'ny kaominina ambonivohitra Ambalavao manatanteraka amin'ny Réseau des Jeunes Obs Mada Haute Matsiatra.TATAO.M2 sy Association Tafakri Ambalavao izay tohanan'ny Faritra Matsiatra Ambony sy Eaurizon 2028 amin'ny alalan'ny fond d'initiative.

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony karakarain'ny Kaominina Ambonivohitra Ambalavao isaky ny fokotany ho an'ny fanentanan...
04/08/2026

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony karakarain'ny Kaominina Ambonivohitra Ambalavao isaky ny fokotany ho an'ny fanentanana momba ny fidiovana sy ny fanadiovana. Ny tanjonay amin'izao hetsika izao dia ny handraisan'ny mponina tsirairay fepetra amin'ny manodidina azy ka ho sarotiny tanteraka amin'ny resaka fahadiovana ny rehetra.

Nampahafantarinay nandritra izany ihany koa ny momba ny CMAH (Code Municipal d'Assainissement et d'Hygiène) izay hampiharina eto amin'ny tanànantsika. Ny fahadiovan'i Ambalavao dia andraikitra iarahantsika rehetra!

Izao hetsika izao dia irahana manatanteraka amin'ny Association Tafakri Ambalavao sy Réseau des Jeunes Obs Mada Haute Matsiatra.TATAO.M2 izay tohanan'ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Eaurizon 2028 amin'ny alalan'ny fond d'initiative

31/07/2026

CMAH AMBALAVAO
Lalàna mifehy ny Fidiovana sy ny Fanadiovana eto anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Ambalavao

🏀🥊👨🏿‍💻VACANCES MAHASOA👨🏿‍💻🥊🏀Matahotra sao ho lany amin'ny fialam-boly tsy misy fotony na ho lasan'ny fitaoman'ny namana ...
21/07/2026

🏀🥊👨🏿‍💻VACANCES MAHASOA👨🏿‍💻🥊🏀
Matahotra sao ho lany amin'ny fialam-boly tsy misy fotony na ho lasan'ny fitaoman'ny namana amin'ny lalan-diso ny zanakao amin'izao vacances izao?

Atolory azy ireo ny tsara indrindra mba hahafahan'ny sainy sy ny vatany hitombo tsara:

🏀 Kickboxing, Team Gafilo ,Basket EMA Étoile Montante d'Ambalavao Ecole de basket ball
Musculation Musculation & Fitness 303 Mampitombo ny fahasalamana, ny fifehezan-tena, ary ny tanjaky ny saina hahay handà ny fakam-panahy manimba.

💻 Informatique sy Teny Vahiny: Mameno ny saina amin'ny hoavy maoderina, mampitombo ny fahatokisan-tena ary manalavitra azy amin'ny eritreritra aloha loatra.

🍰 Pâtisserie sy Danse: Mampivelatra ny talenta, mampianatra faharetana miatrika olana, ary mety ho loharano fidiram-bola.

🧠Ny zaza sahirana amin'ny zavatra mahasoa dia zaza voaaro amin'ny fandriky ny fiainana ary matanjaka hiatrika ny ampitso!

👉 Aza miandry ampitso: Ampidiro sy amboary androany ny hoavin'ny zanakao!

Efa manomboka izao ny dingana  amin'ny Fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana 2026 karakar...
17/07/2026

Efa manomboka izao ny dingana amin'ny Fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana 2026 karakarain'ny CENI Madagascar.

Tontosaina eto amin'ny kaominina ambonivohitra Ambalavao ankehitriny ny fampiofanana ireo Vaomiera Ifotony misahana ny Fanisana ny Mpifidy (CLRE). Izy ireo no hisahana mivantana ny asa eny ifotony.

Ny CENI sy ny rantsana mpanatanteraka any amintsika (CLRE), miaraka amin'ny Ben'ny tanàna sy ny Lehiben'ny Fokontany ary ny mpanampy azy no mpanatanteraka

Ny Fanjakana (Prefektiora, Distrika) izay manome tantsoroka amin'ny lafiny samihafa.

Ny mpanentana sy mpanara-maso: Ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena, ary ny haino aman-jery izay miantoka ny mangarahara.

Isika vahoaka mpifidy rehetra izay mila mandray anjara mavitrika mba hahazoana tombontsoa amin'ny fahafahana mifidy an-tsakany sy an-davany.

Misy fomba dimy (5) samihafa azonao isoratana anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy:

Azonao atao ny mandeha mivantana eny amin'ny biraon'ny Fokontany misy anao.

Handalo isan-tokantrano ireo mpanisa mpifidy (CLRE) hanoratra anao mivantana ao an-tranonao.

Fisoratana anarana sy fankatoavana miaraka atao eny amin'ireo toerana famoriam-bahoaka voatondro.

Azonao atao ny mangataka izany amin'ny alalan'ny tontolo nomerika, izay arahina fankatoavana avy eo.

Ho an'ireo tanora na olona vao nahazo ny Karapanondrom-pirenena (CNI) voalohany izay arahina fankatoavana ihany koa.

📢Ny fanananao anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy no antoky ny maha-olom-pirenena feno anao. Rehefa mandalo ny mpitsidika mitety trano na rehefa misy ny fampiantsoana eny amin'ny Fokontany, dia aoka isika handray azy ireo am-pifaliana sy am-panajana ary hanome ny vaovao marina rehetra ilaina.

Address

Ambalavao

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ambalavao Info com posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share