Herilala Ofisialy

Herilala Ofisialy Elévage de Lapins Géant Elevage de Lapins

👉TSARA nge oa! ity Gourde Lapin ity e! Sady mafy no Mihaja bé mihitsy.👉Izy no Tdh Ndrinamalala nisafidy an'ity gourde La...
17/05/2026

👉TSARA nge oa! ity Gourde Lapin ity e! Sady mafy no Mihaja bé mihitsy.
👉Izy no Tdh Ndrinamalala nisafidy an'ity gourde Lapin ity, tena hafa-po tanteraka izy amin'ny hatsarany.
👉 Mahavanona bé tompoko

👉 1 Litre bé izao no laniny

👉Prix : 20.000Ar
Nb: Afaka manao livraison n'aiza n'aiza

Tél ! 034 53 075 92

Ny tena fototra fiainana dia : ✅ Fahaizana manaja olona 🤝✅ Fahaizana mitantana vola 💰✅ Fahaizana mifehy fihetseham-po 😌✅...
12/05/2026

Ny tena fototra fiainana dia :
✅ Fahaizana manaja olona 🤝
✅ Fahaizana mitantana vola 💰
✅ Fahaizana mifehy fihetseham-po 😌
✅ Faharetana sy fikirizana 🪨
✅ Finoana ny tena 🙏
✅ Fahaizana miarina rehefa lavo 💪

Efa tonga   Madio tsara sy vaventy bé🌾🌾👉Avoine: 4.000ar/kg👉Tél: 034 53 075 92👉Antanetibe Analamahitsy akaikin'ny terminu...
05/11/2025

Efa tonga Madio tsara sy vaventy bé🌾🌾
👉Avoine: 4.000ar/kg
👉Tél: 034 53 075 92
👉Antanetibe Analamahitsy akaikin'ny terminus bus 126 Plaque menamena
🛵 Manao livraison

Henjana bé ilay manenjika Bitro roafa tratra ihany farany.
19/09/2025

Henjana bé ilay manenjika Bitro roa
fa tratra ihany farany.

🟢 Fitsipika fototra amin’ny fiompiana bitro1️⃣ Fitsipiky ny fitiavanaNy fiompiana bitro dia tsy atao fotsiny hoe "andram...
23/08/2025

🟢 Fitsipika fototra amin’ny fiompiana bitro

1️⃣ Fitsipiky ny fitiavana
Ny fiompiana bitro dia tsy atao fotsiny hoe "andramana", fa atao amin’ny fitiavana. Raha tsy misy fitiavana ny biby, dia tsy maintsy hiafara amin’ny tsy fahombiazana.

2️⃣ Fitsipiky ny fiofanana
Tsy misy fampiasam-bola atao raha tsy misy fiofanana. Ny mpiompy voaofana dia mitsitsy fotoana, vola ary misoroka fahaverezana tsy ilaina.

3️⃣ Fitsipiky ny trano fonenana
Clapier tsara = Bitro salama. Tsy azo hamaivanina ny fahadiovana, rivotra madio, toerana malalaka ary fiarovana amin’ny mpiremby.

4️⃣ Fitsipiky ny sakafo
Bitro voafahana tsara = Bitro mamokatra. Tsy maintsy mirindra ny sakafony: ahitra, sakafom-pameno, rano madio ary “compléments minéraux”.

5️⃣ Fitsipiky ny fiterahana voafehy
Tsy afangaro amin’ny kisendrasendra ny bitro. Mila fehezina ny fampiraisana, ialana ny fifandovana (consanguinité) ary tazonina an-tsoratra ny tantara.

6️⃣ Fitsipiky ny fahasalamana
Ny fisorohana dia mora sy tsy mandany loatra noho ny fitsaboana. Tsy maintsy atao ny vaksiny, fanafody kankana, fanadiovana ary fanaraha-maso isan’andro.

7️⃣ Fitsipiky ny fitantanana ara-toekarena
Ny fiompiana bitro dia orinasa ihany koa. Mila mitazona bokim-pitantanana, manara-maso ny fandaniana ary manao kajy ny tombom-barotra.

8️⃣ Fitsipiky ny faharetana
Na dia mitombo haingana aza ny bitro, ny tetikasa kosa mila fotoana. Ny faharetana sy ny fitohizan’ny asa no miteraka vokatra maharitra.

9️⃣ Fitsipiky ny tsena
Ny famokarana tsy misy mpividy dia fitambaran’ny fatiantoka. Ny mpiompy dia mianatra sy mandinika ny tsenany alohan’ny hanitarana ny famokarana.

🔟 Fitsipiky ny fizarana traikefa
Ny mpiompy tsara dia mizara traikefa, mampiofana ny hafa ary mandray anjara amin’ny fananganana fiaraha-monina mpiompy bitro mandroso.

🎉Oyé oyé 🎯𝗙𝗢𝗜𝗥'𝗙𝗘𝗥𝗠𝗘 Andro faharoa🐮🍅🍨🐰🐰🌾.............................Mitohy hatrany ny hetsika ary mbola tsy tara ianao ...
15/08/2025

🎉Oyé oyé 🎯𝗙𝗢𝗜𝗥'𝗙𝗘𝗥𝗠𝗘
Andro faharoa🐮🍅🍨🐰🐰🌾.............................
Mitohy hatrany ny hetsika ary mbola tsy tara ianao raha izao vao ho avy aty.

Araho ny onjany dia araho ny lamina apetraky Ny Onivera aminao ...💬 Misy toe- javatra tsy azo anaovana beloha fa misaotr...
12/08/2025

Araho ny onjany dia araho ny lamina apetraky Ny Onivera aminao ...

💬 Misy toe- javatra tsy azo anaovana beloha fa misaotra no tokony atao raha toa tsy nety ilay izy...
Midrafitra ahasoa anao ny hatrany amin' ny tsy hita maso fa aza manahy🤗

Address

Anosizato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Herilala Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share