27/10/2025
❓ Maro ny mandefa MP manontany hoe iza no tsara : Airpods sa ilay KZ EDX pro ❓
Phrase iray dia efa mivaly izany : ny Airpods no tsara RAHA vraie Airpods (fa tsy ilay tsy vraie akory)
✅ ahoana no ahafantarana hoe vraie ny Airpods iray? mifona aho fa tsy mahay izaho, fa ny fantatra fotsiny dia ny vidin'ny Airpods pro 3 zao ao amin'ny site officiel dia 249 euros
Izany hoe : 1.245.000ar raha kajikajiana tsotsotra ny vidiny any ampotony. Tokony ho lafolafo koakoa noho io zany ilay izy raha miampy ny frais naketo + tombombarotr'ilay olona nitondra na nivarotra azy.
✅ Fa kosa raha ilay Airpods tsy vraie no comparena amin'ny KZ EDX pro, dia resy lavitra be ilay Airpods TSY vraie. Tsy comparable.
Généralité ity resahiko ity :
1- raha même budget, dia na inona na inona écouteur comparena dia ny filaire dia mandresy lavitra foana par rapport ny bluetooth.
2- ny mpamorona ecouteur bluetooth dia nataony ho an'ny olona sportif matetika, na ho an'ny utilisation andavanandro. En général sportif sy olon-tsotra daholo ny manao azy amin'ny pub fa tsy musicien anaty studio, na chanteur sur scène
3- ny mpamorona écouteur filaire dia nataony ho an'ny olona tena mitady qualité izany, na musicien, na professionnel ami'ny resaka feo. Matetika ny pub an'ireo dia en studio, na sur scène. Fa tsy anaty salle de sport ohatra :)
⚠️ Fehiny :
Samy manana ny utilisation-any ny écouteur ... raha qualité feo fotsiny no tena tadiavinao dia filaire haute résolution no tena tsara