20/08/2025
EMISSION "TSIKAFONA" TV Presse Mada.
Vahiny/RANDRIANASOLO Jean Nicolas/Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny distrikan'i BETROKA.
-Andriamatoa filoham-pirenena, ampy afaka nisainan'ireo gadra politika ny fotoana ela nitazonana azy any am-ponja, toa an'i Mbola RAJAONAH, ny mpanao gazety Lola RASOAMAHARO sns, ka aleo re esorina tany amin'izay mba hisian'ny fitoniana.
-Hafatra ho an'ny lehiben'ny mpanohitra, ny tsara ho anao dia ny mivavaka ho an'ny filoham-pirenena filohan'ny SADC hahavita ny fitantanana ao anatin'ny taona iray. Aza be fialonana ianareo.
-Fitantanana ny SADC, misy lanjany lehibe ho an'ny firenena izany. Ho anareo mpanohitra, aza sintonina hidina ny filoha rehefa manao asa ho fampandrosoana ny firenena.
-Izaho dia tsy mpanao politika mpisolelaka be fahatany na mpanohitra be fahatany.
-Betroka, ireo olona tsy tia ahy no tena mpanao ny aferan-drongony, misy mihitsy aza no manamby vola fa tsy mety amiko izany.
Manasa anao ary hanaraka hatramin'ny farany ny fandaharana.
Mpanao gazety: Mamitiana RASOLONIRINA