22/12/2023
💥TOERANA 3 RATSY
✅Raha tsy mahatsapa ny fangirifirian'ny hafa na tsy mahay mankasitraka ny fiainana dia mandalova amin'ireto toerana be karma ratsy ireto .
👉👉👉Hopitaly - Fonja - Fasana .
✅Ny hopitaly dia toerana iray feno olona miady aman'aina . Te ho velona indray . Te ho sitrana . Rehefa any vao mahatsiaro ny fahasalamana sy fitandremana tokony natao . Mivavaka ary mangataka mafy fahasitranana.
✅Ny Fonja dia toerana iray tsy tsara hivelomana satria rehefa any vao tsaroana ny Fahafahana na Libérté nananana fony tety anivon'ny fiaraha-monina sy ny ankohonana. Tapaka hatreo ny fanaovana izay tiana .Eny fa na hatory haka aina ary mbola misy mibaiko . Ny rivotra hiainana maloto sy tsy ampy.
✅Ny Fasana : Toeran'ny fahataperana . Maty sy tapitra hatreo ny tantaranao . Tsy manan-tsafidy fa hiditra @ tontolo fanombohana hafa indray .
💕💕💕Te hiteny foana aho hoe : Manaova ny mety ,ny tsara . Ankafizo izao misy anao izao fa misy te haka izao fiainanao sy toeranao izao.
✅✅✅Misaora mandrakariva ny Mpahary mbola salama, velona , Libre . Dia aza maka Aretina volena sy fahotana efa fantatra fa manimba . Miambena mandrakariva .
Maniry soa ho ahy sy ho anao 🙏🙏🙏
Mankasitraka