27/07/2026
โ RAHARAHA SAFIDY AMBOHIMAHASOA
โด๏ธ Nikarakara alim-pandihizana tao @ Lapan'ny Liantsoa tranon'ny Katolika ny Polisim-pirenena Ambohimahasoa ny Sabotsy 26 Jolay 2026 lasa teo,ary isan'ireo namonjy io ihany koa i Safidy.
โด๏ธTany @ 3 ora sasany no naharay antso ny Pรดlisy teo an-toerana fa misy olona mamaky trano tao @ Fonkotany Andondona,eo ambonivohitra.Avy hatrany dia teny an-toerana ny Pรดlisy,no mbola tratra teo ihany koa i Safidy.Voalazan'ny Kaomisera ny Pรดlisim-pirenena Ambohimahasoa,nandritrin'ny valan-dresaka nataony t@ mpanao gazety tao aorian'io,fa nikasa hamaly i Safidy,ary nahitana antsy teny an-tanany,ka nitifitra avy hatrany ny Pรดlisy antony nahafaty azy.Teny @ Morgue no nalain'ny havany ny razana,ary teo no velona ny fifamaliana teo aminy 2 tonta.
โด๏ธ Voalazan'ny mpampiasa an'i Safidy fa tsy olon-dratsy io tovolahy io,zaza taizan'izy ireo efa ela no sady niasa naharitra ela tao @ Hรดteliny arakin'ny fanazavana. Manana sakaiza antsoina hoe Gisรจle mipetraka ao amin'io trano io eny Andondona io izy,ary tsy teo an-toerana ramatoa kely tamin'io fotoana io,ka antony nahatonga azy niakatra lavarangana,rehefa nandondona tsy nisy namoha ny daboka ny tohatra fidirana tao an-trano.Ireo olona tao ambany rihana kosa ilay niantso Pรดlisy.
Mafana rahateo ny resaka vakitrano ao Ambohimahasoa hoy ny voalazan'ny loharanom-baovaonay.
โด๏ธ Voalaza ihany koa,efa menottรฉ i Safidy hoy ireo nanatri-maso,no sady efa nandohalika sy tsy namaly,no mbola notifirina ihany.Tifitra teo amin'ny tratrany,ary ny iray teo amin'ny kibo nivoaka any afara,hoy ny havany izay natsakainay ny vaovao.
Ary nolavin'izy ihany koa io antsy izay hita amin'ny sary io,fa tsy nisy an'io ny teny an-tanan'i Safidy fony izy nalain'ny Pรดlisy teny Andondona.Izay antony nahatonga ny firehetan'ny fahatezeran'ireto fianakaviany sy ny vahoaka.
Ny loharanom-baovao ihany koa no nilaza fa mamo ilay Inspecteur tamin'io fotoana nitifitra azy io.Misy @ ireo olona efa nampiasa an'i Safidy ihany koa nanamafy fa madio tanana io tovolahy io fa tsy olon-dratsy.
โด๏ธ Nirehetra noho io ny hatezeram-bahoaka tao an-toerana ka nidina an-dalambe androany Alatsinainy 27 Jolay 2026.Tonga teny an-toerana ny Talem-paritrin'ny Filaminam-bahoaka Mahatsiatra ambony,sy ny Solombavambahoaka ao an-toerana.Nialatsiny sy nifona tamin'ny fianakavin'i Safidy ny Talem-paritra,noho ny tifitra nahafaty azy,ary nisaotra tamin'ny fahatsapan-tena ny Pรดlisy ny fianakaviany,saingy nilaza fa hitory hampiakatra ny raharaha eny anivon'ny Fitsarana.
โด๏ธ Nampanantena ny vahoaka ny Kaomisera teo an-toerana fa " tsy hiasa eo Ambohimahasoa intsony io Inspecteur io,ary manomboka eo dia ny lalร na no hanenjika azy."
โด๏ธ Azo ambara ho nilamina ny toe-draharaha @ ankapobeny,arakin'ny vaovao farany.