
09/07/2025
Ny teny "Allemand" no Pasipaoro-nao raha hoany Allemagne ianao.
Noho izany dia tsy maintsy mianatra aloha ianao.
✅Sarotra ve ny Teny Allemand ?
Tsy misy langue sarotra ianarana izany raha manana antony mazava sy fomba fianarana mahaomby ianao.
🧭 1-Inona ilay hoe antony mazava?
Midika hoe:
Fantatrao mazava tsara ny antony ianaranao an'ilay teny
ohatra: Te hianatra na hiasa any Allemagne (bourse, Master, Ausbildung, Aupair sns..)
2- Inona ilay hoe fomba fianarana mahaomby:
Midika hoe tsy mianatra be fahatany fotsiny na haitraitra fotsiny, fa tena mametraka drafitra mati-paika ary mianatra isan'andro (tsy tapaka mihitsy)
Fianarana tsy mahaomby vs Fianarana Mahaomby
❌Mianatra teny tsirairay fotsiny
✅Mianatra Fehezanteny mihitsy
❌Mianatra tsy misy Planina sy fandaharam-potoana mazava, mbetika mazoto, dia tapotapoka eo dia kamo dia mijanona
✅Mametraka Planina mihitsy (na dia 15 min isan'andro fotsiny aza
❌Tsy mampiasa ilay teny mihitsy
✅Miteny, manoratra, mihaino amin’ny teny dieny vao manomboka
❌Miandry ho tonga lafatra
✅Tsy matahotra manao diso, nefa mahay maka lesona amin'ny hadisoany
❌Mianatra nefa tsy manao fanazaran-teny
✅Sady manoratra no miteny
❌Mianatra irery, tsy mifampizara traikefa
✅Mianatra miaraka amin’ny hafa (namana, vahiny tompon-teny)
NY TOLOTRA OMENAY ANAO DIA HANAMPY BE ANAO HAHAY HITENY ALLEMAND.
MPIARA-MIASA
Atombokay amin'ireo vao mianatra mihitsy aloha mba hanampiana anareo manana nofinofy ny hifehy teny Allemand aingana sy mahaomby.
Mandefasa hafatra miafina raha mahaliana anao ny hahafantatra misimisy kokoa ny tolotra harosonay
🌟MPIARA-MIASA
Fischer
Interuniversitäres Kolleg Südtirol / Bildungshaus Kloster Neustift
Open Horizons Project - Madagascar